Ny taniko sy ny haren-tsainy

1. randjy ( 22/03/2004 12:04)
Ry akama malagasy
mba ampio kely ange
hamelomaso indray
ity fanaoko efa very
novalian'i pitchou ny 16/04/2004 12:00
2. kitjo ( 22/03/2004 13:59)
fa very ahoana le izy?
3. randjy ( 22/03/2004 14:13)
very satria efa adino nefa ny tsy fantatra mbola betsaka.Ohatra fotsiny zao ny ALAHAMADYBE anie ka taom_baovao an_tsika madio e nefa tsy ankalazaina.nefa maninona ny an-ny sinoa,ny arabo mbola an-kalazainy nefa izy aza aty amin-tsika
4. ikaretsaka ( 22/03/2004 17:32)
satria misy tsy mazava ao amintsika ao
5. hendry ( 22/03/2004 17:36)
ka ankalazaina @ ahoana moa ry randjy raha ny mbola misy olona tsy mahalala ny momba ilay izy foana?
Zaho manokana aloha sarotra ny mandainga, efa henoko hatry ny ela io alahamady alahamady io fa ny tena hevitra fonosina tsy haiko loatra. Lazaina fa taom-baovaon´ny gasy, tsy ampy ahy ny fahalalana an´zany fa ilay antony nahatonga azy ho taom-baovaon´ny gasy sy ny tantara momba azy no tiako ho fantatra saingy tsy fantatro hatr@ zao.
6. librepenseur ( 23/03/2004 17:02)
Misy ny tsy fantatra mihitsy raha tsy tovozina satria fomba hafa no natoro sy nasesika tao an-tsaintsika Malagasy
7. tia_ery ( 23/03/2004 09:41)
Tsy efa misy lohahevitra ALAHAMADY be ve ao eh ?

Ny tena marina ngeha tsy dia ny Alahamady irery ihany no mahamalagasy ny malagasy eh!!! Koa maninona moa izay ihany no andrandraina.

Ny tsy azo lavina koa dia nandalo t@'izany hoe FANJANAHANTANY izany ny Malagasy ary tao anatin'izany no noezahina namongorana ny mahamalagasy antsika. Nampidirina daholo ireo riba maro samihafa de izay.

Sarotra be ilay hoe hanandratra ny mahamalagasy nefa tsy miezaka mitrandraka ny tena mahamalagasy izany

Sotra e!
8. librepenseur ( 23/03/2004 11:19)
Ka tsy efa izany ve ry tia_ery no anton'ity lohateny hoe "Ny taniko sy ny haren-tsainy" ity a ! ny fomba fitrandrahana sy ny fanovozana izany anie no tokony himasoana e !
9. xxx ( 23/03/2004 15:54)
Ka tsy misy mampianatra ireny ny sekoly, fa kelikely fotsiny.
Ny ao an-trano moa dia tsy misy angano izany fa jeux vidéo.
Izay no mba nahavariana ahy tany amin'ny bekitana tany. Rehefa hariva dia andeha hampatory ny zanany ilay mpivady nipetrahako, dia samy mitondra boky misy angano ary samy mamaky ilay tantara amin'ny ankizy isaky ny efitra. Tena gaga aloha aho eh.
10. kitjo ( 26/03/2004 17:00)
ka le izy ange tsy ny mahagasy azy no nahalevona azy fa le fombafomba natao taminy angamba no misy tsy mazava na tsy mifanaraka @ eritreritry ny rehetra le fomba antanterahina azy, d lasa resaka finoana ny niafarany ary antokon olona sisa

tsy amin maahfomba azy oe taombaovao fa ny zavatra fonosiny mitsy no hafahafa mety manelingelina ny fiarahamonina
fa asa?mety oe ankalaizana @ endriny hafa ve?
11. xxx ( 26/03/2004 18:11)
Maninona raha hoe ny taniko sy ny harena an-kibon'ny tany ao aminy.
Valalanamboa io ry akama
Aza mba karetsaka ho'a
12. ikaretsaka ( 27/03/2004 13:16)
misy olana angaha ilay maha karetsaka
13. kitjo ( 27/03/2004 14:35)
oadray,hors sujet xxxxfa refa tsy mahay aza mitsatsaingoka
d refa hiteny koa d aza mba xxxx iany fa miteny2 fona
14. ikaretsaka ( 31/03/2004 06:12)
tslan hoa mipetraha tsara
15. lemurkata ( 14/04/2004 14:44)
Misy marina ihany ny voalaza etsy ambony hoe : valalan'amboa.
Matoa adinontsika ankehitriny ny fombafomba mahagasy antsika dia satria tsy haintsika ny nikolokolo azy. Fa sendra ny akanga tsara soratra isika ka nanary ny akoho taman-trano.
Io fikolokoloina ny fomba gasy io no tokony natao lohahevitra lehibe nitondrana ireny fanagasiana tamin'ny andron'ny RDM ireny (fa tsy natao fampidirana an-tery ny teny malagasy amin'ny sehatra rehetra toy ny nanaovana azy ireny).
Tsy mbola tara izao fa mbola azo atao ny miverina amin'ny maha-malagasy. Dia angamba any aoriana any ny taranatsika mba ahalala tsara kokoa ny dikan'ny Alahamady mihoatra noho ny fahafantarantsika ankehitriny ny hevitry ny Noel na ny Haloween, sns. Dia angamba koa any aoriana any ho jejo ery ny tovolahy mianjaika amin'ny akanjo malabary ary ny tovovavy mitafy lamba sy mivimbina elo.
"I have a dream ..."
16. pitchou ( 16/04/2004 12:00)
asa aloha lemurkata na efa exporté (antsokosoko) na mbola ao @ toerana nihaviany fa tena fanao mihitsy izao eto ny mitafy lamba rehefa hamonjy fivoriana, lanonana, miangona!
ny eto an-toerana dia manomboka mankafy ny fomba malagasy (araka izay ahafantarany azy, tsy laviko!) rehefa misy lanonana atao, ohatra ny mofo ifampizarana tsy dia gateau intsony fa koba ... indrindra fa ny lanonana atao hoe mianjaika! ny fombafomba izay!
hitako efa tsara aloha ny nampahatsiahivana ny alahamady e! angamaba @ herintaona mety hisy fietsehana @zay!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2687