Ovao phpBB ny forum

1. 2689 ( 23/03/2004 13:29)
Ary ity forum ity ve asa-tànan' i Hery manokana sa source notefena? Mba misy zavatra manome endrika an' itony forum itony nefa tsy hita ato toy ny avatar manokana, sonia, ny site webn' ny mpikambana. Io site web io izay mipetraka eo ambanin' ny hafatra alefanao ohatra dia ahafahan' ny olona mitsidika ny sehatrao, dokam-barotra vita...

Tsy atokisana ve ny sécurité @ phpBB, fa raha izaho no mandinika io aloha no forum hitako fa tena manja indrindra hatramin' izao.
novalian'i xxx ny 25/10/2004 06:46
2. admin ( 24/03/2004 09:28)
zà niezaka niala tamin'ireny isankarazany ireny fa namorona manokana.
Tsy mampiasa phpNuke, tsy mampiasa phpBB satria sarotra be ho ahy ilay miditra anaty code rehefa avy eo.
Marina fa mi-s'inspirer amin'ireny zà fa teknika hafa no anamboarako azy. Amin'ny forum ohatra zà mampiasa table roa fotsiny (3 miaraka @ admin). Nezahana ho tsotra mihitsy ilay izy satria any @ cyber-café any Dago koa be dia be namana mijery ka raha mavesatra manjary mahakamo ny sasany.

Sady phpNuke sy phpBB daholo ny ankamaroan'ny forum etsy sy eroa.

RAha misy modules ampidirina dia ilazao zà dé tadiaviko hoe ahoana no hanaovana azy. Tsy afaka mamindra module avy @ phpBB intsony zà satria tsy nitovy hatramin'ny voalohany ny structure-n'ny table sy ny scripting.

Ny olana amin'ilay izy aloha dé hoe izaho ihany no mi-comprendre ny script-ko... kanefa raha azavaina ilay izy dé mety ho azon'ny rehetra ihany... tsotra kokoa noho ny an'ny phpBB mantsy.
3. 2689 ( 24/03/2004 19:34)
Tsara be ny hoe manana ny maha-izy azy ny Gasy, tsy manao dika mitovy be fahatany fa mamorona ny an' ny tena. Ny olana @ Open source koa mantsy hitan-dry zalahy ny faille indraindray. Dia voatery manao mise à jour matetika loatra.

Dia hita tokoa fa kely graphisme mihitsy ity sehatra ity. Raha miadana aza ny connexion, vetivety dia vonona ny takelaka, mety tsara aty Dago io.

Ekena ny amin' iny avatar iny fa ilay sonia sy ny www kosa angamba mba azo tanterahina ihany, rehefa manam-potoana.

Dia mba mipetraka ho azy ity ambany ity eo ambanin' izay hafatra rehetra alefako :

Carry on :) ing, and the world will :) with you!
http://2689.cc
4. ravatorano ( 25/03/2004 19:06)
ary toa tsy mande le site 2689.cc
:wink:
5. dd ( 28/03/2004 15:27)
zah koa mba gaga fa tsy misy afatsy pub lay site! ...
6. kitjo ( 28/03/2004 17:23)
ra tsy izany d under construction dol fts aza le izy
ataovy aloha 2689 an,
7. hery ( 29/03/2004 09:32)
Hilay io site-n'i 2689 io...

FA inona tokoa alou lé domaine .cc ??
8. hery ( 31/03/2004 05:37)
Nanam-potoana kely dia namboarina kely ny forum. Ny loko no hahitana izay hoe misy hevitra vaovao. Rehefa miha-matsatso ny loko dia miha tranainy izay ny hevitra.

Mbola hitohy.
9. 2689 ( 31/03/2004 14:26)
Tsy misy 2689.cc izany fa http : // dotmg . com http://dotmg.com ny sehatro fa mbola tsy mandeha raha tsy @ taona ho avy. Za tsy manam-potoana hanaovana azy.
Dé zay fa tsy mbola fotoanan' ny dokam-barotra izao, sao hozy Hery hoe manao détournement de visiteur ilehity. Hi hi hi ...
10. 2689 ( 31/03/2004 14:43)
Tsara be ilay loko.
Bravo.

Ny domaine .cc hono dia alternativen' ny .com no tena dikany. Fa tsy fantatro ny fanalavana azy.

Ny .ws no fantatro (website).
11. cowboy ( 02/06/2004 04:09)
mety ho gratos ve lay .cc ?
ho anay aty dago mantsy dia mbola sarotra be ilay handoa vola amin'ny internet izany.
12. xxx ( 03/06/2004 08:17)
d aiza ho aiza eto @ ty WAN ty no mety ahitana lay phpBB ry zareo?
13. 2689 ( 09/06/2004 12:06)
www.phpbb-fr.com no mety mahaliana izay te hi-télécharger phpbb
14. xxx ( 25/10/2004 06:46)
Cocos hono dikan\' ny .cc
Izany hoe misy firenena (nosy) kely iray izy io, toa an\' i Komoro, dia nifanaraka tamin\' ny orinasa lehibe vahiny iray hitrandraka an\' io domaine .cc io, dia tambin\' izay mba manatsara ny foto-drafitr\' asa momba ny teknolojian\' ny fifandraisana ao ilay orinasa lehibe io.
Mandoa vola ny .cc, tsy misy domaine maimaim-poana izany raha top-level.
Fa tsy dia lafo mankaiza ange ny domaine e. Jereo tsara fotsiny ny dokambarotra rehetra na manontania ny olona efa zatra fa ariary zato isan\' andro dia efa manana ny site w w w . n y a n a r a n a o . c o m ianao e!

:D :D Resaka efa matory be itony mbola fohazin-dry xxxxxx ihany. :D :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1222