Fampianarana asa informatika 
mxr - 07/01/2004 19:46
|
![]() Orinasa madinika vitsivitsy @ sehatry ny informatika izahay ary mitetika ny hanao izao hevitra izao : Hanofana olona tanora tsy an’asa izay efa nianatra momba ny informatika (niveau Bac+2 : toa ireo izay nivoaka t@ rafi-pampianarana eto Tana ohatra CNTEMAD, Blanche Birger, STIG, etc…) izahay @ sehatra izay ilainay (formation pratique pour développeurs) : - Visual Basic + SGBD Oracle/SQL Server - Oracle (developer, SGBD) - PHP + MySQL, HTML (mety misy sampana hafa fa ho hita eo ihany). Hisy fampianarana fanampiny (complement théorique) kely mialoha ireo (MERISE, UML, SQL) fa ny ventiny dia tena mianatra asa. Isaky ny tapak’andro (demi-journée) no eritreretinay hanaovana azy na koa mety ho @ andro tsy fiasàna (week-end). Hisy fandraisana anjara kely (participation fa tsy écolage akory mba ho tambin’ezaka hividianana rano ho an’ireo mpampiofana) izay ho angatahina @ ireo hanatrika ny fampianarana. Ny anton’io dia izao : Matetika mitady mpiasa mandritra ny fotoana vitsy izahay (temporaire, mandritra ny fotoanana projet izay mety ilana olona maro) hanampy ny mpiasa raikitra. Matetika koa anefa dia tsy mahita olona afaka ampiasaina @ izany na mahita ihany fa tsy mahay ny outils ampiasainay sy ny fomba fiasanay. NY tanjona izany dia hoe hisy olona mahay asa bebe kokoa eto an-toerana izay tsy voatery akory hoe hiara-hiasa aminay, kanefa kosa mety azo antsoina rehefa ilaina. Raha misy liana dia afaka mandefa mail @ max.aa@simicro.mg na miantso ny tél. 22 35472 Mlle Hoby. Tsara raha mba milaza avy hatrany ny zavatra efa nianarana na natao t@ sehatry ny informatika (CV : coordonnées, formation, experience, outils connus/appris/maîtrisés). |
hery - 08/01/2004 20:11
|
![]() Betsaka tokoa no mila an'izany ao Madagasikara. Mba ilazao ny fivoatrany sy ny tohin'ny zavatra ataonareo izahay. hery |
ramoul - 08/04/2004 15:28
|
![]() |
jeff - 09/02/2005 14:20
|
![]() jeff ^:^ |