Mahay miara-miasa ve ny gasy samy gasy?

1. alz ( 29/03/2004 20:35)
Misy milaza fa ny gasy hono mora tohina, hevitra kely tsy mitovy dia tsy afaka miara-miasa. Mba ahoana ny hevitrareo amin'izany?
novalian'i fijo ny 31/03/2004 22:44
2. kally ( 29/03/2004 16:19)
Matoa mandeha ny orinasa eto Madagasikara,mahay miara-miasa ny gasy samy gasy ,gasy daholo ange ny ankamaroan'ny mpiasa amin'ny orinasa sy toeram-piasana rehetra misy eto amintsika e!Ka efa ela angamba no nikatona raha tsy mahay miara-miasa ny gasy samy gasy.
3. kally ( 29/03/2004 16:22)
Raha ny fomba fijerinao faharoa indray hoe mora tohina ets,ny gasy dia tsy mitovy fihetsika amin'ny afrikanina,zareo ao afrika rehefa treromina vao mainka mahery miasa,fa raha ny gasy no treroninao dia vao mainka izy migafy.Nytsy fitovian-kevitra misy foana fa matoa tsy nisy fitohizan'ny fiaraha-miasa dia tsy nisy fifampidinihina fa samy nanao resaky ny moana sy marenina.
4. xxx ( 29/03/2004 17:32)
Mba manohera kely ianao ny hevitr'ireo vahiny sasany miasa miaraka aminao ireo fa rahariva ihany dia mi-pas.
Toetr'olona izany tsy misy ny hoe tena izao sa ianao koa dia mino fa ny vehivavy malagasy dia kelisaina fa kinga vodhy araka ilay fihiran-dry zareo aty ivelany ireny.
Jereo koa ny zaza vazaha dia hiteny ianao fa tsy ny vehivavy gasy ihany kay.
5. alz ( 30/03/2004 19:08)
Inona ny hidiran'ilay vehivavy sy resa-body amin'ity loha-hevitra ity ry xxxxxx a?
Vahiny nipetraka ela ela tany Dago no nilaza izany, fa tsy izaho akory. Tsy zay tenen'ny vahiny kou akory dia marina. Azoko antoka fa généralisation io resaka io fa mba te hahita ny réaction'-tsika aho. Nolazainy fa hoe lasa mijanona niveau artisanal hono ny akamaroan'ny orinasa gasy satria ny tokony ampiana tsy te-hampiana, ary ny tokony hanampy tsy te-hanampy. Ireo olona tokony hiara-miasa zany tsy te-hiara-miasa nohon'ny antony tsy matotra. Tsy mazava angamba ny fitsipi-dalao?
Ohatry ny mifanohitra amin'ilay fitenin'ny malagasy hoe : "azo tokana tsy mba ala" ?
Fa na izany aza aloha, ekeko ny an'i xxxxxx hoe tsy tokony ho-généraliser-n'ny toetra'olona e! Fa matetika koa nefa ny fitambaran'ny toetra no lasa manosika na manohina ny fivoarana.
6. kally ( 30/03/2004 19:59)
xxx,sady tsy mahalala fomba mba mampiseho anarana no manompa ny vehivavy gasy,nateraky ny biby angaha ianao fa tsy nateraky ny vehivavy?
7. ravatorano ( 30/03/2004 12:38)
ry zalah de zao ah , mety resaka asa hifandrimbonan ny fianakaviana io no metymhahatonga izany .
Misy mantsy tonga namana vao mavovao toy ny ranon Ikopa.Ny malagasy raha malagasy mitovy aminy no eo dia sahhisahy manao zavatra tsy dia mendrika loatra.Ohatra izao mbola notatanin ny fanjakana ny banky teto amitsika dia hitanareo ny vokany fa na ny discipline aza gorsks be fa nony lasa SG , boa , cl dia nivoatra lasa nanana tombom barotra , niova ny foma fiasa , nanjary nisy ny fifehezana matotra ka nanjary ze natao rhtr.amiko santionany io ary za efa niaina tamizany fa gasy ny deba de tsy koi fa nony lasa be kintana le deba dia niforitra dhl ny rhtr.,nifoftra nikandra be
8. fijo ( 31/03/2004 22:44)
arakarak'ilay mpitondra io.fa na gasy aza no mitondra ka hentitra izy dia miasa ny entina.
misy marina koa ilay voalaza ery ambony hoe tsy mahay mifanampy ny gasy.satria raha misy gasy mahavita zavatra iray ka mila pamatsy vola dia tsy mbola misy gasy sahy miditra amin'izay any ka lasa artisanal marina ilay asa.eo no mila hezaka be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3116