Ny fanajana ny olona taloha.

1. nananie ( 06/02/2004 14:20)
Anisan'ny fahendren'ny malagasy ny fanajana ny olon-dehibe, indrindra fa ny beantitra.Ny mampalahelo anefa dia efa vitsy ny olona mitazona an'io.Raha mijery ny ankizy sasany (gasy) aty an-dafy ianao, dia hita fa manomboka tsy mahalala fomba, ny sasany zany moa tsy menatra akory ny mivazavaza sns...Satria ve hoe aty an-dafy dia manaraka ny fomba ratsin'ny zana-bazaha?Sa ve ny gasy amin'izao fotoana no tsy mahay mampita ny atao hoe "fahendrena" amin'ireo taranaka???
novalian'i booboo ny 23/05/2004 18:16
2. donemaskit ( 06/02/2004 15:51)
Tsy ny aty an-dafy ihany io Nananie fa ny any Dago koa (hompa reny fotsiny ohatra), zany hoe any betsaka ny havana ka menatra ny hampiseho ilay toetra.
3. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:26)
ny ompa reny dia toa saika ahitana azy amin'ny teny rehetra ko
4. donemaskit ( 07/02/2004 10:06)
fa eo koa ilay hoe tsy mahay mitaiza ny RaD, tsy tena hoe ilay ankizy no naka tahaka ny fomba fiainan'ny vahiny, fa ny Rad sasany no nanazatra azy t@zay.
5. hendry ( 09/02/2004 18:31)
Ny tsy fahampian´ny fotoana ifanabeazana eo @ rad sy ny ankizy no antony mahatonga an´io matetika, indrindra moa rehefa nahitahita fianarana mihoatra ny rad ny ankizy dia sahisahy manambany sy maniratsira. Koa raha ny ao antrano aza tsy ananana hena-maso, iza ndray no atahorana sy hohajaina?
6. fijo ( 11/02/2004 11:38)
marina izany radone.ny RaR no tena mahatonga izany rehetra izany.
7. donemaskit ( 14/02/2004 09:51)
rehefa miha-lehibe ve ny ankizy tsy hahita ihany fa tsy mety ny hataony ...
8. ikaretsaka ( 14/02/2004 17:53)
raha tsy atoro izy tsy hahita mihitsy
9. donemaskit ( 14/02/2004 10:20)
fianarana lehibe ny fiainana ka afaka manoro par elle-même, isan'andro misy lesona sy exercices vaovao foana...
10. fijo ( 17/02/2004 11:38)
tsy hoan'ny rehetra izay radone.mila ezaka hatrany amboalohany io.
11. samoina ( 17/02/2004 09:55)
tsy maintsy hatoro @ lalana tokony halehany ny ankizy, izany hoe ny RaD no manana adidy voalohany hitaiza azy araky ny tokony ho izy. Amin'ny maha ankizy azy tsy maintsy mandalo hadalàna maro izy saingy tsy mihoa-pefy loatra rehefa tsara taiza sy mifanakalo hevitra hatrany @ ireo mpitaiza azy izy. Raha tsy misy izany fifandraisana RaD sy zanaka izany dia hanao izay danin'ny kibony miaraka @ namana jomaka ao anaty sy ivelan'ny lakilasy izy + toetra ratsy hitany @ televisiona : gafigafy, faniratsiràna, tsy fanajàna,sns...
12. isrine ( 17/02/2004 13:52)
marina fa tokony hampianariina ny fomba malagasy ny taranaka, nefa ampiasain'ny ankizy teraka sy mipetraka ivelan'ny dago ahoana moa ny fomba malagasy, olona hafa be no miaina miaraka aminy ao anatin'ny fiarahamonina. raha hoe eo anivon'ny samy gasy de tsy mandà ny tenako. za aty @ misy ahy aty, ihomehezan'ny olona raha vao manao fihetsika izay mahazatra @ maha-gasy ahy, de hoy aho we, aleo zany entina manaraka ny fomabn'ny tany misy ny atao rehetra!
13. kally ( 17/02/2004 14:04)
Ka raha mihomehy izy dia mba ihomehezako koa rehefa manao ny fombany ry Isrine a! raha tsara ny zavatra ataonao tsy tokony ajanonao izany.Ianao izany isaky ny misy olona mihomehy amin'izay ataonao dia hiova fanao foana,ka raha tsy inona koa?
14. kally ( 17/02/2004 14:05)
Ka raha mihomehy izy dia mba ihomehezako koa rehefa manao ny fombany ry Isrine a! raha tsara ny zavatra ataonao tsy tokony ajanonao izany.Ianao izany isaky ny misy olona mihomehy amin'izay ataonao dia hiova fanao foana,ka raha tsy inona koa?
15. fijo ( 18/02/2004 09:53)
marina io voalazan'i kally io.sady izao e.izy miomehy iny anie,ka mandinika ihany koa hoe,fa ahoana indray izany fomba izany.ary ireto kay mba manana ny maha izy azy koa?izay reaction izay no ilaina,hisarika azy,isintéressé amin tsika.dia tohizo,fa efa tsara fiatomboka izany.
16. samoina ( 18/02/2004 20:39)
Isrine ) Raha hijanona @ lohahevitra fanajana olondehibe isika, ny ohatra iray"mampiomehy" ny olona vahiny dia isika manolotra seza ireo zokiolona, na tsy tapaky ny miarahaba mialoha azy ireo. Mankasitraka tokoa ireo hajaina saingy ny manodidina latsaky ny 50 taona no miomehy . Raha tena dinihina dia henatra sy fialonana no mahatonga izany.Mialona satria ianao tsy iray rà aminy no manome lesona azy ary menatra satria izy ireo mihevitra antsika ho sauvage kay no tena izy !!!.
Tohizo kinanjo ary tano sy tohizo ny maha-olonkendry antsika Malagasy fa tsy misy mahamenatra.
Ny ankizintsika no kolokolo dimbin'ny vary ka na mipetraka ivelan'i Dago aza izy tsy very ny mahagasy azy raha mbola ampahalalàna hatrany izany fomba amam-pahendrentsika izany ihany izy ireo. Mahereza !
17. fijo ( 19/02/2004 10:01)
marina tokoa izany voalaza eo ambony izany.
18. six ( 03/03/2004 16:49)
marina izany satria samy manana ny fiheverany io, io koa anie mba hoatr'ilay hoe galant aminy e, tsy hoe tsy galant ny gasy fa isika aza manatombo an'io ny fombantsika...
19. booboo ( 17/05/2004 11:58)
ekena
20. fijo ( 18/05/2004 21:41)
tohizo ary fa tsara e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1483