toetsain'ny gasy!

21. kally ( 03/03/2004 16:17)
Inona moa ny olana raha mankaty amintsika izy ka mampihodina ny toe-karena koa?
22. six ( 04/03/2004 19:15)
ie tsy misy olana fa tsika anie tsy tena mahay manararaotra e!
23. pitchou ( 06/03/2004 18:16)
misy olana ihany Kally a! satria lasa izy no manana ny fahefana rehetra, eny mety misy avelany ihany! ary tsy ny hampandroso an'i Madagasikara akory no tanjony fa ny azy aloha!
fa mandray ny tenin'i done aho: ny gasy angamba tsy mba otran-drizareo hoe ny tafita misintona ny tsy afaka hiakatra, fa ny mifanohitra @ zay: ny tsy afaka mamingana sy misintona izay mitady ho tafita!
24. isrine ( 12/03/2004 09:36)
indray2 aho manao hoe "tokony mbola zanahina in-1 mandeha i madagasikara", @ izay angamba vao tena hiova isika.
25. xxx ( 12/03/2004 14:53)
Za aloha tsy hitako ny olana amin'ny hoe vazaha mahantra mandeha mitady aty eh. Ohatran'ny gasy mandeha miasa any an-dafy ihany. Ny olona natao hitady. Fa aza manao alahelo ba fotsiny.
Maninona moa manao ladobon'asa aty an-dafy nefa raha eto an-toerana hoe asan'ny olona tsy nianatra ireny eh, tsy misy voninahitra eh.
Lay saina mihintsy no voa. Zao nefa nahita hoe ny kaomorianina sy ny karan sasany velona tamin'ny masikita, dia lasa manao tonon'akoho daholo ihany. Tsy hita eh.
26. kally ( 12/03/2004 14:55)
Tsy olana izany ry Pitchou fa ny toe-tsain'ny mpitondra no mila fanovàna mba tsy handray vola ambany latabatra intsony a!
jereo nahoana ny mpiasan'ny zone franche alikaina ohatry ny inona?Aiza ny lalàna?Matoa misy mahasahy manalika dia tsy voarara ny fanalikàna,izay tsy voarara dia azo atao,ka iza no diso,ny mpitondra tsy nandrara sa ny mampiasa vola nahita ny fahalemen'ny mpitondra?Rehefa tiana hiova ny toe-tsain'ny mpitondra dia anjarantsika vahoaka indray izay,isika no mitaky @ mpitondra hoe ovay itsy na tsy mety iroa fa tsy ny mpampiasa vola no roahina.
27. kitjo ( 13/03/2004 12:49)
resaka toetsaina no fototr'io e,
ny vahiny mampiasa vola aloha dia tombony lehibe @ fampandrosoana ny toekarena. Fa anjaran fanjakana ao antoerana ny mandray ny andraikiny mametraka lalana na an-kolaka aza satria ny 'privatisation" moa d oe tsy tokony hitsabaka ny fanjakana kanefa misy ny zavatra azo atao ankolaka afaka amehezana anzareo
28. kitjo ( 13/03/2004 12:53)
fa marina mits le oe ny vazaha mahantra avy any aminy no tonga mangoronkarena ao amintsika, satri atsika tompony tsy mahay mamehy ny fananatsika , tompony koa nefa maathotra ayz d izy ndray no mametraka lalana ho antsika.

Amiko aloha ny zvt ilaina dia ny fisian gasy nirotsaka an-tsehatra hifaninana @ vazah,hanara-maso, inddra manao "investissement" e.
Mairna fa sarotra kanefa mato amisy mahavita dia azo atao, "fa tsy adala ny vazaha mandeha mifandrombaka mankany mampiasa vola fa misy zavatra raofiny ao, fa raha hiandry eto foana dia efa ritrany ngamba vao ho taitra dol"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4109