hira gasy

21. pitchou ( 02/02/2004 20:42)
tsy mahita rirany mihitsy @ lafiny teknika ny fandraisam-peo aho, nefa mba te-hanao soso-kevitra! tsy mety v raha atao otran'ireny fanaovana clip ireny? alaina feo any @ studio aloha, de alaina sary rehefa tena misy lanonana eny an-kalamanjana ireny d atao mixage?
22. samoina ( 02/02/2004 12:11)
Ireo hetaheta sy soso-kevitra napetraky ny namana rehetra ireo dia heveriko fa mba tsara raha mba hampahafantarana mpiandraikitry ny tarika mpihira gasy iray mba ahafahantsika mamantatra izay mba valintenin'izy ireo.
Ny namana Naritsimba izay mahita azy ireo tsy tapaka angamba mba azo indramina hampita ity dinika ity.Dia mba miandry valiny tsy ho ela izahay.
23. fijo ( 03/02/2004 10:55)
naritsimba>marina fa tsy mahay hira gasy ny eto,koa adidinao izay mahalala no mampianatra anay tsy hitenitenenanay foana amin'ny manaraka.
24. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:18)
Pitchou
Efa saika hanao an'io mihitsy ny tenanay... fa io ambony io ny antony -(ilay hoe vao mahita micro dia misandrahaka , mila mivoaka isaky ny 5 minitra handrora paraky)
-(Raha vao tsy ilay miosom-bovoka dia lazain'ny sasany hoe tsy ilay hira gasy tena izy hono)
25. ikaretsaka ( 03/02/2004 11:18)
Pitchou
Efa saika hanao an'io mihitsy ny tenanay... fa io ambony io ny antony -(ilay hoe vao mahita micro dia misandrahaka , mila mivoaka isaky ny 5 minitra handrora paraky)
-(Raha vao tsy ilay miosom-bovoka dia lazain'ny sasany hoe tsy ilay hira gasy tena izy hono)
26. naritsimba ( 03/02/2004 09:30)
Salama daholo eh
Ny momba ny hoe matahotra micro ny mpihira gasy na koa hoe misandrahaka dia izao :
1° Tsy tahotra no misy fa na iza na iza mpihira gasy dia mila mihetsika ny tanana, midola ny loha ary tena ilaina ny hajejoana mba hivoahan’ilay maha hira gasy ny hira gasy.Fa tsy tahaka ny chorale akory ka mijoro fotsiny.
Hira gasy = Kabary, dihy, hira, miampy ireo zava-maneno(aponga, langoraony, sns)
2° Raha misy aminareo manana studio fandraisam-peo dia afaka manoratra amiko fa tena mitady izahay fiaraha-miasa.Manana fikasana ny hamoaka clip mantsy izahay @ ity taona ity.
Ny sary nalainay efa misy eo@ K7 video 12 no efa feno, miampy ny camera izay efa nisy namana nanampy maimaim-poana fa ny feo sisa.
3° Ny zavatra mahavariana ahy izao dia hoe: Toa isika vitsikely ireo no tena liana @ ity resaka hira gasy ity fa ny namana hafa ve dia tsy mba liana@ izany.
Amin’izao fotoana izao izahy dia manana ankizy mpianatry ny Lycée français 4 mianatra ny momba ny hira gasy ary efa manomboka mihira izy ireo satria hanao Exposé @ ity volana ity rizareo.
Dia misaotra antsika namana rehetra eh !
27. jhouhlambout ( 03/02/2004 14:27)
mazotoa!
28. fijo ( 04/02/2004 09:05)
io zavatra ataon'dry naritsimba io izao dia tokony tohanana,raha misy hafaka manao.satria avy amin'ny toa izao anie no mampivelatra an'ilay izy e.
29. ikaretsaka ( 04/02/2004 10:44)
nartintsimba.. ka lasa truque @ ilay tsy hitiavan' ise azy anie ilay hira gasy raha vao asiana ankandeha studio sy clip e.. satria tsy maintsy atao studio aloha ilay feo.. nefa io ambony io ny antony tsy mahampety azy... Ilay cjip sy ny resaka sary aloha tsy maninona ... fa ilay manao montage azy no tantara kely
30. ikaretsaka ( 04/02/2004 10:46)
nartintsimba.. ka lasa truque @ ilay tsy hitiavan' ise azy anie ilay hira gasy raha vao asiana ankandeha studio sy clip e.. satria tsy maintsy atao studio aloha ilay feo.. nefa io ambony io ny antony tsy mahampety azy... Ilay cjip sy ny resaka sary aloha tsy maninona ... fa ilay manao montage azy no tantara kely
31. naritsimba ( 04/02/2004 16:46)
Salama daholo ve ô !
Misy fahamarinany ny an’ise ry Ikaretsaka satria ny fitambaran’ny fihetsika sy ny tonony no tena maha hira gasy azy ; saingy izany akory tsy manakana ny fanaovana clip sy ny fandraisam-peo tsy ho azo atao.Ny clip mantsy tokony hiova isaky ny 3’’ ny sary (prô io an !) kanefa ny hira gasy dia sady lava no be fihetsehana. Ilaina izany ny fahaizana « trucage » voalohany indrindra, ny mpaka ny sary koa raha azo atao dia olona sady mahay ny tonony no sady mahay ny fihetsika( mpikambana raha mety) mba tsy hisian’ny fanamarihan’ny mpijery(TV) na ny mpihaino(Radio) hoe ratsy ny montage sy ny trucage.
Noho izany dia tsy misy olana mihitsy ny fandehanana any @ studio. Tadidio fa ny mpihira gasy ange ka manana ny feony izay tsy mba hain’ny olonkafa na ny mpihira tsotra ny manao azy eh! Nefa ny mpihira gasy mahay maka tahaka ny feon’olonkafa(manana ny fitaizam-peony manokana ny mpihira gasy”naturel”) ary ny mpihira gasy @ izay fananany feo manokana izay dia isan’andro no fanaovana famerenana na fianarana hira vaovao(isan-kariva)
@ ilay takariva mahatsara vahiny na eo amorom-patana(any ambanivohitra no mipetraka ny 90 isan-jato @ mpihira gasy) fa tsy mba isan-kerinandro na hoe isaky ny misy maka hanao fampisehoana vao hanao femerenana(repetition).
Tiako koa ny manamarika fa ny Clip dia natao hahafinaritra ny maso fotsiny fa raha tena te-hahita ilay mpihira dia tsy misy tsara ohatry ny mijery azy eny an-tsehatra(mpihira rehetra fa tsy ny hira gasy ihany akory).
Koa raha tiantsika ny hisondrotan’ny hira gasy dia mazotoa mijery azy eny ankalamanjana na eny an-tsehatra fa sady fanohanana azy izany no mariky ny fitiavantsika ny hira gasy ihany koa.
Matetika mantsy dia tsy andoavam-bola ny hira gasy fa maimaim-poana, raha misy vidim-pidirana aza dia tsy mihoatra ny 5 000 fmg.
Mazotota indray ary eh!
32. fijo ( 05/02/2004 16:14)
marina fa eny an tsehatra no tena tsara hijerevana azy.fa mba hisarihana ny olona aloha dia ny clip no mety.
ary eo amin'ny resaka vola,mila mitady hevitra koa,mba ahazahoana vola,fa tsy maimaim poana foana isaky ny manao hatsika.
ny Etat koa dia tokony manana ny anjarany amin'io fampandrosoana ny hira gasy io.
maninona raha asiana ,fifaninanana hira gasy amin'ny tele isaky ny 6 volana hoatra?
33. pitchou ( 06/02/2004 12:43)
dia mbola hanao resaky ny tsy mahay raha ihany aho! sos-kevitra hafa ity! @ izao fotoana izao misy irony micro cravate irony, tsy misy fil dia tsy mety ve raha ireny no hakany ny feo dia afaka mihetsika ophatry ny miantsehatra ihany ny mpihira gasy? mitovitovy @ fangalana feo @ live ireny e! ny avantga manko d ny feon'ny mpihira no mi-domine @ enregistrement fa tsy ny feon'ny manodidina !
34. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:35)
raha hafafisina fotsiny ny feo (sono) dia tsara dia tsara tokoa ny micro cravatte, fa raha hoe horaisina ilay feo (recording) dia tsy atokisana loatra. Izany ny mahatonga ny studio tsy fia mampiasa an'io loatra
35. xxx ( 19/03/2004 15:21)
Mahafinaritra raha toa anareo daholo ny olona. saingy tsy izay, fa misy ny sahy milaza fa ny hira gasy sy ny ringoby dia sahala. Tsy natao ho an'ny ambony toerana.
36. naritsimba ( 22/03/2004 19:21)
Marina ny voalazanao io ry xxxxx fa saingy izao ireo izay mihevitra ny tenany tsy ho Malagasy no manana izany toe-tsaina izany. Koa dia samia isika mandinika fa izaho dia Malagasy fa tsy ho vazaha na oviana na oviana.
Mazotoa daholo ary eh!
37. ikaretsaka ( 22/03/2004 17:25)
ary azo atao ve ny mi modernize an'ireny zavatra ireny e.. ohatra hoe hira gasy fa arahana amin'ny gitara basse sy apongamarolahatra ohatra sia piano sy vata maro afitsoka isankarazany.. sa lasa tsy ilay tena izy raha tsy ilay aponga gasy sy lokanga sy trompetra?
Ny country americanina manko izoa mampiditra fitaovana vaovao nefa fantatra foana hoe ba-kira country izany mandeha izany
38. naritsimba ( 23/03/2004 17:36)
Azo atao izany, izahay manao rehefa tena tsy afaka ny mpitendry taralilanay dia ataonay @ synthetiseur, fa hafa ihany ny original eh! Ny fanavaozana ange tsy ratsy eh! fa ny fahaizana mitazona ilay maha-izy azy no tena tsara.
mazotoa daholo indray ary eh!
Raha misy vonona ny hanampy dia vonona foana izahay ny handray soso-kevitra sy fanankianana raha mahasoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.199