fitiavana hafahafa

1. xxx ( 17/02/2004 11:22)
Ts!! misy olona tiako izay e! te hisaraka aminy aho nefa izy tiako, izy tsy haiko marina na tia ahy na tsia fa mbetika tia, mbetika manadino dia mijaly fotsiny aho ary lasa mitady harary fo mihitsy ka dia toroy hevitra re, efa mba niteny taminy ihany aho hoe ndao hisaraka fa tsy mety izy dia vao maika aho andehanany any an-tranonay, na téléphoner-ny ...sao dia ataony amponga miantona eo fotsiny aho hoy aho fa ny hevitra tena mahomby hisarahana aminy no tsy hitako hoe ahoana???
2. isrine ( 17/02/2004 14:09)
omeo aloha ny ps fa za tsy hamaly raha x enao!
3. fijo ( 18/02/2004 20:26)
marina ny an'i isrine.
4. lema ( 18/02/2004 11:30)
ka mety ato @ namana kosa angamba lé tary ,sa?zao ato mitadiava bandy afa fa aza manaiky ampijalian'ny olona na mampijaly tena zany,iharao fotsiny any alou zé titinao fa rehefa elaela dé mety ho masaka ihany
5. tequila ( 18/02/2004 12:13)
Rah zah aloha dia hiteny ndray aho hoe aza mampijaly tena fa enao aloha jerena , nefa moa raha tena tianao izy dia tsy hitako ndray , fa te hahita ny valin'ny sasany koa aho.
6. fijo ( 18/02/2004 16:36)
tsy hoe sao dia ataony aponga miantona ianao,fa efa ataony aponga miantona mihintsy.ka dia anjaranao no misaina
7. nala ( 18/02/2004 18:41)
Raha manana safidy hafa tena tiana dia mandeha ho azy fa ajanony ny tiatiana. Raha tsy manana safidy dia aza maimaika misaraka izany fa indraindray anie mihamamy sy mihamafana ny fiarahana e.
8. xxx ( 18/02/2004 11:20)
misaotra anareo rehetra namaly aloha, fa miala tsiny aho Isrine sy Fijo fa tsy afaka hanome ps anareo, tsy hanihany koa anefa ny resako fa tena marina.
Namerina niteny taminy indray aho androany hoe hisaraka aminy fa même réponse, même réaction foana izy. Ka ianareo koa anie tsy mba manoro hoe inona no fomba tena sûre fa hanaiky ny fisarahanay izy, efa nandramako par tous les moyens fa tsy mino izy sady tsy mety (lazaiko hoe efa misy miaraka amiko nefa lainga io) tsy mino izy asa!! efa fantany tokoa angamba ny toetrako fa tsy ahavita a'izany aho.
Leo be aho
Mba normale ve izany aminareo hoe tonga avy any andafy izy efa tonga une semaine izy vao fantatro hoe tonga, @ izay hitan'ny namako dia lazainy hoe aza miteny aty amiko dia mba rariny ve izany hoy ianareo? nandaigany date d'arrivée aho dia nino koa moa ny vendrana
9. ari.malala ( 18/02/2004 13:47)
Io dia décision avy aminao ihany, rehefa miteny ianao hoe aoka izay, na hisisika eo aza izy, inona no afaka ataony? rahjafe tonga izy ohatra dia mamorona dia ê! handeha hivoaka aho hoe na tsy misy tokony hivoahanao aza, na handeha hatory aho hoe, dia tena ataovy hitany hoe matory, fa aza mampijaly tena @ olona tsy tia izany! Tena marina fa tsy normale ny zavatra ataony fa izay atao. Ilazako zavatra ianao, nisy olona izay niaraka tamiko ary dia nisaraka moa izahay, fa nisy fotoana nisisika b mandefa mail, miantso mody mangataka renseignement... fa tena notsoriko taminy ny marina, leo aho hoa, ary ny courrier anao dia courrier indésirable ka tsy manana fotoana itadiavana ny mail anao any anaty poubelle aho. Nijanona ihany ny farany, ka avy aminao ihany re ny décision farany ê! reehfa tena leo ianao ambarao sy tsory aminy mazava ê! izay fa mehereza.
10. fijo ( 19/02/2004 20:51)
efa izany ve no anaovany anao dia mbola miaritra ihany ianao le.sao dia ianao kosa ary no tsy tehiala?
11. tequila ( 19/02/2004 18:34)
zao kosa ange ry fijo e , raha lasa drogue-ny lay olona dia na inona na inona misy maharitra an'izany foana . Fa na dia zany aza akia , mila mifoha injy a , rehefa lasa any an-dafy izy dia teneno hoe misaraka tsika , dia aza asiana contact tsony raha izay no hanampy anjy hanadino azy , fa harary fo eo njy raha zany no fiainana akia !
12. fijo ( 20/02/2004 09:50)
izay marina tsy te hiala aminy izany hianao ko.
13. ccool ( 20/02/2004 11:46)
tente une derniere chance,dit lui ke tu l'aimes vraiment,expliques lui les choses ke tu ne supportes pas chez lui,...attends un petit moment et puis tu verras sa reaction.S'il change,c'est un cool,s'il reste le meme,c'est un con
La meilleure chose a faire ds ce cas-la et d'essayer de l'oublier et continuer a vivre sa vie.
14. ari.malala ( 20/02/2004 13:00)
ka dia hiandry vasoka eo zany! efa voalazany anie fa efa zava-panaon'ilay bandy ilay izy ê! d izy vhv fôna zany no handefitra?! ra tsy oe tena tiany b anga, tsy mifaka a!
15. hendry ( 21/02/2004 15:08)
Efa andaingana miharihary be zao ve, efa nahita porofo @ tsy fitiavany, dia mbola inona ndray???
Na zany izy miteny @ namanao zany aza anie hoe aza miteniteny aminao ny momba azy. Efa tsy tiany ntsony enao zany, manelingelina azy ny fisianao; ialao lavitra fa enao fotsiny no harary fo eo, d´ailleurs enao efa milaza te hiala na dia tia azy aza. Lazao azy face à face hoe vita hatreo ny amintsika, aza asiana resaka téléphone sy mail fa manaova fotoana mihitsy nareo dia miresaha mivantana dia eo lazaina azy ny zava-misy, mahaiza fotsiny mijoro @ hevitrao fa tsy anaovany lango malefaka eo dia hilefitra ndray, vao maika enao hataony mahamahay raha zany. Appuyer-o @ ireny porofo misimisy efa hitanao sy renao reny ny fanapahan-kevitrao. Aza dia mijanona maharitra miaraka aminao koa nefa fa ataovy arak´zay fohy indrindra ny fihaonana, voalazanao zay tianao lazaina dia iny enao no lasa; raha miezaka manazava moa izy dia asakasakao ndray na hihaino na fanazavany eo na tsia, izy tsinona tsy maintsy hanamarin-tena sy hiezaka handresy lahatra anao raha mbola te hijanona koa. Dia mahereza e
16. xxx ( 23/02/2004 18:04)
tena misaotra betsaka anareo fa manampy tokoa ianareo @ hevitra. ny tena hitako hoe maha-compliqué an'ilay izy mantsy dia izao : lery an actionnaire ao @ fiasako dia mandalo tsindraindray ao, mbola nanamafy ny tokony hisarahany aho ary efa hiatakatahako izy nefa dia tsy tahotra tsy henatra fa mbola manarabo** foana lasa menatra ny mpiara-miasa amiko mihitsy aho.
Eny e! hanaovako lohana jiolahy angamba izy izay vao hipirina nefa tsy tiako raha ao ampiasana aho no ho korontaniny.Ouh!! c'est vraiment dur!!! Fijo ne soit pas si méchant avec moi
Merci et bisous à tous!!!
17. fijo ( 25/02/2004 11:10)
tsy masiaka aminao aho fa milaza ny zavatra misy araka izay voalazanao ihany.
18. xxx ( 25/02/2004 17:52)
Cool a! efa ni-essayer an'io lazainao io aho fa il est un con peut-être.
Ahoana ary ny fanadinoina azy e! izay indray angamba no azo atao discussion eto sy angalana hevitra.
Ataoko ahoana ny hanadinoina azy, izy mbola tiako saingy tsy tokony hiaraka intsony izahay, en plus izy hitako presque tous les jours sady misy asa izay tsy maintsy iarahanay?
19. voahary ( 25/02/2004 18:23)
Non, ny sainao sy ny tenanao mihitsy no mila sakananao tsy hirona aminy de mandeha io
mieteza mibaiko ny sianao sy ny tenanao ary ny fonanao fa tsy ireo indray no hibaiko anao
manao ny maximum nao possible enao dia lazao indray ny vokany e
20. ccool ( 25/02/2004 19:11)
ay1xxxxxx...ca va etre dur...tu sais je suis a peu pres dans la meme situation que toi,..et toutce que j'essaie de faire et de trouver un autre qui pourrais faire revivre mon coeur,....mais l'oublier tout de suite,je crois que c'est mission impossible et le fait que tu la vois presque tous les jours ne te facilitera la tache.le mieux que tu puisses faire et de sortir avec qq1 d 'autre mais pas n'importe qui...qq1 qui t'aime vraiment et que tu aime aussi,et tu verras que petit a petit tu l'oublieras,et il ne sera plus qu'un vague souvenir.....vas-y essaie et bonne chance et bon courage
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6977