Forum sexy?

1. hery ( 16/03/2004 12:36)
Manahoana,

Misy nanao salan'isan'ny hevitra mandalo eto amin'ity forum ity ve ianareo? Ny atahorako dia ho lasa Forum Sexy ilay izy... izany hoe resaka sexe no be indrindra... Azo amaritana ny toetsain'ny namana ve izany? Non kosa angamba satria tena misy ny hevitra izay miresaka zavatra betsaka...

Nanana eritreritra aho hoe atokana mihitsy ny resaka fitaovam-pananahana sy firaisana isankarazany dia ho hita raha mbola misy resaka ho an'ny fitiavana ihany.

Ho hita eo raha hoe ny fitiavana tsy misy firaisana ara-nofo ve (zany hoe ny lohahevitra fitiavana tsy hisian'ny resaka ara-nofo) dia mbola hisy hevitra ihany ao anatiny... dia aza gaga raha teneniko tsotra hoe Fitiavana = sexe ho antsika.
novalian'i six ny 29/04/2004 09:27
2. ikaretsaka ( 16/03/2004 13:32)
fitiavana daholo izany.. fa mankasitrajaka ny hanokanana ny resaka misy fitaovam-pananahana mihitsy aho.. atao hoe forum tsaokalentika ny anarany ohatra dia ny mpitsaokalentika sy resaka tsaokalentika no resahina ao e.. tsy maninona fa vonona aho hikarakara azy!
3. joda ( 16/03/2004 10:03)
mahasaky mahintsy na inona na inona ny aty koa touty filinona(feeling)
4. ccool ( 17/03/2004 09:23)
ye..tsy rtsy ka...hevitra tsara mitsy zay .misoatra e....
5. kitjo ( 17/03/2004 10:19)
kay!
6. mimakely ( 17/03/2004 14:39)
ilaina ilay izy hampivelatra ny saina sy ny vision ny namana, satria anie ilay toetsaina mihidihidy koa miteraka fihatsarambelatsihy fotsiny eh!!!
nefa maro ny olona no mba te handray anjara @ io fa mety tsy sahy miteny fotsiny
7. hendry ( 17/03/2004 15:29)
Zaho koa dia mba efa nanana io fomba fijerin´i Hery io. Tsy nanao salan´isa aho fa mahita amin´ny ankapobeny fa ny fitiavana dia lasa voasokajy ho firaisana ara-nofo fotsiny zany hoe fitiavana tsisy firaisana ara-nofo = tsy fitiavana.
Tsy hita fa samy manana ny fomba fisainany io. Amiko fotsiny ny zava-dehibe dia milaza ny marina ny tsi-1 (franc sy sincère) ka raha izay no atao hoe fitiavana aminy, iza no afaka hanome tsiny azy? zay zany.
8. ikaretsaka ( 22/03/2004 20:00)
hafahafa kos ailay hoe resak'adala e... maninona raha hoe resabody tsotra ohatra? fa lasa fitantarana blagy ilay izy nefa tsy izany no tena intention
9. hery ( 24/03/2004 10:02)
Resak'olon-dehibe :)
10. fijo ( 01/04/2004 23:51)
le hoe forum sexy aloha dia laviko satria na any amin'ny resaka fitiavana sy ny resa dehilahy aza anie ka ny aty amin'ny faramparan'ny loha hevitra no miseho ireo e.izany hoe efa tsy dia mahita lazaina intsony dia manala azy sisa.fa raha jerena ny lohahevitra rehetra dia ataovy ny state fa vitsy ireo.ary misy hevitra mivoaka tsara eny am boalohany.
ka avelao handeha amin'izao mba hisorohana ny fanararaotana raha asiana resaka tsaokalentika fotsiny.
11. ikaretsaka ( 02/04/2004 02:03)
Ataovy forum tsaokalentika fotsiny ary de rehefa resaka tsaokalentika sy ny momba azy no resahina any e.. ilay tsaokalentika mivantana fa tsy ilay fitiavana misy epice na tsaokalentika an
12. six ( 29/04/2004 09:27)
ra fijo tena be hevitra mintsy, marina kou le izy, ie aleo handeha amin'zao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1611