Diaspora

1. voninkazokely ( 27/03/2004 12:13)
Mba mangataka valiny raha azo atao fa tena tsy azoko mihintsy ilay tena dikan'ny hoe DIASPORA sy ny ilàna azy marina é!
novalian'i ramaso ny 26/06/2004 23:19
2. voninkazokely ( 29/03/2004 20:15)

Aiza ô!..............Vonjeo é!
Rehefa mba nandra ve le namana amin'io resaka io de avela irery ohatran'io é!
Toray vato ary fa tsy maninona é!
3. xxx ( 29/03/2004 11:36)
Za koa zao tena tsy mahay fa ataoko fotsiny hoe :
Dia = leha
dia misy tsofoka sp
Ora = fotoana
Izay no mba nahaizako io
4. alz ( 29/03/2004 20:11)
Ny atao hoe Dispora dia ireo olona tsy mipetraka any amin'ny firenena niaviany. Ny Jiosy no niantombohan'ilay resaka, satria maro ireo Jiosy no miparitaka eran-tany nohon'ny antony tsy horesaiko eto. Ireo malagasy tsy mipetraka any madagaskara izany no antsoina hoe Diaspora gasy raha tsotsorina ny resaka. Tsy fikambanana izy io fa voabango ao daholo rehefa gasy monina an-taninolona. Sao afangaron'i Voninkazokely amin'ilay Hetsika Diaspora, vondron'olona gasy monina aty ivelany, mifanakalo hevitra amin'ny Net, mitetika ny hitondra ny anjarabirikiny amin'ny fanasoavana an'i Madagascar. Ny hetsika Diaspora teto Frantsa no enoko mikarakara colloques momban'ni Madagascar. Tsy fantatro ny effet-n'ireny fa izay mety hitondra soa ho an'i Dago dia tsara daholo e.
5. voninkazokely ( 29/03/2004 18:07)
Misaotra betsaka re tompoko ô!
6. ramoul ( 02/04/2004 12:28)
Misaotra betsaka ho an'i alz isika nohon'ny fanazavany ny momban'ny dikan-teny Diaspora.Na ny tenako zao koa ary tsy nahafantatra ny dikan'io teny io fa dia tehaka mirefotra be ho azy?(clap,clap,clap)
7. fijo ( 14/04/2004 23:05)
izao ity vao hitako fa dia efa io ny dikany ka
8. voninkazokely ( 16/04/2004 18:50)
Misaotra betsaka tompoko!
9. didi ( 26/06/2004 17:39)
Manaohoana daholo !
Iza no tany Mcar vao haingana ianareo manana ttsy vazaha ? marina ve izany afaka mangataka visa eo Ivato izany ? dia ohatrinona sy hafiriana no nanaovana izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.0413