Mba omeo ny anjarany ny tantsaha

1. xxx ( 05/03/2004 18:59)
Ho an'ireo mitonona ho mpiaro ny tontolo iainana.
Tsara sy miloko raha ny tatitra efa vita, tena mifanaraka tamin'ny vola lany. Saingy mbola mavo ary miha mavo ny ranon'i Ikopa.
Ny tantsaha tratry ny hanohanana. migadra raha mamono gidro mba atao sakafo. Ny fokonolona tsy mahazo maka hazo na mandalo anaty ny ala arovanareo. Nefa hatrizay tsy teo ianareo tsy nanahy.
Ianareo anefa nahazo vola tany an-dafy, be dia be. Dia misambotra ny gidro, bibilava, sahona ahondrana any an-dafy. Mila ho isan-taona lava izao.
Koa mba omeo ny anjarany ny tantsaha eh
novalian'i tsilan ny 20/04/2004 15:44
2. hendry ( 06/03/2004 20:04)
Inona daholo zany? zany marina ve ny zava-misy? Mila fandinihana.
Misy tsy mandeha ao na ao @ tantsaha na ao @ ireo lazainao fa "mpanondrana harem-pirenena".
Zay aloha tsy mahalala zay zava-misy marina ka tsy afaka hilaza ny hevitro, na zany aza mahaliana ilay loha-hevitra.
3. pitchou ( 06/03/2004 13:17)
asa aloha ry xxxxxxxxx (sarotra koa ny miresaka aminareo tsy sahy mitonona anarana itony nefa te-hitsikera!!!) ny any aminareo, fa ny fahafantarako azy, ny eny aminay (mipetraka ambanivohitra aho), dia tsy resaka gidro ny tontolo iainana arovana fa ny fihariana miainga @ zava-boary! ary teknika mikasika ny fomba tsara hitrandrahana ny zavaboary (tsy gidro kosa akory satria ny any aminay fadin-drazana ny mihinana gidro!) no natoro anay! ny ala arovana natoro anay ny fomba hampidiram-bola aminy! nefa tena ONG mpiaro ny tontolo iainana mihitsy izany miasa any izany!
4. xxx ( 06/03/2004 13:56)
Ireo ONG international sy goavana no tena manao io eh. Ny sasany moa dia hoe trandrao ny bozaka. Ny bozaka atao vodiahitra any am-pahitra aza efa tsy ampy. Koa inona indray. Ny ahy dia ny nataon'ny Green Mad tany Diego no tokony atao filamatra, fa tsy ny hoe arovy ny ala. Arovana amin'ny ahoana ary. Ny olona any amerika matoa misy ombimanga sy ireo karazam-biby hafa eny antanana dia satria izy efa voky. Mazava ho azy.
Raha harena voajanahary marina ireny, nahoana no tsy tokony ho trandrahana hitondra fampandrosoana fa atao hoe arovana? Ohatry ny hoe misy volamena ao an-tokotany dia arovana ao fotsiny fa tsy trandrahana, dia aiza ny fampandrosoana amin'izany?
5. fijo ( 12/03/2004 11:07)
ny fitrandrahana azy anie tsy ratsy e.fa mba tsinjovina koa ny hoavy sao ho lany tamingana ilay zavatra.
6. xxx ( 12/03/2004 13:59)
tokony zaraina mihintsy ny tombony azo avy amin'io tontolo iainana io eh. Aiza koa ny tantsaha no migadra nefa ry zalahy mividy kamio mandeha any maintirano.
Ny tantsaha tsy afaka manao tavy nefa ry zalahy mameno kibo ao amin'ny CORA. Tena tsy rariny kosa eh
7. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:37)
Ka inn moa no azo atao eo?
8. hendry ( 12/03/2004 11:41)
Misy fahamarinany kely kosa aloha ny lazain´i xxx e. Zava-nisy tany @ iny faritr´i Moramanga iny: mpanao saribao ny asan´ilay rangahy, mpikapa hazo any an´ala zany izy.
Marobe ireo olona "professionel" manao toy izany koa tsisy sahy miteny, nefa ilay rangahy io nigadra satria tratra nikapa hazo maromaro hatao saribao. Dia mety hiteny ny sasany hoe koa izy no tratra koa!
Amiko tsy izay ilay izy fa hoe: izy no tiana ho tratra, satria misy mpiambina ilay ala ary tokony ho hitany daholo zay mikapa eo, ilay rangahy nigadra io aza no tokony tsy ho tratra satria mandeha tongotra sy tokana, fa ilay profi mitondra camion no tokony ho re kokoa.
9. hendry ( 12/03/2004 11:44)
Dia toa izany koa tany @ faritra avaratra andrefana iny, misy mpanondrana gaigilahy ny sokatra sy tanalahy ary gidro-ntsika tsisy mpanohintohina, nefa ireo mpihaza
( ara-quantité tsy dia mankaiza oharina @ mpanondrana) gadraina sy saziana.
Ny ngeza ho ngeza foana zany. Tokony ampiharina mitovy kosa ilay lalàna fa tsy manao mizana mitongilana e!
10. fijo ( 31/03/2004 23:59)
ka lazao ary hoe iza io olona ngeza lazainao io.ary ny mpanao gazety ve tsy mahala an'izany no tsy manao ny asany?
11. hendry ( 08/04/2004 14:23)
lazaiko @ ahoana moa? tsy zaho no nahita azy maso fa ny mpiambina sy ny olona miasa @ ilay toerana zay mahita ny zava-
misy no mitantara saingy tsy te ho very fihinana koa ngamba ilay olona dia tsy sahy mibaradaka sa mety teritery koa ao tsy ahafahan´ilay mahalala ny zava-misy milaza ny marina.
12. fijo ( 08/04/2004 22:58)
avoaka gazety dia any indray no mahita ny tokony hatao e
13. kitjo ( 09/04/2004 15:01)
za aloha d mahalala olona mivelona manonao trafic resaka biby zy hazo io e
Olon atao @ fitondrana teo aloha fa zao no tsy haiko,
Misy nefa eny andalana misy gidro efa ho faty d alainao entina mody tsy avela

Fa ny tantsaha ko nge ry xxxx mafy loha nddray e, refa ampianarina oe zao no tokony atao, ohatra ny teknika fambolem-bary vaovao, d tsy mety hanaiky mitsy zareo fa oe znay no efa niainany k refa oh zay d aleo ho ataon ze tokony hanao azy iany
14. fijo ( 15/04/2004 23:45)
izay indrindra
15. tsilan ( 20/04/2004 15:44)
tsy ny tantsaha no mafy loha, fa alohan'ny hanovanao ny tranonao ohatra dia mba mila mandalina ianao. Na ianao milaza mahay ilay teknika vaovao io aza rehefa alefa eny an-tsaha tsy mahafehy ilay izy akory, satria tsy mitovy ny eny an-tsaha sy ny eo an-tokontany. Koa aiza ny tantsaha no hino anao.
Ianao miteny hoe aza alaina ny gidro nefa dia ianao ihany np hitan'ny tantsaha mitondra gidro mivoaka ny ala ho entina any an-dafy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1896