Ohabolana

21. samoina ( 27/01/2004 17:59)
mba asivo fanazavana kosa ry fijo fa aza mandika boky fotsiny a !
22. naritsimba ( 27/01/2004 19:00)
Tolona ambony vatolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha.
23. fijo ( 28/01/2004 11:30)
anjaranareo no mihezaka manazava azy,fa izaho mpanome
_hanina anao no naleha,ka tora bato no hita.
_ady amin'adala,ka ny hendry no miala.
_aza manao fitia mifono avona
_ny fihavanana tahaka ny volon kotona(algue)hatonina,manalavitra,halavirina manatona
_anao aho ka mora,fa raha an'olona aho sarotra.
_mifankatia amin'ny amalona:ka nony sendra tia,nabolilany.ih,ih,ih
_ny vola toy ny vahiny:tonga anio,lasa rahampitso.
24. pitchou ( 28/01/2004 18:07)
ny ohabolana d mipoitra avy@ fandinihana ny zava-misy. ary tsy ilay fahaizana mitadidy azy no tena tsara fa ilay fahaizana misintona ny saina @ zavtra ambany maso nefa tsy voamarika akory. ity misy iray nivoaka t@ andro niparitahan'ny kolera teto asa moa t@ 2000 na 2001. nanao fanentanana be @ fahadiovana, sasa-tanana, fomba fanasana anana sy sakafo etsetra. d nisy iray najary nalaza ary fiteny matetika:
"na tiana aza ny hadio sy hitandrina ravi-toto tsy mba fanasa."
25. fijo ( 29/01/2004 11:04)
ireto indray e
_ny voky tsy mahaleo ny tsaroana(ny fahatsiarovana anao dia mahery noho ny amin'izao.)raha mamolava ianao fahiny,dia mipetaka iny.
_aza ny hafohezan'ny andro no alaina,fa ny halavan'ny taona heverina.(rehefa hanao zavatra io.)
_mirediredy toy ny andrian-dany harena.
efa tsy misy maha izy azy intsony,dia ny titre sisa dradradradraina.
_aza miteny lango imason'ny vary.
(lango)voam bary tsy mbola matotra)izany hoe,aza manaratsy olona imason'ny havany.
26. naritsimba ( 29/01/2004 19:23)
-Aza manao toy ny boka mialo-poza ka manosika azy hiverina.( ny boka dia tsy misy rantsa-tanana)
-Njola mamangy havana ka eny am-baravarana dia mangaringarika.( Njola=Balana)
27. fijo ( 30/01/2004 09:23)
zaza tiana tsy hitsitsiana ratsan kazo.
antitra mampiady kalo,ka ny antitra antitra ihany.
rafotsy be very laona,ka miandry izay igadonanay.
28. naritsimba ( 30/01/2004 16:22)
-Manita-javatra ohatry ny sima misioka.
-Boka mievina ka afa-drofy anio fa mivindina indray rahampitso.
-Lomanom-boka ka tafita vao rendrika.
-Totohondrim-boka ka manainga no sisa.
-Boka mangala-pihinana ka lany andro eo am-pisangiana takotra.
-
29. pitchou ( 31/01/2004 17:38)
- ny tany no nahavokisana hono, ny tsihy no nipetrahana ela (io no tena izy fa tsy ilay hoe ny tany nahavokisana hono tsy ipetrahana ela)
- ny omby mahia tsy lelafin'ny namany (rehefa tsy manana izany d tsy misy vidiny @ olona)
30. fijo ( 03/02/2004 10:58)
ary ny omby botabota?ih,ih,h
31. naritsimba ( 03/02/2004 09:37)
-Tsy misy mpitsongoloka ohatry ny gana hono fa rehefa matavy dia any am-bilany(Ilazana ny olona fatra-pitsikera loatra)
-Tsy misy mahay mandeha tahaka ny akoho fa rehefa mandia sahafa solafaka ihany.
32. samoina ( 03/02/2004 13:05)
Akoho mantsin-tay, manitra am-bilany ( aza mitsara ivelany fa samy manana ny maha izy azy ny zava-drehetra )

Taty aoriana dia nahitan'ny tanora fiteny vao koa manao hoe : " Kely jerena fa Betlehema ! "
33. pitchou ( 06/02/2004 12:37)
aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tapon'ny loha: izany hoe aza mieritreritra fa tsy misy mahalala ny zavatra ataonao
ny rindrina aza misy sofina
miasa jamba rafozana (tsy azoko loatra io!)
34. xxx ( 19/02/2004 20:44)
Kamboty tsy misy mpangoraka na mikapa aza mbola voatoraka.
35. drtriniti ( 18/03/2004 11:42)
Suggestion: Tsy aleo ve zalahy fidifidiana ihany ilay teny avoaka fa ohatran'ny toa lasa nivadika zavatra hafa ilay izy. Tena tsara ilay hevitra fa ny mahagaga anie dia rehefa misy hevitra hafahafa ohatran'ireny dia voamaika mahaliana an'dry takaka
36. xxx ( 19/03/2004 15:18)
Ohabolana Betsimisaraka ireto, natao hampihomehy rehefa misy kabaro.
- Omby mitengy manôsy, manano am-pagnanoa
- Rafotsy be nitôgno sôgnambo, ny tôgno tsy masaka fa ny vody edy no feno lavenona
- Be vihy nita tatatra tsy ny habeny no nahalavo fa ny fitopany.
- Be vihy nanano kilaoty, ka nampitomboina indroa ny tepany.
37. 2689 ( 04/04/2004 06:44)
- Mampifilafila ohatry ny andevolahy mahay valiha.

- Andevolahy manam-potsim-bary : tsy mahay mitsinjo ny vody andro merika

- Vakam-potsin' andevolahy : sady an-doha no an-tongotra

- Sarotra ampiana hoatry ny andevom-behivavy.
38. ahaj ( 06/04/2004 11:04)
Boka mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy.
Ny fandinihako azy dia hoe mifanaraka @ possibilité an'ny tena no zavatra atao fa tsy manaonao foana.
39. lekely ( 21/04/2004 10:40)
ohabolana famangiana fahoriana;
"toy ny lahiantitra manin-kavana,hitsinjo tsy hahita ny maso,handeha tsy hafaka ny tongotra , ny ao am-po no mamolivoly ka dia ny ranomaso no mipotrapotraka"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3168