Fivarotan-tena

1. eritreritra ( 31/01/2004 09:25)
Inona no mahatonga ny vehivavy Malagasy mivaro-tena ?
novalian'i pitchou ny 28/06/2004 05:33
2. eritreritra ( 31/01/2004 09:28)
Ny tiako ho lazaina dia izao: matetika ny tranga miseho, dia nohon'ny fahasahiranana no mahatonga ny vehivavy mandeha mivaro-tena.
Misy kosa anefa ireo izay tsy sahirana ara-pivelomana, nefa dia manao izany koa ...mba inona re ny antony e ?
3. hery ( 01/02/2004 10:20)
Lasa addiction ilay izy. Izany hoe manjary filana tahaka ny toaka sy ny drogue. Misy aloha ny miteny an'io, hoe tena ilainy fotsiny tsotra izao ilay mivoaka alina kanefa rehefa mivoaka dia tsy hita indray izay tena hatao.
4. donemaskit ( 01/02/2004 09:55)
tsy ampy fialam-boly izy e.
5. ikaretsaka ( 02/02/2004 11:56)
say manan any tiany io... fa filana daholo ny antony... filana ara bola, filana ara-nofo, filana ara-tsaina...
6. ravatorano ( 02/02/2004 19:12)
ny tena antony voalohany aloha araky ny ankety nivoaka vao tsy ela akoriny izay dia tsy fisiam-bola no mahatonga ny fivarotan-tena.
resabola no mibahana amin'io izany !
7. eritreritra ( 02/02/2004 14:36)
Eny e !
Ilay resaka fitadiavana tsy asiako resaka, fa ilay hoe na manana aza dia manao koa!
Ny olona rehetra samy manana ny filàny daholo!
Fa nahoana kosa no handeha atakalo vola izany?
Dia izay rehetra mitady ve dia omena!
8. xxx ( 04/02/2004 12:36)
Mahafantatra olona mivaron-tena aho, ary @ sokajin´ilay tenen´i eritreritra hoe manam-bola nefa mivarotra. Ny antony hoy izy dia ny fitiavana manandrana ny zavatra mbola tsy hita. Manambady izy, gasy ny vadiny, ka mba te hanandrana ny vahiny ndray hono izy e. Samy manana ny reviny marina io
9. psykatr ( 06/02/2004 19:39)
Misy koa ny vehivavy: déçue en Amour na tsy té ho déçue ka aleony mameno ny banga eo @ fiainany @ fanaovana io zvtr io.
10. pitchou ( 07/02/2004 09:24)
tsy haiko aloha fa t@ izahay mbola mpianatra tany @ lycée dia nisy tovovavy iray izay mbola mpianatra izy saingy efa ampy taona, nanao trottoir. fantatry ny mpampianatra io zavatra io ary sahirana ny mpampianatra satria ankizy nahay tokoa ity tovovavy. nony nanontaniana hono izy hoe fa dia nahoana re, dia tsotra ny azy ny valiny: fanalana andro toy ny rehetra io alors pourquoi pas? ny sasany mandeha milomano ny sasany manao baolina ny sasany manao beloty ny sasany mamonjy boaty ny sasany misotro toaka ny sasany mifoka rongony ny azy io no mahafinaritra azy atao!
11. psykatr ( 11/02/2004 20:07)
Dia mba izay zany ny maha-mety azy kou!
12. ds ( 13/02/2004 10:13)
Mpivaro-tena kanefa hoe tsy ny varotra no tanjona. Hafahafa indray izany.
Raha mitady zavatra hafa ankoatra ny vola ilay mpivaro-tena, dia ny mividy angamba no tokony hataony
satria eo amin'ny lalanan'ny varotra, dia ny mpanjifa no misafidy. Raha tsy hoe bOjo (tsy andoavam-bola)...
13. fijo ( 13/02/2004 16:37)
mety izay marina ny azy no mba tena fialam boliny ko.
14. donemaskit ( 13/02/2004 17:48)
ny ankamaroan'zareo reny ve dia faly @ ataony ?
15. pitchou ( 16/02/2004 14:22)
ds> io ange otran'ny miloka ihany e! tsy voatery ilay vola be mety ho azo no hilokana na ny handany ilay vola kely tavela tany am-paosy fa lalao fotsiny izao!
done> mba anontanio r'ise d mba lazao ny valiny ny namana a! sarotra be manko raha vehivavy no hanontany azy!
16. donemaskit ( 16/02/2004 16:15)
aty Frantsa nga misy vehivavy Gasy mivaro-tena koa lé ?
17. isrine ( 17/02/2004 13:44)
mety ho tsy fananana no nahatonga ny vehivavy hivaro-tena, ary hitany fa mora mahazo vola izy de sarotra ho azy ny hijanona na fantany fa tsy mety aza.
aty aminay misy gasy mivaro-tena ry zareo an!
18. pitchou ( 17/02/2004 16:17)
izany ve tsy mahamenatra be ry isrine?
19. fijo ( 18/02/2004 09:42)
misy any avignon sy paris.izay any an kafa tsy haiko.
20. eritreritra ( 18/02/2004 17:21)
Za zao manana namana vazaha maromaro ao frantsa, de rehefa miresaka ny gasy any dia matetika miafara @ hoe , ny gasy lo kool e (ry zareo no milaza io an...), fa manin hozy no betsaka ny mivarotena , surtout any @ zany boite tsy tononiko zay ....(sao lasa manao pub !!) ! De mba menatra ihany ny tena we, fanga v d malaza b zany any e ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1896