samy zanak'izy roa

21. kally ( 12/01/2004 13:22)
Sao dia tia_ery ary no adala?
Ary mbola averiko fa zavatra mety hitranga izany ka mila ferana marina hoe hatraiza ny maha-mpianadahy.
efa betsaka koa anie ny olona misara-panmbadiana dia miverina manambady hafa indray eto amintsika ka tsy hitako hoe aiza ny olana maha-aviavy be an'i tia_ery ohatran'io.
22. fijo ( 13/01/2004 11:59)
mariako fa io dia zavatra efa misy any mada.ary tsy milaza aho hoe tery saina ny olona any mada,fa i tia-ery no lazaiko tery saina,satria tsy mahita zavatra afatsy izay heritreretiny fa misy.dia sahy milaza koa ve ianao fa tsy misy ny union libre any mada.ary ny olona rehetra miara mipetraka sy miteraka tsy vita soratra ireny inona no ilazana azy?firy izany ao tana,ary firy ny olona vita soratra any amin'ny morontsiraka?
dia tsy misy concubinage koa ve any mada.sao dia ny ao an tranonao ary no heverinao fa madagascar,ka mivoaha kely fa maizina loatra ao.
23. tia_ery ( 13/01/2004 18:40)
Ka i Fijo mihintsy no tsy mahazo eh !!! Madagasikara nge ka nosy eh! ny ao antranonao trano fonenana didinin'ny tokatrano maro. Ny any frantsa sy Mada ange tsy mitovy eh !!!

Any frantsa izay tany somary efa mivoatra kokoa de mora ny manatona firaisana sy ny fikarakarana administrativement. Aty Dago ianao ny biraon'ny firaisana aza sarotra ho an'ny amin'ny dezaka be ny hanatona azy. Vokany mivady ilay olona par consentement fa ny juridiquement de tsisy. Ary izay no mahatonga an'ilay hetsika opération Etat-Civil satry na de teo amin'ny fahaterahana azy betsaka no tsy manana an'izany.

Ka hoy aho hoe ry Fijo : tsy afaka ampitahaina ny tranga rehetra, tsy ny circonstance no hametrahanao fa misy izany aty Mada, fa ny situation any Frantsa no ametrahana an'izany hoe misy any fa tsisy aty Mada.

Sa kosa ndeha ho hampitoviana amin'ny tany an-dalampandrosoana maro be aty Afrika i Lafrantsa .....!!! ha!ha!ha!

Ka aza de mampitovy zavatra tsy de mitovy loatra re ry Fijo fa toerana roa samy manana ny azy ireo eh !!!

Madagasikara tsy ho lafrantsa na oviana na oviana mihintsy. Ny union libre any frantsa tsy hidika velively ho fiarahana mitoetra tsy misy n'inon'inona aty Mada de ny concubinage any lafrantsa ihany koa tsy hitovy velively amin'ny aty.

Ho an'ny Kally manokana, ny tranga rehetra ange mety hisy avokoa eh !!! Na ny fahafatesana aza de tranga mety hisy izany ho an'ny olona iray fa tsy fantatra fotsiny ny fotoanany. Ny olona tsy miaina ao anatin'ny Probabilité na Statistique ka ndeha hieritreritra an'izao rehetra izao.

Fa hoy r'izareo vazaha hoe ''LA statistique c'est comme un maillot de bain, elle vous donne l'idée mais cache l'essentielle''. Fa tsy misy olona tsy hieritreritra an'izany mihintsy hoe hanambady ny anadahiny na ny anabaviny izany na mifamatotra ara-drà io na mifamatotra ara-panambadiana, n'inon'inona antony.

Sôtra eh !!!
24. fijo ( 14/01/2004 11:25)
ao majunga renivohitra dia 20% ny olona no vita soratra.moa ve lavitra ny firaisana ao.tsararano sy mahabibo,dia 5km.lavitra ve izany raha te hisoratra ny olona?ka aza dia milaza ny tsy fantatra ry tia ery a.ao tamatave dia hoatra izany koa.raha avy any tanamakoa ianao,dia 5km eo koa ny firaisana.lavitra ve io raha te hisoratra ny olona?
25. tia_ery ( 14/01/2004 17:58)
Ekeko fa tsy lavitra aloha zany ry Fijo fa ny tsy azo lavina ange tsy ny mahaakaiky ny firaisana no isoratana na tsia eh !!! Raha hisoratra ianao zao aty Dago de mila kopi nahaterahana sy ny forongony rehetra. Ny nahaterahan'ilay olona aza tsy fantany na taiza na taiza, ny fomba ahazoan'ny kopia nahaterahana tsy ho vitany mihintsy vetivetika sy tampotampoka foana eo koa ndeha hambara hoe 5km sy zao sy zaroa de hoe akaiky zany. Akaiky zany amin'ny fandrefesana fa tena lavitra be amin'ny fikarakarana.

Fa zay foana ny olona ary mbola olana aty Dago. Ary zay no vokatry ny fametrahana sy fambolena côcô eny rehetra eny. Vao mahita lavaka de roboka de zaza iray de tsy fantatra intsony hoe an'iza iny na an'iza firaisana aiza no tokony hanoratana an'iny !!!!

Ka mbô lalin-tsaina sy mahafinaritra be ohatran'io ihany fa aza de mandray antendrony eh !!!

Sôtra eh!
26. lema ( 14/01/2004 10:37)
fa inona kay no manakana zy tsy hivady fa tena mpianada ve ry zareo?tsia.mpiavana ve izy?tsia.mitovy ra ve izy?tsia.ka inona ary no tokony anakana azy?izy nefa miofankatia ,ny fomba fisainan'ny tsirairay ve sa ny fijerin'ny olona fa ra ny vavan'ny olona alou no enoina dé trsy ho isy zava banona eo fa tsy maintsy hisy foana ny contre e!
27. rinakely1 ( 14/01/2004 12:44)
d mivady zany e!
28. lema ( 14/01/2004 14:25)
tsy hivady ry zareo fa maditra be lé bandy
29. ikaretsaka ( 14/01/2004 18:18)
Hors Sujet ne kos ai Tia ery e... avereno jerevana anie ny nosoratany ary ambony raha tsy tsy voavaliny mihitsy ny fanontanian'i Fijo fa ny azy ihany no asesiny e
30. fijo ( 15/01/2004 11:02)
dingano izy dia voavaha ny olana.fa raha milieu du terrain ireny amin'ny foot,dia tsy lasa any aloha mihintsy ny baolina.
31. tia_ery ( 15/01/2004 19:23)
Ho an'i Ikaretsaka sy ry Fijo ary indrindra ireo izay mitovy hevitra aminy de aleo angaha tsorina ny tena tiana hambara.

Io lay fanontaniana ''raha samy efa niteraka no nivady ny ray amandreny ao an trano.raha mifankatia ny zanany,dia ho diso ve?'' de ny valiny tena tsotra sy mazava de TENA DISO ireo zanany raha mbola minia miditra sy mikiry ary minia mikipy ka hiroso amin'izany fifankatiavana izany.

Teny iray ao @'ny Soratra Masina ary an'isan'ireo didy folo de ny hoe : ''Manaja ny Ray sy Reninao mba ho lava andro ianao''. Santionany amin'ny fanajana azy ireo ny fanajanao ny safidiny sy fametrahanao azy eo amin'ny toerana sahaza an'izany. Tsy ianareo no tandrovana sy jerena, na koa izay mety ho fifandraisana misy eo aminareo. Fa ireo Raiamandreny nivady ireo.

Zà tsy mbô hilaza @'nareo hoe alaivo sary an'eritreritra ndray ary hoe ilay ankizy no nifankafantatra tany ananon'anona tany de nifankatia de nivady. De vokatry ny fifaneraserana teny de nifankatia koa ireto Raiamandreniny de mbô ahoana ny valiteninareo ?

Zay aloha fa Sôtra eh !!!

32. lema ( 15/01/2004 13:32)
ka lé ray aman-dreny anie tsy nametraka problème t@ fiarahany e!fa ny tena tiako ho fantarina dé hoe inona ny fahadisoany raha nifankatia ry zareo?fa tsy ny baiboly ve no niteny hoe "fa ny fitiavana no lehibe indrindra"
33. fijo ( 16/01/2004 09:33)
marina ralema a.
34. pitchou ( 16/01/2004 17:44)
ny RAD taty arina vao nivady, ary ny ankizy tsy "mpianadahy" naturel d inona no problème @zany? afaka mifamadika koa ange hoe ny ankizy no nivady aloha vao nivady ny lehibe e!
tandremo sao misy mahita hevitra hoe rehefa nisaraka ny RAD d tsy mpianadahy intsony ny tena mpianadahy naturel an! izay indray d tena tsy izy
35. kally ( 16/01/2004 17:25)
Tsy mpianadahy naturel izy fa niara-notezaina,vao roa taona avy nyzaza no nivady ny lehibe,izany hoe niara-notezaina teny foana izy mandra-pahalehibeny.
Raha i Pitchou no sendra an'izany dia ekenao sa tsia ny hivadian'ireo zaza ireo?
36. pitchou ( 17/01/2004 14:57)
zany hoe rehefa mifankatia sy mivady ny RAD d ny zanaka ihany no tokony handefitra? sa ambony noho ny fitiavany ny zanany ny fitiavany ilay olona novadiny taty arina?
37. fijo ( 20/01/2004 11:51)
amiko aloha tsy pianadahy ireo e.fa dia moraly sisa no mtondra azy.
38. rinakely1 ( 22/01/2004 15:37)
zay zany kou!
vita ny resaka !
39. fijo ( 23/01/2004 10:32)
aza sakanana ny hevitra ry rinakely a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6172