manao politika ve ny FFKM ?

1. camkz ( 03/03/2004 16:40)
Hatraiza no azon'ny fivavahana hidirana eo @ fiainana ara-piarahamonina ?
2. aly ( 03/03/2004 17:58)
Azony hidirana daholo satria saina no volavolaina amin'ny finoana. Fitaizana io ka izay tafiditra ao andoha no ampiasaina amin'y asa sy fiaraha-monina
3. jhouhlambout ( 03/03/2004 18:29)
Rehefa FIAINANA misy Olona dia idirany daholo
4. ikaretsaka ( 04/03/2004 20:00)
rehefa hitany fa misy zavatra mahaso anyzanak'andriamina dia hidirany daholo na sehatra inona na sehatra inona
5. six ( 04/03/2004 18:29)
ny fiaraha-monina dia misy fivavahana ary ny fivavahana ao anatin'ny fiaraha-monina, miditra foana izy raha misy irika na kely fotsiny aza, sitran'y ahay
6. librepenseur ( 04/03/2004 19:47)
Eo amin'ny sehatra siantifika sy sosialy ny FFKM dia efa azo lazaina ho borné satria voafatotry ny finoany ka tsy afaka ny hivelatra velively.

Eo amin'ny sehatra politika indray dia tadidio fa tsy nisy intsony ny fivavahana kristiana amin'izao fotoana izao raha tsy niaraka tamin'ny politika.
7. tia_ery ( 04/03/2004 11:23)
Sarotra be ny mamaly avy hatrany an'ilay resaka misary fanontaniana. Tsy izay dikan'ny araka ny ao amin'ny rakibolana no de ho tanisaina fa izay tena antom-pisian'ny FFKM.

Ny FFKM na Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara dia efa mifono sy maha laza hevitra goavana avy hatrany.

Ny hoe manao pôlitika ve ny FFKM sa ahoana dia azo tsoahina sy tarafina amin'ny alalan'izay heviny izay sahady. Io stratégie marketing no miasa. Lohahevitra anankiray azo hifampizarana eto io LE MARKETING DE L'EVANGILE fa ny azo ambara dia manana ny vocation sy ny mission anazy manokana ny Fiangonana ka raha tafita sy tontosa izany dia azo valiana tsara ny hoe manao pôlitika ve ny fiangonana sa tsia.

Ny an'ny sasany mantsy vao mampianatra ny olona hanana fitsipipi-tondra-tena ny fiangonana dia efa lazaina fa manao pôlitika. Resaka tsotra be fotsiny tsisy hidirana pôlitika dia lazaina fa manao pôlitika ny fiangonana. Ka eo no tiana hisarihana ny sain'ny maro hoe : Pôlitika inona aloha no tiana ho resahina sy hambara eh !!!

Ny resaka rehetra ange ka azo heverina ho pôlitika avokoa fa mba mila ethique sy déontologie vao antsoina amin'izany hoe resaka pôlitika izany eh !!!

Sôtra eh !!!
8. zahkovonona ( 04/03/2004 12:21)
Ny olona rehetra rehetra dia manao politika na iza izy na iza satria ny politika dia izay rehetra mapiasa eritreritra hanatrarana ny tanjona anankiray na antsoina amin\'ny tenibaiko hoe \"stratégie\" ka na io fanontaniana mipetraka io aza dia azo lazaina fa singan\'ny politika satria fomba ho enti-mahafantatra ny hevitry ny besinimaro mikasika ny FFKM eo amin\'ny sehatra politika eo anivon\'ny firenena. Ary ny fiangonana efa hatramin\'ny taona fahagola ela be no nifandray atmin\'ny politika ao amin\'ny firenena. Eny fa na hatrany amin\'ny vanimpotoanan\'i Farao Ramsesy faha-II dia efa nisy ny fifangaroan\'ny fitondrana fanjakana sy ny fivavahana raha tonga haka ny zanak\'Israely i Moizy na Mosesy. Ary aoka tsy hadinoina fa noho ny fiheveran\'ny fitondrana romana fa mitonon-tena ho mpanjakan\'ny Jiosy no nahatonga an\'i Kristy ho nohomboina tamin\'ny hazo fijaliana.Ary nanditra ny conquête arabe dia ny finoana silamo no fitaovana nentina nanjanaka firenena maromaro. Ka efa hatrany no minfangaro ny fitondrana firenena sy fiangonana ka sarotra ny milaza fa ny \"Etat\" sy ny\"Réligion\" dia samy maka toerana samihafa. Eny fa na ny tantaran\'ny fanjanahantany aza dia efa natao ho fomba entina hanjanahana izany hoe hakana fanjakana ny fampidirana ny finoana kristiana. Ary aoka ho fantatsika fa matoa ny fikambanan\'ny mpikaroka ara-tsiantifika eran-tany mbola manaja ny hevitry ny Vatican momba ny fikarohana avoakany dia azo lazaina fa manana ny lanja politika eo amin\'ny firenena ny Eglise na any amin\'ny firenena matanjaka sady efa tsy mivavaka firy intsony aza.Samy mitondra olona izy roa ireo fa ny tanjona no misy fahasamihafana kely, samy mikatsaka ny fanjakana fa ny iray eto antany ary ny iray kosa any andanitra. Izany hoe ny Fivavahana tompoko dia paramètre politika ary principe fotsiny ny resaka Etat Laïque fa aiza dia raisina ara-bakiteny toy ny ao anaty lalàm-panorenana fa manjary lasa marary fo sy marary an-doha fotsiny isika raha mitetika ny hampisaraka an\'io. Fa fanamarihana kely fotsiny ity dia hoe, raha miresaka politika na amin\'ny orinasa io na amin\'ny firenena na hoan\'ny tena(fianana) manokana aza, dia aoka hanana reflexe hijery tantara isika fa tsy afaka miresaka politika isika raha tsy mahafantatra tantara na alohan\'ny hanaovana stratégie na eo amin\'ny fiainantsika manokana aza na amin\'ny orinasa dia mila jery todika momba vita sy tsy vita vao manomana tetika. Ary io reflexe io indraindray adinontsika Malagasy hany ka ataon\'ny olona hoe mora manadino ny lasa ny Gasy ka manjary iverimberenan\'ny fitondrana iray izay efa nolavina teo aloha, izay azo lazaina fa fihetsika tsy matotra ara-politika..Io moa lay hoe... tsy aleo ihany ranona teo aloha..., izany hoe tsy mba manana fisainana hiroso fa vao misy sakana kely dia manenina sy te ihemotra....
Misaotra tompoko
9. camkz ( 10/03/2004 17:03)
m'saotra izay liana tamin'ny fanontaniana aloha eh ! hono ho aho isika ve matahotra an'izany hoe Andriamanitra izany? raha matahotra na koa hoe tena mino ny fisiany isika dia tsy tokony hanonompoana ny anarany na hampiasa AMPITAKA ny anarany mba HAMPITARANAFANJAKANA na hiarovana tsangankevitra iray manokan'ny tena , marina fa nisy zavatsoa netin'ny fivavahana teto fa toa ny intégrité nationale tsy tsapatsika akory aty aoriana sa ve adala ny razambentsika ? isika anie no efa nisy fandrosoana toy izao fa taminy mbola hafa ny fandehan'ny resaka eh! Ary raha ny mpitondra fanjakana iray no franc-maçon dia ahoana ? na hoe mpitondra fivavahana ? fa maninona no franc-maçon na rosucricien daholo ny mpitondra eto amintsika kanefa tohanan'ny FFKM ? afaka resahintsika io @ manaraka! ny marihiko dia izao tsisy rarahiako izay politika fa mampalahelo ahy ny olona nianatra sy niafy kanefa toy izao no zava-misy eto amitsika : cercle vicieux!!!!!!
10. fijo ( 12/03/2004 11:42)
manao politika ny FFKM.mety tsy ho politika politisianina fa manao izy.
11. ikaretsaka ( 13/03/2004 14:13)
ka tsy misy olona tsy manao politika izany na ny mpivarotra anana aza
12. jhouhlambout ( 14/03/2004 11:47)
zay no maha politika azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1616