Fa dia inona loatra?

1. admin ( 10/03/2004 17:50)
Gaga mihitsy aho mahita fa manao izao fomba rehetra izao ny olona hahazoana biz'oroka sy hahazoana isa. Tsy voatery hanao an'izany fa mitombo ho azy eo io arakarak'izay fampiasanao ny site sy fitiavan'ny olona anao. Fanoratanao hafatra tsara ho an'ny olona, fametrahanao sary... sns.
Aleo ho tsara hatrany ny lalao e.

Ny mpitantana.
novalian'i fijo ny 29/06/2004 00:25
2. ikaretsaka ( 10/03/2004 18:09)
iuzaho mba gaga
3. xxx ( 11/03/2004 20:00)
Ireo ao amny voalohany ireo izany izy daholo raha azoko tsara.
ny ahy izao normal tsara mihitsy 84 eo ny isa azoko am zao nefa dia gaga be za hoe oadray fa inona no ataon ireto no mahatratra hatramny 2004 ireto.
4. hery ( 11/03/2004 09:39)
Ito ambany ito misy filazana kely momba ny antony mampitombo ny isa.
Mazava ho azy, tsy tadiavina ny isa fa mitombo ho azy.
Ireo olona voalohandohany ireo aloha dia hita ihany ny fahavitrihany ato (Forum, Namana) ka normal ny fahazoany isa betsaka.
Fa misy sady tsy mandefa hafatra no tsy mandray hafatra fa dia mitombo tampoka eo :)

http://namana.serasera.org/index.php?rub=isa

Mazotoa daholo e.
5. ikaretsaka ( 11/03/2004 11:22)
ka ny anay anie tsy ny isa no mikoty fa ny firesahana amin'ny namana e...
6. xxx ( 11/03/2004 11:36)
tsy itako zay olona na be ny isa na kely
7. kitjo ( 11/03/2004 13:14)
io ndray le toetsaintsika gasy oe ze ambony d oe reo zany,
ko ra tsy oe refa misy amnao anzany akory d oe ze ambony isa ao no manao anzany ko,ttssss


8. fijo ( 12/03/2004 11:52)
marina io voalazan'i karetsaka io.ny firesahana amin'ny namana no ilana ato.na misy isa io na tsia rehefa miserasera izahay dia ampy anay izay.raha azo homena aza ny isa dia omeko ny ahy.
9. kitjo ( 14/03/2004 17:42)
ndao hiserasera hiaraka aminay e,
10. hendry ( 17/03/2004 15:34)
Misy namana iray zay taloha izy anisan´ny mpitana ny loha-laharana hatrany, nilaza ny antony ahazoany isa be: manoratra hafatra iray izy dia alefany amin´ny mpikambana marobe mba tsy ilazako hoe ny rehetra, dia mahazo isa be dia be izy ary voalohany hatrany. Amiko tsy hitako ny olana raha zay no mahafalifaly ny sainy, azy any ny azy. Fa ny tsy azoko dia hoe: fa rehefa voalohany dia maninona? Tsara ilay misoratra etsy amin´ny pejy voalohany fa ho ahy na tsy ho eo aza aho toa tsy mampaninona ahy koa, mpikambana foana aho na misoratra eo na tsia.
11. booboo ( 28/06/2004 12:09)
ekena tanteraka ! dé mahazo namana fôna koa !
12. fijo ( 29/06/2004 00:25)
marina io voalazan'i hendry io.na tsy eo aza ny tena rehefa hafampo tamin'ny serasera dia izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1583