il suffit de dire que:"il est écrit que..."

1. fijo ( 28/02/2004 10:20)
azafady indrindra aloha fa nataoko teny frantsay ilay loha hevitra.
ny tiako lazaina dia izao.amin'ny mpivavaka dia tsy mila fiheritreretana be,fa rehefa lazaina fotsiny hoe"izay no voasoratra dia ampy azy izay.amin'izao vaninandro izao ve dia mbola tokony ho izay no fisainana.
novalian'i fijo ny 19/05/2004 22:45
2. solofo ( 28/02/2004 11:07)
>fa rehefa lazaina fotsiny hoe"izay no voasoratra dia ampy azy izay .amin'izao vaninandro izao ve dia mbola tokony ho izay no fisainana. >Diniho TSARA mihitsy io fehezan-teny nosoratanao io fa mifono hevitra tsara, sady mety mikasika anao.
Rehefa zavatra misy label hoe "siansa" dia ekenao, na lainga sy angano aza no amidiny, dia tsy inona fa ny hoe evolution. Tsy mamakafaka akory ianao hoe tena siansa ve izany sa resabe? Efa niteny ny siansa, ary efa nolaviny ny evolution saingy mbola misandoka mitonfra ny marika hoe "siansa" ihany izy, izay dia ampy inoanao azy.
@ izay lafiny izay dia miombon-kevitra aminao aho @ ilay fehezanteny nosoratanao eo ambony io.
3. kally ( 28/02/2004 20:06)
Miteny Fijo hoe izay voasoratra ve dia ampy,ny Baiboly dia fanampim-panazavana fa ny finoana dia tsy azonao vakiana,tsy hoe satria aho namaky dia nino fa hoe satria aho nahatsapa dia nino ary namaky mba hahalala bebe kokoa.
4. hery ( 28/02/2004 09:24)
Izaho indray aloha mbola tsy niteny mihitsy hoe "Izay no voasoratra, noho izany, izay no arahana". Ny finoana dia tsy sciences exactes ôtran'ny siansa hoe zay no règle dia tsy misy fieritreretana intsony avy eo hoe ahoana na ahoana. Ny finoana dia expérience, ny finoana dia fiainana. Androany enao mifandray tsara amin'Andriamanitra, rahampitso enao mety misy zavatra tsy nety natao, dia mitady ilay fahendrena dia milamina indray ny saina etc... ny finoana dia Fitiavana. Ohatran'ny mitia olona iray manokana ihany saingy Andriamanitra ilay tiavina. Miteraka engagement sy responsabilité ôtran'ny mitia olona manokana izany. Misy ny fifanarahana (alliance ou testament) dia misy koa ny vokany.
5. donemaskit ( 28/02/2004 11:29)
ekena...
6. librepenseur ( 29/02/2004 20:59)
Marina ny anao ry fijo !

Izao mantsy no tsy fantatry ny kristiana:
- Ny siantifika mbola tsy nisy nitompo teny fantatra fa marina 100% tsy azo hiodivirana ny azy, noho izany mety hisy fahadisoana koa izy (SCIENCE MATERIELLE)
- Ny mpino kosa dia sahy manizingizina fa ny azy ihany no marina 100% na dia hita fa tsy mitombina aza manoloana toe-javatra iray kanefa aza ny azy tsy hita maso (SCIENCE SPIRITUELLE)

Mora ho an'ny "Mpino" ny mandiso ny hafa fa sarotra ho azy kosa ny hanamarina ny azy !
7. ikaretsaka ( 29/02/2004 15:01)
marina ny an'i libre penseur.. dai ny mety angamba dia samy mifanaja @ ny azy ..sa?
8. 2689 ( 29/02/2004 20:12)
Ny fitompoana teny fantatra @ resaka finoana dia manimba ny finoana, tsy \"foi\" intsony no anarany manomboka eo fa \"fanatisme\", ialan-tsiny ny teny baiko. Ireo olona milaza hoe izaho hiringiriny @ antokom-pinoana izao no tena tratran \'io tranga io. Ny fisian\' ny antokom-pinoana maro be, izay fivavahan-diso ny ankamaroany dia mety hahatonga ny olona tsy mpino iray ho malaina hiditra lalina amin\' ny resa-pivavahana, nefa ny lafy tsarany tsy azo hodian-tsy hita dia manosika antsika mpino izy mba handini-tena isan\' andro hoe tena tsara fototra ve izany finoako izany? Ny foto-pinoako ve dia tena tsara tokoa noho ireo finoana hafa (enjehiko) ireo, ary ny fitondran-tenako amin\' izao izaho milaza ho mpino izao ve tena mifanaraka tokoa amin\' izay tian\' Andriamanitra?
Raha fintinina izany dia tsy mety mihitsy ilay hoe izay voasoratra dia ekena fa marina.
Manaraka izany, ao @ ny Boky, dia misy hevitra mifanohitra maro. Oh: Tsy misy tsy resin\' ny finoana, dia hilaza ve ianao fa raha tena manam-pinoana Atoa Ravalomanana dia tsy tokony hampiasa Mpiambina akaiky? (Gardes du corps). Na rehefa marary dia tsy tokony ho any amin\' ny mpitsabo fa ny finoana ihany dia ampy hanasitrana, tahaka ireo olona maro nositranin\' ny Tompo? Kanefa io boky io ihany no milaza fa misy ny tokony hatao mba hiarovan-tena. Izaho tsy mahay toko sy andininy fa misy mitovitovy toy izao ao : Finoana no nanafenana an\' i Mosesy tao anaty sobika fony nikasa hamono ny lahikely rehetra teo @ Zanak\' Isiraely i Farao...
Raha mionona amin\' ny teny iray hianao dia handiso ny finoana mihitsy raha arak\' izany.
9. 2689 ( 29/02/2004 20:18)

10. librepenseur ( 01/03/2004 17:47)
ikaretsaka> Izay mihitsy no tokony ho izy, kanefa kosa ve raha hita izao fa tsy mety na mivoana @ tokony ho izy dia tsy tokony ho afaka hifanitsy ?
11. hendry ( 01/03/2004 12:50)
Matériel manampy @ fandalinana misimisy kokoa ny finoana anananao ny baiboly. Possible mihitsy hoe olona mpino nefa tsy namaky baiboly hatr@ zay niainana ary tsy mahalala zay rehetra voarakitra ao @ baiboly afatsy zay henony notoriana tany am-
piangonana (raha mankany am-piangonana izy). Betsaka koa ireo olona milaza ho mpino saingy tsy miditra am-piangonana sy tsy mamaky baiboly fa mino an´A/tra araky ny fomba tiany hinoana. Fehiny: tsy ny mpivavaka rehetra, ary mety tsy hisy akory aza, hilaza hoe zay no voasoratra dia zay no tsy maintsy inoako, fantany zay hinoany.
12. librepenseur ( 02/03/2004 18:41)
hendry>
Aza manao izany ianao fa tsy nataotao foana akory ilay fitenenana hoe "minomino foana". Io dia mitombina ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka.
Manarak'izany, raha hilazana lainga izany ny olona iray dia tokony tonga dia hino ? sa mba tokony hanaporofo sy hikaroka ihany ?
13. tambatra ( 02/03/2004 09:25)
La vie apres la mort,dia samya milaza ny azy.
14. hery ( 02/03/2004 10:17)
librepenseur>
Ka io fitadiavana hifanitsy io mihitsy no mahatonga ny mpino hanitsy ny tsy mpino.
Fa raha izaho aloha dia aleo samy amin'izao e... aleo ny tsy mpino hijanona amin'ny tsy finoany... ary aleo ny mpino hahita tsirony amin'ny finoany.

Amiko ny finoana dia tahaka ny sakafo ihany. Aleo izay noana no hihinana fa izay mbola tsy te hihinana tsy hoterena mihitsy. Mbola tsy noana izy matoa tsy mihinana. Tsy anjaran'ny mpitory teny mihitsy no manao hoe minoa ianareo (toa ny hoe mihinana ianareo)... ny azon'ny mpitory teny atao dia ny hoe "Izao no inoako" (tahaka ny hoe ity ny sakafo)... ka izay te hino no mino ary izay tsy te hino avelao eo fa aza terena.

Hihinana ihany izy rehefa tena noana...
15. fijo ( 03/03/2004 11:12)
hatramin'izay nahitako mpino dia mbola i HERY irery no mbola mba hitako fa nahay nanaja ny an'ny sasany.ny ahy mantsy dia io koa no tena fisainako.izay mino minoa,fa aza manaratsy ny hafa ary indrindra aza mitarika ny tsy mpino.manao tery vaimanta foana anefa ny mpino hitako,ka mba avy koa aho ka.i solofo izao ohatra dia mitompoteny be momba io finoany io.izay hitako fa diso be amiko anefa.amiko raha masina ny baiboly dia tokony hofaty izay manitsaka azy.tsy nitranga anefa izany.
16. librepenseur ( 03/03/2004 17:55)
hery> Ny marimarina kokoa dia mety hampalaina ka tsy hihinana mihitsy ireo tsy noana maro satria tsy misy maha-afapo azy ireo hanina ireo.
Raha efa hitanao izao ve ny faharatsian'ilay sakafo hanin'ny sasany dia mbola hihinana ianao ? sa tokony hiteny ny hafa ianao fa ratsy io satria tsy nety taminao ? sa tokony tsy hiteny ianao fa avelao izy hanandrana satria mety tsy mitovy ny kibo sy ny vavony ary ny toe-tena ?
17. six ( 03/03/2004 20:23)
tsy misy terena ny olona fa ze tiany ihany io,
ianao tsy handresy lahatra izay tsy mino hino, na mino tsy hino fa aleo izy wany
18. jhouhlambout ( 08/03/2004 18:13)
zé reviny io é!
19. fijo ( 12/03/2004 11:44)
izay
20. ikaretsaka ( 13/03/2004 14:12)
tsy misy force io fa ze noana no mihinana e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1855