ny fitiavan-dray aman-dreny

1. hendry ( 17/01/2004 12:10)
Samy mahatsapa sika rehetra fa miha tsy ampy fitiavan-dray aman-dreny hatrany ny ankizy ankehitriny. Samy miasa izy mivady ka tsy manam-potoana hiarahana na hiresahana @ zanany fa rehefa tonga ao an-trano dia samy reraky ny asa ary samy maka aina.
novalian'i kouala ny 25/06/2004 08:12
2. donemaskit ( 17/01/2004 12:12)
Lay système ankehitriny mihitsy no manakely ny contacts humains, dia voa avy hatrany ny parents-enfants...
3. donemaskit ( 17/01/2004 12:21)
Ny fitiavana eo ihany fa ny fanehoana azy no tsy ampy.
4. xxx ( 17/01/2004 12:36)
Misy fiantraikany be eo @ fiainan´ny zaza anefa ny tsy fahampian´ny fitiavan-dray aman-dreny
5. donemaskit ( 18/01/2004 10:21)
Raha samy miasa ny Rad dia tokony hanokana fotoana manokana ho an'ny zanany :
> manatitra sy maka azy ireo any an-tsekoly
> miara-misakafo aminy ny antoandro
> manampy azy manao devoirs
> manao sorties en famille tsindraindray...

Les parents doivent profiter de leurs gosses pendant qu'ils vivent encore sous leur toit.
6. kally ( 18/01/2004 14:27)
Donemaskita kosa ho'a raha hanao vary amin'anana an!

Misy koa ny ray aman-dreny mihevitra fa rehefa tsy ory kilalao,akanjo,sakafo sy izay tiany ny zaza dia ampy fitiavana.Ka io no tena zava-doza koa!
7. donemaskit ( 18/01/2004 14:30)
Oui mais zay aza no ahaizako maneho idées koa!
8. xxx ( 20/01/2004 15:00)
Ilay lazain´i Kally no zavatra mitranga matetika, totofana kilalao sy akanjo sy zay heverina fa ilainy daholo ilay zaza dia mihevitra ny ray amandreny fa vita ny adidiny. Zaho zao avy @ fianakaviana mba tsy dia sahirana ka tsy dia niafy t@ resaka fitafiana, sakafo, fianarana sy ny sisa nefa misy banga be ny fiainako satria tsy ampy fitiavan-dray aman-dreny. Marary fo vokatr´izany, mimenomenona ery ny rad hoe inona koa no mamparary fo anao nefa olona miadana... Tsy hain´izy ireo fa ny tsy firaharahany ihany no mahatonga zany.
9. donemaskit ( 21/01/2004 20:18)
Dia anatra ho an'ny rehetra mieritreritra ny hanorona tokantrano zany... merci xxxxxxx.
10. samoina ( 23/01/2004 14:44)
Ny mahatonga ny Ray aman-dreny hamoky kilalao koa indraindray dia satria kamo izy ireo hifanakalo hevitra @ zanany. Maro ny mihevitra fa izay teny sy fihetsiky ny ray amandreny dia marina avokoa ka tsy tokony valiana ! Tokony ho tsapan'ny lehibe koa anefa fa mizotra hatrany ny taona ary be zava-baovao hatrany.Arak'izany, tokony mba hiezaka hiaino ny teninjanany avy ny tsirairay na be tsy mifanaraka loatra @ fiainana taloha loatra intsony aza izany
11. ravatorano ( 26/01/2004 19:00)
ary raha sady voky kilalao no voky fitiavan'ny Rad ?
Hisy ohatran'izany aiza !
Tena ilaina tokoa ny fifampikasohan'ny Rad amin'ny zanany.Lé any aoriana koa mba tsinjovina satria mitoetra ao amin'ireo zanaka foana fa tsy ampy fitiavan-Rad izyreo ka mety tsy te hahalala ireo Rad koa rehefa antitra ireo
12. samoina ( 26/01/2004 19:56)
Raha atao VOKIBE loatra ny zaza dia io ilay antsoina hoe mety lasa " gâté-pourri"! Zatra omena, tsy omena résponsabilité mihintsy fa kobonina lava.Toy izany ny mahazo ny zana-bazà ankehitriny. Faly mandray fitiavan-dray amndreny saingy tsy mahay manao valimbabena satria tsy nitaizana azy intsony izany fa samy maka ho azy no nampianarina azy. Vokany: alefany any @ maison de retraite ireo masoandro nipoirany rehefa soara soara fa manahirana ny fiainany hono. Misy koa ireo sahy mitory RaD fa mandany ny tokony ho anjara lovany hono !
13. fijo ( 27/01/2004 10:56)
io voalazan'i radone ery ambony ery io dia marina tokoa 18/01
ary io lazain'i kally eo ambaniny io dia tena lasa fiainana andavan'andro;ny zaza koa dia lasa tsy tia loatra ny mifandray amin'ny rdr;ka tokony atao izay hitadiavana fotoana hiarahana amin'izy ireo,ary indrindra hampahafantarana azy ny maha malagasy azy;
14. ari.malala ( 19/02/2004 11:34)
Ny tena olana koa anie @ zao fotoana izao dia ny fiitaran'ny teknolojia ê! ao @ télé oh misy ny déssins animés d variana eo ny ankizy rehefa tonga ndray ny oran'ny séries sy ny films na ny vaovao d eo ndrayt ny RAD de tsisy firesahana mihintsy ny RAD sy ny zanaka! de simba ny sain'ny ankizy hany ka lasa mifanoro vohona rehefa lehibebe!
15. fijo ( 20/02/2004 11:07)
ka ny RAR no tokony hanao ilay ezaka,hanantona sy hanazava amin'ny ankizy.
16. xxx ( 16/03/2004 10:27)
ary anga tsy miaraka misakafo ny hariva ny alina izany sa asamy mibatabata eo mantsy ny anay no tena firesahana ary tsy miala eo raha tsy vita ny resaka y ny fangatahana torohevitra de samy manome ny idéeny eo daholo ny rehetra
17. angie ( 18/03/2004 10:37)
Marina mihintsy ireo hevitra farany ireo. Saingy raha ny tsara dia esorina ny tele @ ora fisakafoanana @ izay mba miresaka tsara daholo ny rehetra.
18. kitjo ( 21/03/2004 10:50)
k vitsy ange ny manao anzany e,efa samy vizaka aby refa hariva misy aza tonga d matory fa tsy misakafo
misy ndray mba resahina d oe aleo aloha manaraka fa tena reraka zany......

Fa ny tsy mety manko dia ny RAR toa tsy mahalala akory ze miseho @ fiainan zanany,satria lasa manakim-po @ olona hafa ivelany le ankizy,ary mitady izay fitiavana zay @ olon-kafa, d lasa manaonao foana nddray,satria any ivelany no ahitany anzay,
mety misy idiran'io le resaka oe fivarotan-tena na dia manana ny ampy ara-pitaovana aza.

Misy RAR ts mahalala akory oe kilasy fahafiry moa ny zanany fa refa tonga fts ny fotoana andoavana ekolazy d manome,na tsy mifindra aza le ankizy tsy fatany akory,
refa voaantso fa oe mingitrika fona vao gaga oe fa nanin, d ozy le ankizy oe za ary nijanona tao antrano fona nilalao playst,d gaga hoe hay ve
19. bido ( 06/04/2004 17:46)
zao koa e ! ny lehilahy no miasa fa ny vehivavy mikarakara ny ao an-trano sy ny ankizy , raha misy tsy mety ataon 'ny ank de resahina @ leh @hariva de ao tsara e !
20. hendry ( 08/04/2004 13:16)
Odry, fa i samoina ve ahoana? Iza ndray no miteny aminao fa voky
fitiavan-dray amandreny ny zana-
bazaha? Ny zana-bazaha indrindra aza no tsy ampy fitiavan-dray aman-
dreny noho ny fiainana routine be @ tany mandroso koa. Ny an´ny gasy mbola misimisy ihany ireo reny manaiky hijanona hikarakara tokan-
trano ka saika eo @ zanany mandrakariva. Raha mbola kely zany moa tsy mila am-babena, ny zana-bazaha nefa vao kely dia efa manana ny efiny manokana, tsy miraikitra loatra @ rad-ny, @ antoandro vitsy ny miara-misakafo ny fianakaviana manontolo noho ny asa sy ny fianarana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6055