Inona ny tanjona?

21. donemaskit ( 14/02/2004 10:22)
fiadanam-panahy no dikan'zany vokatry ny finoana, sao afangaro @ fiadanana azo ety an-tany
22. fijo ( 17/02/2004 11:44)
ny ahy ry zareo dia izay ety aloha a,ny any tsy hitako ka tsy hisahiranako saina.
23. donemaskit ( 17/02/2004 14:54)
fa inona fotsiny aza ny antom-piainana e ? sa miaina fotsiny eny satria zay !
24. fijo ( 18/02/2004 10:48)
ny ety an tany no hiadivako mba ho tsara radone a,izay tsy hita any tsy hivakiako loha
25. ari.malala ( 20/02/2004 10:39)
fa iza ary no nanome aina an'i Fijo ê! ny fahasambarana azonao izao koa izany tsy isahirananao saina?anisan'ny sambatra ianao satria mbola miaina, afaka miasa na mianatra, afaka koa araka izany mifanerasera @ izao tontolo izao @ alalan'ny teknolojia avo lenta toy itony. Maro anie ny olona maniry hanana izay anananao nefa tsy hahazo izany na tsy nahazo ê! tsy hanao morale alo aho fa safidy io.
26. hendry ( 21/02/2004 16:56)
Tanjon´ny fivavahana ny hananan´ny olombelona miaina zavatra atahorana mba tsy ho lasa fanjakan´ny baroa fotsiny ny fiainana.
Dia rehefa mivavaka ilay olona dia ny tanjona voalohany ny hanarahana sy hankatoavana ary hiainana ilay fivavahana @ fitandremana ny didy isan-karazany mifehy ny fivavahana, mba hahatratrarana ilay tanjona ngezabe dia ny fiainana mandrakizay. Amen!
27. six ( 03/03/2004 20:40)
matoa manao zavatra iray dia misy tanjona foana eo, na ho an'ny mino na ho an'ny tsy mino
tsy misy mpivavaka tsy hahalala izay tanjony,
mety samy manana ny azy nefa
28. librepenseur ( 03/03/2004 09:48)
Ny tanjon'ny mpivavaka dia fiarovana ho azy ety an-tany, fiafarany rahatr'izay tsy ety intsony. Tsy midika velively izany fa avotra tahak'izany koa ny fanahiny (fiction)
29. hadasy ( 14/05/2004 12:07)
Ho ahy aloha matoa aho mivavaka dia fantatro fa tsy ho very maina izay fa hitondra ahy ho any an- danitra raha miala eto an-tany izay fandalovana ihany fa any an-danitra no ho mamdrakizay .Noho izany dia ezahiko ny hanao ny Sitrapon 'Andriamanitra mba tsy ho diso ny fanantenako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2831