fomba fiasan'ny malagasy @ malagasy

1. xxx ( 07/03/2004 12:29)
Nijery ilay soratr'i Eliana etsy ambany aho, no sady mijery ny iainako dia lasa saina mihintsy.
Ny gasy raha ampiasaina dia tena mahay tokoa, saingy raha tambatambazana dia mangery an-trano. Sady raha gasy ny mpampiasa dia tsy raharahiana. Fahatsapako ireo. Tsy haiko ny antony.
Asa aloha na tena voninahitra ny miasam-bazaha na ahoana eh? Ny mpiasa tranoko tompoko dia mikarama mitovy @ le an'le vazaha, ary manatombo satria misy trano ipetrahana eo ivelany. Tsy mandoa jiro, tsy mandoa fire, tsy mandoa hofan-trano. Hiantohana raha marary. Tsy voakotaba satria aho tsy ato an-trano raha tsy efa hariva. Izy raha teo tsy hoe mandroso sakafo rehefa tonga aho. Ny mahavariana anefa, dia tao ny nanondrana entana niaraka t@ mpiambina, tao ny manao ala safay, tao ny namono ny alika sns, ny mangala-pihinana tsy ferana. Ireo rehetra ireo tsy nasiana arakaraka akory. Fa rehefa lasa tany ambadika tany dia mitomany miverina indray, saingy efa feno ny toerana.
Ny maha-variana ahy anefa dia eto misy mpiasana karana manana tranom-barotra lehibe ao Andravoahangy, ary misy mpiasana vazaha lehibe'ny zone iray izay. Izahay aty ambadika aty aza maheno matetika ny fanalikana atao azy ireo. Rehefa sahirana moa ry zareo, dia gaga aho fa dia ato no manaitra ny mpiambina hiantso anay. Nefa dia mahavariana fa ny mpiasan'ireo toerana nolazaiko ireo dia mbola tsy niova efa ho valo taona izay. Izy ireo anefa mdy daholo ny mpiasany.
Dia gaga ny tena hoe ny gasy ve rehefa hajaina manalika eh.
Mijery ny any Mahavelona aho, na fantatra amin'ny anarana hoe Foulpoint. Raha nijery tany hovidiana tany dia niteny ny olona fa tsy misy mivarotra. Gaga anefa taty aoriana fa betsaka ireo olona nivarotra ny taniny tamin'ny karana, sinoa, reunionais. Ary dia izy ireo tompon'ny tany taloha no miasa amin'ilay tany manao mpiambina. Rehefa nanontaniana ny olona namana dia hoe ny gasy tsy mahasahy mihoatra @ vazaha. Marina aloha fa misy ny samy gasy tsy maintsy miady varotra, saingy ny vazaha ihany koa managamo.
Zavatra hitako ireo ka dia zaraina aminareo.
novalian'i fijo ny 31/03/2004 23:52
2. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:35)
misaotra e!
3. isrine ( 12/03/2004 09:32)
dia izay indray zany no zavanisy ry x, fa @ manaraka aza atao x ntsony ny anarana.
4. kitjo ( 13/03/2004 12:35)
io oa resaka toe-tsaina, refa vazah hono d ambony,
ka ny antsika koa ny gasy tsy misy mirotsaka an-tsehatra d manjaka ny vazah d raikitapisaka le toetsaina,
kanefa tsy voatery ho marina fa ny mifanohitra amzay aza oe: satria tsy misy gasy sahy mividy na mirotsaka d ze tian vazah atao no atao, vidiany @ ze tiany hividianana azy le izy, d le mpivarotra koa efa vo any sainy oe zay no sahin vazah fa tena zay zany ny offre ambony inddra
5. fijo ( 31/03/2004 23:52)
io voalazan'i kitjo io dia tena marina mahamenatra tokoa,fa aleony manome vazaha toa izay manmpy gasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9726