"Finoana" ny tsy hita maso ?

21. xxx ( 23/03/2004 15:29)
De porofoy ary hojerevana e
22. kitjo ( 24/03/2004 18:45)
ny fihevitr A/tra ts tkatry ny saintsika
ary aza miezakany anakatra koa

ra ho prouver-nao scientifikmt,ambany fifehezany dol zany.

fa librepenseur v nefa mino fa misy A/tra?
23. librepenseur ( 25/03/2004 18:15)
kitjo > angamba...
24. kitjo ( 26/03/2004 17:05)
mahalala ihany ny sainao raha izany zany fa tsy te hanaiky?
sa misalasala fts?
25. xxx ( 26/03/2004 18:10)
Iza no efa nahita netraona, na elektraona ?
Ny masonao anie voafetra ny fahitany eh, raha tsy izany tsy nila ireny teleskaopy ireny ny mpijery ny habaka
Aza mba karetsaka ho'a
26. tia_ery ( 30/03/2004 17:37)
Isika somary mametraka ny tenantsika amin'ny hoe ''rationaliste'' sy ''matérialiste'' dia miezaka isika ny hanambara sy hamaritra zavatra iray.

'Ty tena hevitra mandresy lahatra tanteraka : ''Ataon'ny olona iray ahoana no filaza fa marina ny zavatra iray nefa izy tsy nahita na niaina an'izany velively ?''

Dia tena lasa ny saina ary manjary mametraka vala-famaritana sy trangan-javatra samihafa mba entina hamaritana trangan-javatra iray na koa toe-javatra iray.

Nefa tsarovy ''Comparaison n'est pas raison''!!!

Ny FINOANA izany tsy azonao faritana état'nao izany ary tsy azonao apetraka amin'ny olon-kafa. Traikefa anananao io ary propre anao manokana. Izay miezaka ny hamaritra ny atao hoe finoana dia tsoriko fa tsy hahita an'izany ianareo.

Fehezan-teny anankiray malaza io ary betsaka ny mampiasa azy : ''Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra; ny FINOANA, ny FANANTENANA ary ny FITIAVANA ...''

Eo amin'ny fiainana isika dia miaina an'ireo zavatra telo ireo foana. Misy fotoana isika entiny FINOANA fotsiny misy indray anefa fotoana toa ny FANANTENANA no manentana antsika ary indraindray dia ny FITIAVANA no manetsika antsika hanao na hiatrika zavatra iray. Ary amin'ny fotoana anankiray anefa dia mety ho ireo TELO ireo no hameno ny ao anatinao ... FA NY FITIAVANA NO LEHIBE AMIN'IREO.

Moa efa nisy nahay namaritra ny FITIAVANA ve ? andramo dia mba lazao ahy

Sôtra ê!
27. librepenseur ( 31/03/2004 10:53)
Izay indrindra no tsy tokony hitoriana sy hilazana amin\'ny hafa fa ny ahy na ny anao ihany no marina satria FINOANA no resahina.

Ohatra :
Ny ronono dia sakafo mahavelona ho an\'ny zaza mena-vava, ho an\'ny hafa izy mety hakarary kibo, amin\'ny hafa indray izy dia mety hakarary vavony satria mavesatra sy be menaka. Ny marary anefa matetika dia omena ronono satria betsaka ny otrik\'aina ao aminy. Ny dokotera sasany milaza fa fanafody vavony izy io (régime lactée), ny dokotera hafa indray milaza fa tsy tsara loatra izy io fa saro-devonina sns... ny an\'iza no tsy maintsy ho marina ? tsy izay mety amiko ?
Izany hoe tsy vérité universelle izany ny fahatsaran\'ny ronono, tahaka izany koa ny FINOANA satria io ny lohateny...
28. angie ( 02/04/2004 10:38)
Minoa fotsiny ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5001