Toe-tsaina voazanaka

21. fijo ( 19/02/2004 10:01)
bey bey vazaha.
22. ikaretsaka ( 19/02/2004 11:13)
hay ianao . de haody ianao. kay heo HI NOW sy HOWDY nao .. faly ery nony tonga taty @ kofiboay aty fa mba hay ny teniny
23. donemaskit ( 19/02/2004 12:47)
mampimé lé Gasy mifanena eny an-dalana dia manao hoe "bonjour !"... mba tsy niavona aza.
24. fijo ( 20/02/2004 11:39)
io radone dia efa nanaovako resaka kely taman'olona tsy haiko akory.izaho mbananao hoe "ahoana e"ny valiny dia "bonjour"miaraka amin'ilay "r".dia hoy aho hoe mba hoe" manao ahoana kosa e"samy gasy.dia hoy izy hoe samy gasy fa samy aty andafy.
25. pitchou ( 20/02/2004 16:31)
lazaiko zavatra mampiomehy ianareo. T@ izaho nianatra tany izany dia nisy fotoana tsy maintsy hiakarako any Paris hanao taratasy ao @ ambasady. Satria ny tena provinciale dia mba nanontany ny ankizy monina tao Paris hoe ahoana! Fanaratsiana be ny ambasadintsika moa no azo. hatr@ ny hoe tsy mahay miteny frantsay fa mi-zesta, tsy mahasahy miteny gasy etsetra. Nanahy mafy ny tena ka dia nitéléfaonina mialoha. Nizesta be niteny farantsay.Dia nanontaniany ny anarana sy ny toerana misy. Dia nolazaina azy t@pahatsorana (fa tsy nanao ilay "r" frantsay kosa aloha izaho rehefa nanonona ny anarako e!) Dia hoy moramora ilay olona niteny gasy: aty @ ambasady ange ianao no miantso e! fa maninona no miteny frantsay? (menatra be aloha t@ zay fa soa fa tsy hitany hoe boramena). Nony tonga tao, ora fisakafoanana. Nazavaiko ny anton-diako. Hay hoy izy. Miangavy anao fotsiny aho raha tsy mahadiso ary raha toa ka tsy misy fotoana maika vonjenao fa hisakafo vetivety aho dia ataoko io zavatra io. eny ary hoy aho (ko hita fa ora fisakafoanana). Dia nandalo ilay mpiasa iray tsy haiko na iza dia nanontany ny anton-diako. dia nazavaina. dia hoy izy: ao tonga dia ataoko fa ianao ve de hiandry eo. dia nila natao sonia. niandry teo @ ilay varavarana iray, izay nikatona. sendra nisy olona nivoaka avy tao dia tazan'ilay olona tokony hanao sonia aho. dia nanontaniany raha izy no andrasako. Eny hoy aho fa mbola misy olona ao aminao. dia nanontaniany indray. dia hoy izy: hanao sonia ve no niandrasanao tao? izaho anefa tsy asa no ataoko fa mikapa resaka @ namana sendra mandalo? tsy naharitra aho nony farany fa nolazaiko azy ny zavatra reko. Tsy mahagaga hoy izy fa ny gasy eto Paris tsy tia manaja gasy, tsy tia miteny gasy na dia ato @ ambasady aza, ary mahavita manambany olona ka tsy misy antony tokony hanajan'ny hafa azy koa!
zavatra tena marina io lazaiko io fa miala tsiny @ namana izay monina ao Paris raha sendra mandratra azy!
26. isrine ( 23/02/2004 18:44)
ny fitenenana teny vazaha raha samy gasy ve no lazaina fa toetsaina voazanaka? tsia!
fiavonana ve raha samy gasy ve? efa toetra izay!
amiko ny olona manana toetsaina voazanaka de ny olona tsy mahasahy mijoro @ heviny, fa menatra, rehefa sendra vazaha! ny olona milaza fa tsara rehefa hoe vazaha ary ratsy rehefa hoe gasy. satria isika gasy mihevitra fa ny vazaha fotsy, lava orona , be vola, sns... ary ny gasy de ratsy, maloto, mahantra, peta-korona. Izay toetsaina izay no tokony hialana!
27. fijo ( 26/02/2004 10:35)
ilay fitenenana frantsay eo amin'ny samy gasy aloha dia efa hendriky ny toetsaina voazanaka.
28. samoina ( 26/02/2004 19:23)
Mbola maro @ ireo zokiolona , rehefa te hiteny izy hoe " teny frantsay" dia mbola ataony hoe " teny baiko" !! Amiko, mbola endrika iray mampiseho izany fa mbola latsa-paka ao an-tsaina ilay nanjanahana antsika malagasy. Tokony fongorina tanteraka io fitenenana io !
29. fijo ( 27/02/2004 20:37)
tena tsy tiako ary mankadilo ahy mihintsy io fomba fiteny iray io.tokony tsy ampiasaina intsony.
30. pitchou ( 28/02/2004 18:16)
isrine > mba adala koa izany gasy mihevitra fa ratsy izany ny ny peta-korona! ny ahy izao io oroko petaka io no tena nahavariana sy nahafatifaty ny vazaha tamiko ko! ny an-drizareo otran'ny vomanga be napetraka teo am-povoan'ny tarehy, ny ankamaroany aza nivilana fa tsy nahazo axe tsara!
ndray!!!
31. donemaskit ( 28/02/2004 11:27)
Pitchou ty mamimé mints! ohatrn'i Diopardiô ve ?!
32. six ( 03/03/2004 16:46)
ka le teny nibaikoana taloha no nahatonga an'le hoe teny baiko, tena marina fa tokony tsy ho izany mihintsy ny ilazana azy, tokony we teny vahiny, na asssa,
nefa raha vao mbola io alou no izy dia tonga amin'ilay we toe-tsaina voazanaka e
33. kitjo ( 13/03/2004 12:57)
ny zanatany frantsay aloha no tena tratran'io matetika ary hita mivantana mitsy
34. ikaretsaka ( 15/03/2004 13:13)
miezaha ny taranaka ho avy mba tsy hanao an'io intsony e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0914