Toa mangina mpanohitra tato ho ato

1. ravatorano ( 30/01/2004 10:54)
Vita ny fanovana ny gvt teto dia niaka peo ny mpanohitra toan'dry Faharo,Voninahitsy sy ry Mara Niarisy.
Izao nitotongana be ny vola malagasy mba inn no nolazain'izy ireo ?????Sa tsy arany tsara ny atony sy ny fandehany ? Enga anie mba tsy ho izany !
Raha mbola misy ihany mpanohotra eto dia inn no tena asany sy zava bitany ho an'ny politika ankapobeny izay va ho an'ny firenena.Mpanohitra lanin'ny mpbomba an-dRa8 no eto.Mitabataba fotsiny fa tsihitako zé eo.Mpanohitra kely fofonaina no misy eto amitsika satria vitsy anisa no sady tsy mahavita mitaoana vahoaka akory na dia any amin'ny toerana izay voalaza fa "niaviany" aza.Mpanohitra tsy ba afaka manome sy manolotra heitra ho an'ny mpitondra.Ny eny amin'ny Antenimiera iany dia voan'ny contre proposition dé zay.Rahoviana indray ?
Raha eny amin'ny sénat indray dia eny angamba no mety hahahovoka ny mpanohitra toa an-dry Vaovao Benjamin avy ao amin'ny Arema satria maro an'isa ihany ry zareo ao kanefa hatramin'izao dé ny valan-dresaka no betsaka.
Aminao inn no tena mba asan'ny mpanohitra eto madagasikara ?
novalian'i fijo ny 18/02/2004 11:14
2. 2689 ( 01/02/2004 10:04)
Raha ny fahitako azy dia ny filoha Ravalomanana indray izao no olan' i Madagasikara. Matanjaka ara-politika loatra ilehiry ka tsy hita hatao ahoana. Ny mpanao politika rehetra samy mahalala fa raha miongana io Filoha io (toa ny natao an' i Zafy), ka asiana fifidianana avy eo, dia azo antoka ny hahalaniany any amin' ny salanisa maherin' ny 75% any. Dia hanova lalam-panorenana izy dia hangataka ny ho azo hofidiana in-jato dia ho ny teo ihany no hiverina. Tsy manan-aina hanao na inona na inona ny mpanohitra. Izay mitabataba moa, toa mitabataba fotsiny fa tsy ren' ny vahoaka izay lazainy. Sady vao mainka halam-bahoaka fotsiny fa tondroina ho fahavalon' ny fandrosoana haingana sy maharitra. Raha ny fahitako azy dia samy miandry kendry tohana fotsiny izao no paikady : avela aloha ny mpitondra hitondra malalaka dia andrasana izay tena hanaovany hadalàna be. Dia izay vao hanenjika sy hitady seza.
3. kally ( 01/02/2004 17:08)
Matoa tsy mahazo olona ny mpanohitra dia tsy mahay mandresy lahatra sy manaporofo ny fanoherany.Ka aleo ho eo.
4. fijo ( 18/02/2004 11:14)
tsy misy mpanohatra any,fa mpitady seza no misy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083