Ingahy Pety sy ny fitondrana

1. ravatorano ( 08/01/2004 20:53)
Lany Maire iny Ingahy Pety.Dé nilaza izy fa nisy miaramila roalahy nalefan'ny fanjakana hamono anazy fizikemén.
Dé nanamafy izany ny namany Ingahy Voninahitsy .Ny mahagaga anefa dia ity raha misy marina izany efavita efa ela angamba Ingahy Pety ka tsy tokony hatahotra ny amin'izany izy.
Izao koa raha misy "dossiers "maloto izay lazaina ombieny² fa an'Ingahy Pety maninona raha avoaka toy ireny nahazo an'Ingahy Voninahitsy tamin'ny chq sans provi reny.Raha niray tsikombakomba tamin'ny dahalo , na nisy heloka hafa nataony maninn tsy samborina marina izy fa manjary sahoandresaka no betsaka ka manimba ny sain'ny olona feheziny indrindra ry zareo yfidy anazy izany.
vatorrano
novalian'i xxx ny 22/01/2004 17:32
2. rasese ( 08/01/2004 10:29)
de mbola miandry aloha isika h@ izao fa tsy fantatra izay mbola hitranga ary ny tena mampalahelo dia raha adversaire no lany dia itadiavana fika hanagadrana azy
3. adamilus3a ( 08/01/2004 10:55)
de aleo lesy izy ande tazanina fa vavolobelon'ny mpiasa ny bainga.
na mpanohitra no eo na tsia ny fanja tsy maintsy manao zay programany @zay faritra eo, ary le maire mpanohitra ko tsy maintsy mannatantereka zay progany t@propangandy.
Fehiny : efa vita ny fifidianana de miasa anasoa ny tanàna zao no tokony jeren'ny pety sy ny Mpitondra fa tsy variana mifanasa vangy eo raha misy zany
4. 2689 ( 09/01/2004 13:21)
Ilay gisalahy homan-ketsa anie no tena tsy milay @ mpanao politika malagasy! Ialahy efa fantatra fa manao ny tsy mety dia mody manao avovava sy mody hoe tadiavin' Ikoto hovonoina aho dé am'zay ve mieritreritra hoe tsy ho voakitikitika? Io ny vahoaka ihany no hitsara e! Fa raha dinihina anie, miaro azy ireny fihetsiketsehana nataony ireny e! Manandrama miresaka @ olona tera-tany avy ao Fianarantsoa, fa mino aho fa ny 70 isan-jato dia hiakatra raha manaratsiratsy an' Andriamatoa Rakotoniaina Pety ialahy!
5. xxx ( 11/01/2004 16:56)
Dia variana amintsika betsileo aho, mba jereo amin' ny saina tsy miangatra , fahafiry amin' ireo reni- vohiparitany eto M /kara i Fianarantsoa amin' ny resaka fandrosoana ?
Mba menatra ihany ny tena , satria maro oloç- manga ny tanàna fa tsy mahavita raha . Vavany fotsiny no betsaka fa ny asa mivaingana tsy misy.
Fomba fiadin' ireo marxiste - léniniste ve no mbola atao amin' izao fotoana izao? Mba te - halaza ny tena dia lazaina fa hisy hamono ?
Manaova asa mivaingana ho hitam- bahoaka raha- te hisongadina .
Foano ny asan - dahalo any amintsika .
6. 2689 ( 14/01/2004 20:38)
Tsy hoe ny (:ianareo:) Betsileo kosa no manao an'io e, ny mpanao politika rehetra samy manana ny paikadiny, ny merina koa (za mantsy merina), mba nanao an'izany mba hitiavan' ny olona azy! Tahaka ny mpijery baolina ihany mantsy ny vahoaka, raha hoe hifanandrina eto Madagasikara i Brazil sy Luxembourg, mino aho fa maro no hanohana an'i Lux satria hoe mampalahelo izy! Ilay mitsara hoe tsy mahavita azy koa tsy mbola tokony hatao satria vao omaly anie i Pety no lany Ben'ny tanàna e! Aleo aloha izy hiasa... Fanazavan-tsaina no tokony hatao fa tsy fanasoketana, ny fanazavan-tsaina dia hanoroana ny tokony hatao sy ilazàna ny tsy mety fa tsy hoe fanaratsiana be fahatany!
7. xxx ( 14/01/2004 14:44)
Tsy mbola nisy asa nivaingana vita' io Pety io hatramin' izay nananany andraikitra na tao amin' ny antoko MFM aza.
Raha ny vava dia voalohany i lery.
President-mpokontany no sahaza an' io.
8. xxx ( 22/01/2004 17:32)
Le hoe hisy hamono, hisy hisambotra i Pety de mampihomehy, satria indray2 le izy de zavatra tsy misy akory, fa ny mpanao gazety indrindra fa ireo gazety mpanohitra no milaza azy io, de mody ataony miendrika fanontaniana le izy satria azia "?" ery amin'ny farany, de avy eo lasa resa-be eto amin'ny tanàna. De iny ko no vohizin'ny mpanao pôlitika, efa ela ihany ange zay hoe hosamborina i Pety nefa hatramin'izao mbola iny ihany izy. Ny pbl an'i lery ko de izy be vava lôtr'e ! io no tonga amin'ilay hoe ny asa mivaingana ihany no hitsarana fa tsy ny bala rora
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.116