"Tend lui l'autre joue....."

1. jhouhlambout ( 26/01/2004 20:52)
Mila arahina ara-bakiteny ve izany?
Ilaina ve ny fifandeferana?
novalian'i fijo ny 03/02/2004 10:41
2. pitchoune ( 26/01/2004 11:11)
Ilaina ny fifandeferan satria izany no ahafahana miara belona sy miara miaina fa na izany aza mba tsinjovina ihanay izay tsy hahafaty ny tenanao
3. donemaskit ( 26/01/2004 13:23)
miombon-kevitra tanteraka @ Pitchoune...
4. jhouhlambout ( 26/01/2004 14:04)
Raha misy mamelaka @ takolaka avia izany ianareo dia asaina felahiny koa ny ilany? Saaa....
5. donemaskit ( 26/01/2004 15:45)
Raha misy olona "mamelaka" anao in1 ka tsy namaly azy enao ; tsy hamelaka anao fan2 zany izy.

Ny dikan'izany aleo izy hanohy ny ratsy ataony eo, hatsiaro tena foana izy avy eo hoe tsy mety ny ataony dia tsy manao intsony. Ary izay no tanjona rehefa mandefitra : mba hiova ilay olona.
6. ikaretsaka ( 27/01/2004 09:34)
ary raha misy manoroka indray ny takolakao havia?
7. ikaretsaka ( 27/01/2004 09:35)
ary raha misy manoroka indray ny takolakao havia?
8. pitchoune ( 27/01/2004 18:29)
o ry ikaretsaka a! raha mbola takolaka no misy manoroka, amiko mari pifankatiavana madio izany, d mbola omeko azy koa ny ilany amin izay fitiavana madio x 2
9. ravatorano ( 27/01/2004 19:19)
marina ny lazainareo eo ambony eo.Ny fandeferana dia toetra tsara anana'ny olombelona fa tsy hainy ny mampiasa anazy.
ny fiainana tsisy fandeferana izany dia gidraka lava zao.
zà raha misy mamelaka anah amin'ny havia ka mbola mamelaka iany izy amin'ny havanana dé miady
tsy handefitra lava eo kosany zà kah ! raha misy manoroka indray zavatra hafa mari pitiavna sy fihavanana ireny (tsara sy soa ) .
10. fijo ( 28/01/2004 10:39)
ny anay ny mba nianarana taloha dia izao:"raha te hamelaka ny takolakao havia izy,dia ataovy tonga eny aminy ny totohondrinao havia sy havanana"
11. jhouhlambout ( 30/01/2004 11:54)
Izany no fandeferana?
12. lemurkata ( 31/01/2004 19:57)
Aza adino ny soratra masina dia iray ihany hatrany am-boalohany ka hatramin'ny farany. Ny tiako hambara dia izao : mila ampitahaina amin'izay voalaza rehetra ao amin'ny Baiboly io teny io raha tiantsika ny handalina azy.
Amiko, mila ampifandraisana amin'nilay voalaza hoe raha misy namana tezitra aminao dia mifandamina aloha ianao aminy alohan'ny hanatonanao an'Andriamanitra (famintinana tsotsotra io fa tsy manana Baiboly aho eto izao hakana ilay andininy misy io teny io). Ny tiany holazaina izany dia hoe : raha misy olona tsy faly aminao ka mamelaka tehamaina anao dia avelao izy hanoy RAHA IZAY NO MAHAFAKA NY HATEZERANY.
13. fijo ( 03/02/2004 10:41)
ary raha izaho no mba mamely azy hanalako ny hatezerako?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0995