mba mety ve raha zao???????

1. taratra ( 16/02/2004 18:29)
miarahaba asika.
tena mba maniry de maniry izahay ny fiverenan'ireny hira gasy reny.....ary maniry koa ny vovoarany.
mba mety ve raha mba asina 'clips' tena jereo evitra r'reto fa tena maniry de maniry an'reny mitsy izahay aty an.
de mba mety ko ve raha asina fandaharana 'tantara'
zay no mba atakay raha aty.
maniry koa izahay ny mba hijerena films gasy ato @ ty sehatra ity.
asa????
novalian'i ramoul ny 31/05/2004 21:43
2. hery ( 16/02/2004 19:35)
Tsara ilay hevitra fa somary sarotsarotra ihany. Voalohany indrindra dia tsy vitan'ny site gratuit tahaka ny serasera.org ny zavatra toa izany satria mila vola be.
Ny radio izay alefa eto amin'izao fotoana izao dia vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny namana eto tanteraka sy isaorana azy be dia be. Ho tafaverina amin'ity herinandro ity ihany ny radio fa efa natao teo ny fanandramana. Fa na izany aza dia mbola voafetra ho 10 ihany no afaka miara-mihaino azy noho io resaka ara-bola io ihany.
3. xxx ( 19/02/2004 19:50)
misaotra tami'le nverenan'le hira e
de manatena ny fahatsarana atrany ny tenanay ,ary de makasitra ke e
fa tsy misy zavatra tsara akotran'io hira hira io..mba angalana sorisory.
velome e
4. ramoul ( 31/05/2004 21:43)
hisaorako manokana eto ianareo mpiandraikitra ato amin' ny serasera satria tena mahavita zavatra betsaka tokoa ary mbola mikaroka hatrany ny amin'ny fanatsarana ny site tsika.
Hery raha misy hevitra ny fandefasana na dia clip fotsiny ary de mba andefaso fa tena malahelo ny any an-tanana izahay aty alavitra aty.
Dia mbola mamerina ny fisaorana hatrany hatrany ny tenako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5424