tragédie

21. nananie ( 11/03/2004 18:13)
Fa tena nanao fampisehoana tao @ palais des sports hono ry zareo.Dia feno hiboka hono ! Ny billet aza namidy 35000fmg ary nisy mpivarotra teny an-tsisiny à 75000fmg, fa mbola nisy mpividy ihany!Ny mpianatr'i lyfr ao Tamatave hono betsaka no tonga.Fa ny olana, dia ny sonorisation.
22. fleur ( 11/03/2004 09:35)
Tena nlay ry reto le fampisehoana tao @palais a.Sady guichet fermé mintsy ny tao anatiny zany moa de hiboka tsy hifankahitana sady nisy sipa torana mintsy.Fa ry zareo tsy miavona zany no sady tena fier be i Tizy fa gasy de i Silky Shai koa mafinaritra be.
23. xxx ( 11/03/2004 11:42)
hihi... efa we milay wa
24. xxx ( 11/03/2004 15:52)
zay zany ka de mahafinaritra eh ! ho ! fa mitovy daholo anie ilay vazony e!
25. fijo ( 12/03/2004 10:51)
raha nahatsapa ny mpijery fa tsy niavona ry zareo ary,faly ny maha gasy azy dia tsara izay ka.fa aty france mantsy dia tsy milaza io maha gasy azy io mihintsy ry lerony,nefa ny olona malaza avy any afrika vao miresaka amin'ny TV na radio dia averiny matetika ny momba ny tany niaviany.
26. hendry ( 12/03/2004 10:45)
Normal be raha miseho ho fier @ maha-gasy azy izy any Dago satria raha any koa izy no hiseho hanava-tena tsy ho gasy dia ihomehezan´ny olona ary fomba isarihany ny mpijery daholo zany.
Tsy ataoko mahagaga koa nefa raha tsy sahy manindrahindra ny maha-
gasy azy izy rehefa ivelan´i Madagasikara satria tsy tokony ho hadinontsika fa tsy izy anie no chef be an´ilay groupe e! tsy ny gasy akory no be an´isa ao @ ilay groupe fa ny vahiny ka na te hanindrahindra ny maha-gasy ihany aza izy mety tsy afaka manoatra koa. Asa aloha e, tsy haintsika zay tena any an-tsainy fa dia miezaka manao fomba fijery "rationel" sika rehetra.
27. mijo ( 13/03/2004 12:15)
Tsy hitako izay nilana ilay spectacle tao @ palais de sport.Betsaka ny olona diso fanantenana ary vola nariana an-drano ny vola nomena an'i TRAGEDIE.Mba miseho hoe matianina nefa tsy hitak akory.Raha geste sy fiavonana dia ananany surtout i TIZY BONE.Tsy hitako izay maha BONNE azy.
28. xxx ( 13/03/2004 13:36)
aza atao an'zany kosa ry mijo a! matoa nande nijery de vonona anary vola zay,na tragédie na tsy tragédie,eny tsy nilay ono le izy nefa iny no mba vitan'ny gasy e! ary TIZY BONE ono efa manambady ?espagnole ono no vadiny deefa niteraka ko ono?
29. ikaretsaka ( 13/03/2004 13:40)
ka izay nymaha tragedie azy.. mikoty koa ny tragedie @ fanariambola
30. ds ( 14/03/2004 10:09)
Nijery rindrankira aho taty akaikinay (Palais des congrès - 2000 places) ka nahita artista malazalaza toa an-dry Barbara Hendricks, Helène Ségara, AbbA mania sns. Tsy nisy nahafeno io toeram-pampisehoana io.
Sendra nandalo tao ny Gasy, Ananias, mpihira gospel avy any La Réunion tsy misy mpahalala. Feno hiboka ny toerana ary noroahana fotsiny ny mpijery tamin'ny farany. Gasy ka manja e.
Io tarika Tragedie io tsy fantatro hoe gasy raha tsy ny zanako no nanoro ahy teo amin'ny TV. Isaky ny maheno na mamaky momba azy ireo aho, dia misy filazana foana fa manana fiaviana avy any Madagasikara izy roa lahy na dia lavitra aza ho an'i Silky Shai. Androany maraina tao amin'ny Hit machine (M6 TV), dia mbola nisy resaka momba azy ireo sy ny rindrankira nataony taty Dago.
Ao anatin'ny bokikely (booklet) misy ny rakikirany koa misy toy izao "A tous les Gasy. Gasy ka...". Noho izany inoako fa mirehareha amin'ny maha gasy azy io tary io saingy tsy miankina amin'izay akory ny talentany sy ny mampalaza azy. Koa tiavo ny antsika fa aza atao tahaka ny valalan'amboa...
31. xxx ( 17/03/2004 19:14)
marina ny an'i ds, zay vazaha miresaka amiko momba an'i tragedie samy mahalala daholo we gasy lay tary iny, porofo manindraindra ny maha gasy azy izy
32. fijo ( 19/03/2004 10:21)
raha izay no fahatsapan'ny olona azy dia tiako .ny hirany tsy tiako fa io indray resaka hafa.
33. xxx ( 20/03/2004 19:40)
Misy hiran'i Tragédie vitsivitsy hono ao amin'ny radio Vazo Gasy http://hira.serasera.org

Mazotoa
34. tiana1 ( 24/03/2004 18:46)
Naoviana naoviana tsy mpiavonavona izany i Thierry !!!! ... Matetika tsy miresaka fotsiny izy ! Ary be ny namany malagasy eto frantsa ! ... Ary mba nanaraka "interview" ihany aho fa mbola tsy nisy resaka navoakany afa tsy ny hoe "malagasy aho" raha momba ny fihaviany... Raha ilay hoe "nantais", dia efa izany no fomban'n'y frantsay ka atao ahoana ? ! Raha mipetraka ao Parisy elaela ny tena dia lazaina fa Pariziana ! Raha ao Lyon dia Bordelais ets... Fa raha i Thierry kosa dia faly ny maha malagasy azy... Raha tsy tianareo moa ny feony na ny hirany, resaka fitiavana indray io ka sarotra. Toy ny mpanakanto maro ihany izy : misy mpitia, misy tsy mpitia. Fantany tsara izany !
35. tiana1 ( 24/03/2004 18:58)
Fanitsina : :-))
Raha ao Lyon re dia Lyonnais e ! Raha ao Bordeaux no Bordelais ! ... Loza koa ity maika hamitakevitra ity !
36. voninkazokely ( 24/03/2004 14:45)
Mifona sy miala tsiny aminareo izay tsy tia , fa izaho dia tena TIA
37. six ( 26/03/2004 10:23)
mmmmmmm
38. ds ( 02/04/2004 21:34)
Avy nijery ilay sarimihetsika Ong-Bak, izay hivoaka eto Frantsa @ 7 avrily izao aho. Hiran-dry Tragédie no mandravaka ny famaranana azy
@ "version française". Somary mahery setra ilay sarimihetsika sao tafintohina...
39. lohalaharana ( 04/05/2004 11:49)
be resaka daholo fa fialonana fotsiny no betsaka ,,,, vao mba mahita gasy kely mba tafita de fiavonana no atao andany ????société moderne ..........
tsy fô jamban' ny sasany no tsy hampivoatra ny kolontsaina gasy eh , mba mievera tena
40. fijo ( 04/05/2004 23:13)
ilay tia sy tsy tia kosa aloha tsy hifanomezana tsiny iny e.fa ny fifandraisany ny mahagasy azy no tiako noresahana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5025