site MATOTRA....

1. besoiiin ( 23/01/2004 19:07)
nanokatra ity hevitra ity aho fa resy lahatra fa matotra ilay site! vao niditra vao aingana mantsy aho kanefa dia voatsoaka tsy ho namana vao 2 andro monja! tsy voavakiko ilay fitsipika ka miala tsiny ra-Hery a! niréinscrire aho ary tsy nanova login ka mbola nahazo alalana ihany! deraina manokana ny site noho izay fahaiza-mandrindra izay. Zatra niditra t@ forum-na site malaza maro aho mantsy ka mba nampiditra hevitra somary masira teto @ity forum ity! tsy nifanaraka tamin\'ny fisainan\'ny olona sasany sy ny fitsipika mifehy anefa izany ; mety tsy mifanaraka @ soatohavina malagasy ihany koa angamba! ( na dia zava-misy tsy azo hialana @ fiainana andavan\'andron\'ny olona aza) ka io no antony lehibe indrindra nahavoaroaka ahy teto! ny sosokevitra kely tiako hatsipy ra-Hery dia tsotra! efa somary misokatra sy mivelatra ihany ny malagasy ankehitriny ary mino aho fa tsy vitsy mba tsy hilazako hoe maro ny olona mba mankafy ny hevitra somary mivantana sy mampiseho ilay nokobonina sy afenimpenina ao ampo ao! miandry ny mpanentana sy izay sahy mitolo-tena ho sorona hamaky lay fotsiny ny ankamaroan\'ny olona dia lasa amin\'izay samy mamoaka ny ao ampony rehetra! ny tena marina koa dia tena mbola sadaikatra tanterana ny ankamaroan\'ny gasy mampiasa ny teniny mivantana sy ny momba ny resaka \"sexe\" ohatra fotsiny no homeko! sadaikatra ny gasy ny mampiasa ny teny hoe VODY raha ny olona no resahina! aleony aholaka hoe FITOMBENANA ! kanefa nahoana no tsy miahotra akory milaza hoe VODIntsobiky ohatra? kanefa dia samy teny gasy iringiriny izao ireo? lavabe raha hitarina io fa ny mety angamba dia hanokafako lohahevitra iray eto @ forum ny momba io fomba fiteny io ka samy milaza izay heviny eo ny olona rehetra! ny mba SOSOKEVITRA kely hentiko manoloana ity forum ity dia tsotra raha mba azo atao! aleo mba havela hisokatra ny hevitra somary mivantambatana sy mahasaky milaza ny tena marina ! na koa ireo momba ny sexe! fa kosa eo amin\'ny voambolana ampiasaina no ezahana folahana ! izany hoe izao : sivanina ireo teny mety ho voakilasy ho mamoafady ka censurena! mba miezaka kely izany ny modérateur na ny admin manao izay programme izay! io mantsy no mbola lesoka kely hitako teto! misy fotoana aho nahita teny mamoavady ihany kanefa dia tsy voasivana ka novakian\'ny be sy ny maro ihany! any @site hafa vao manoratra ompa fotsiny ianao dia efa censurée izay! sosokevitra ihany ny ahy iny ary mba faniriana ihany koa!
hamaranako azy dia midera ity site ity aho fa tena matotra izy indrindra eo amin\'ny soatohavina malagasy sy ny ara-piarahamonina ! kanefa tokony mba hivelatra kely kokoa ny hevitra satria forum ny eto! manampy ny malagasy mba hanana fahasahiana ihany koa ange izany ry namana e! fa raha mbola tery ny fisainana sy ny fiheverana dia mbola ho maro ny malagasy tsy hanana fahasahiana! eny fa na dia ny hiditra birao na hiditra hotel manankaja ; na hividy protector.... dia mba heritrerto ange ny vokany e! bado ny gasy! mitombo ny sida... ohatra vitsy fotsiny ireo fa maro tsy hita isa no azo tanisaina!

Izay alou ra-Hery fa @ manaraka indray manao misimisy a!
novalian'i xxx ny 25/01/2004 18:33
2. hery ( 24/01/2004 12:00)
Manahoana,

Isaorana i besoiiin tamin'ity hafatra feno dia feno ity. Zavatra fohifohy fotsiny no holazaiko.
- Resaka teknika aloha. Ilay forum napetrak'i besoiiin dia nitranga tao amin'ny page d'accueil momba ny forum. Dia nitranga @ site rehetra amin'ny serasera.org ka voatery nesorina. Resaka mise en forme fotsiny iny.

- Ny votoatin-kevitra. Izaho koa dia mahatsapa tsara ny zavatra lazain'i besoiiin. Izany hoe tokony hivelatra ami'izay isika Malagasy. Ny nahatonga anay nandray fanapahan-kevitra amin'ilay resaka teny matotra anefa dia tsy hoe tsy fivelarana velively. Resaka fanajana fotsiny. Betsaka tokoa ny site mampiasa an'ireny teny ireny izay teny gasy tokoa kanefa niezaka ny hiavaka mihitsy izahay mba tsy hampiseho zavatra hafa loatra am-pahibemaso raha ohatra ka misy ihany ny fomba "mihaja" hilazana azy. Tsy hoe tsy fahalalana an'ireny teny ireny akory satria samy mampiasa ihany rehefa eny Isotry sy Anjanmanal... saingy ny finiavana tsy hampiasa azy fotsiny noho ny fisian'ny teny izay tsy manohina ny rehetra kanefa mahasolo azy. Ny teny hoe fitombenana izao tsy hanafintohina olona mihitsy kanefa raha vao teny hafa no ampiasainao, na dia tena teny gasy aza, dia misy ny tafintohina. Dia maninona no hampiasa teny manafintohina olona vitsivitsy raha ohatra ka afaka mampiasa teny tsy manafintohina n'iza n'iza?
Ny référence ho ahy dia ny toerana mihaja. Rehefa sahy miteny zavatra hafa ankoatran'ny fitombenana ohatra i Ravalomanana amin'ny kabariny, na i pasitera any @ toriteniny, dia tena ho resy lahatra aho fa eken'ny be sy ny maro amin'izay fa azo lazaina ampahibemaso izay teny izay... dia ho ekena koa fa azo lazaina tsy misy fisalasalana eto amin'ny kianja be.
Hevitra ihany iny e.
3. besoiiin ( 24/01/2004 15:57)
mazava tsara izay raHery ary iarahamahalala sy mahafantara ny tena fahamarinan'izay hevitrao izay ! mino aho fa ny 99% n'ny olona rehetra dia manaiky izay teninao izay afatsy ny jiolahimboton'isotry sy andranomanalina ireny angamba! izay no nanomezako sosokevitra ny @ tokony hi-listena ny teny tsy maontina sy tsy mendrika rehetra ka censurée avy hatrany raha vao vantany vao voasoratra eto @ forum! fa ny faniriako hoy aho dia ny mba somary hivelaran'ny forum ! ary ny hoe mivelatra dia tsy voatery ho miteniteny foana sy manao teny tsy maontina fa mba ezahana ho matotra sy mazava ny fanehoankevitra na dia somary masira sy manintsinintsy aza ilay hevitra ! koa anjaranao raHery no manome fivelarana sy manintsy ny olona amin'izay ary manoro lalana azy !
dia mazotoa ry namana fa @manaraka indray manao misimisy!
4. oully ( 24/01/2004 20:31)
Manao ahoana ianareo,
Isika kosa ho'ah dia zatra manao fampitahana ny olona avy eny Isotry sy Anjanmanal eh!
Betsaka anie ny olona mihaja avy eny ary betsaka ny jiolahimboto avy any Ivandry ohatra na Ambotsirohatra na izay mety ho quartier résidentiel eh. Marina fa tokony hivantana isika rehefa maneho hevitra fa tsinjovina tokoa izay tsy hanafitohina ny maro araka ny resakareo.
Misaotra.
5. 2689 ( 24/01/2004 09:55)
Za rangaha tsy manaiky hoe Ravalomanana sy ny mpitandrina no hatao fitaratra harahina a! Ireny ve mba hiteny voambolana mivantana? Ohatra : Aleony milaza teny baiko hoe manao relation sexuelle, toy izay hampiasa ilay voambolana malagasy madio sady fohy. Tsy holazaiko ilay voambolana fa izaho aloha dia mampiasa azy rehefa miresaka e, 70 isan-jato angamba no tsy mahatanty. Dia hataoko ahoana moa fa rehefa @ireny olona ireny aho dia mba mody mampiasa teny baiko koa... Amin' ny shatra indray, aleo hisy sokajiny kosa e! Raha ao amin' ny resa-dehilahy ohatra, tokony halalaka tsara ny voambolana rehetra, mahatanty ianao matoa mitsikilokilo ao.
Ny voambolana tsy tokony hahatohina na hahasosotra raha ampiasaina amin' ny sehatra ilàna azy, hafa kosa irony jiolahim-boto manaporiporitra teny tsy amin'antony irony, ireny angaha dia ekena fa mankarary sofina.
Fa izaho aloha mahita ry besoiiin fa malalaka tsara ny ato amin' ity sehatra ity e!
6. hery ( 24/01/2004 14:15)
Ok arany fa tsy Ravalo na ny mpitandrina no alaina tahaka.
Vitan'i 2689 ary ve ohatra ny miteny an'ilay voambolana malagasy sady madio no fohy amin'i dada sy mama, na koa amin'ny zanaka??? Eritrereto hoe misy alika sendra manao rapport sexuel dé ahoana no hilazan'i 2689 azy amin'ny zanaka? Na amin'ny anabavy? Na amin'ny ray amandreny?
7. besoiiin ( 24/01/2004 19:02)
hihihihihi tena sarotra ilay izy raHery a! fa inona ary no sakana ho an'ny gasy milaza izany e! nahoana ny farantsay sahy milaza izany @ fiteniny tsy mihindrana ny fiteny anglisy ohatra! ny gasy anefa dia matahotra sy miahotra raha hilaza ny an'ny tena hany hery mangalatra ny an'ny hafa tsotra izao kanefa dia mitovy ihany ny dikany! mino aho fa maro ny gasy no tsy sahy mamaly akory ary hoe: manao firaisana ara-nofo ireo alika ireo anaka! fa minia mandainga hoe : misangy ireo alika ireo anaka! kanefa ange ka na i Ravalomanana na ny môpera na ny pasteur na izaho na ianao dia samy mahalala ao antsainy ao daholo ny tena vocabulaire gasy sy tsotra mahalaza izany rapport sexuel izany daholo e! kanefa tsisy sahy milaza fa dia lasa miolakolaka daholo! tsy hay hoe ratsy ve sa mahamenatra ilay acte! kanefa io ilay efa nolazaiko tery ambony fa trangampiainana lojika sy tsy maintsy misy foana ilay izy!
ny azo amehezana azy angamba dia hoe efa izay ilay toetran'ny malagasy! tsara ary ve anefa izay sa ratsy! inona no zavatsoa entin'izay toetra izay sao dia mba ny vokadratsy no betsaka! tsy eo @ teny ihany mantsy ny gasy no tsy manana izay fahasahiana izay fa matetika efa eo @ fiainany iray manontolo mihintsy! ka anjarantsika no miheritreritra sy mamaly hoe anisan'ny soatoavina malagasy tsy maintsy mbola arovana sy arahina ary ve izay toetra miolakolaka izay?
8. isrine ( 25/01/2004 10:25)
salut!
Inoako fa tsy ny teny ampiasaina eto ihany no mahamatotra ny site fa isika izay mpikambana ihany koa. Matotra avokoa isika eto satria olondehibe, tanora manana ny maha-izy azy, kanefa noho ny ataontsika ihany no tsy mahamatotra ny site. izay ilay hoe mahay lesona fa tsy mahay fampiharana.
9. xxx ( 25/01/2004 18:33)
de mahagaga ahy izany hoe tsy afaka ilaza hoe "jereo ry mama fa manao ilay alika"lol. Misy lé gasy wa de manao arorabo toetra zay ka tsy lasa mihitsy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8299