Prof miaraka @ mpianatra

21. ikaretsaka ( 12/01/2004 20:37)
T@ ireny andron'ny SN kosa nisy betsaka ny SN niaraka t@ mpianany e... surtout ilay sendra nampianatra tany @ CEG na Lycee ireny
22. xxx ( 14/01/2004 17:59)
zah nampianatra dia niaraka t@ mpianatra, fa 23 ah zah, ny mpianatro terminale, betsaka ny zokiko, fa ny tena grave, miady ny mpianatra rehefa avy eo fa betsaka no te-hiaraka tamiko fa ny iray tena tiako! diso ve ah!
23. donemaskit ( 16/01/2004 16:45)
Diso elah!
24. manantsoa ( 16/01/2004 19:29)
Resaka toe-tsaina sy fifehazana ihany io e! Ho an' izay nianatra tao @ bahut taona 1980 dia mahalala tsara ilay prof de philo . izay .Inona hoy izy no tena antony hanaovana ireny tenue ireny ( blouse , combinaison , tablier , sns ....... )

samy namaly toe daholo ny mpianatra fa tsy nisy nahita ny valiny marina . Raha vao misalotra ireny tenue ireny izany ianao , dia manaiky ny fitsipika rehetra mifehy ilay toerana misy anao ( mpianatra , mpitsabo, mpampianatra, pasitera, mpitsara sns.......)
Izany hoe : raha mpampianatra ianao ary misy zanakao mpianatrao dia tokony tsy hoeritreretina mihitsy ny maha- mpianaka anareo @ fotoana hanaovanareo tenue .Toy izany koa ny mpitsara , mpitsabo sns .....
Koa raha ny sujet- ntsika mpampianatra miaraka à mpianatra dia tsy tokony olana velively . Ao am- pianarana dia toy ny mpampianatra rehetra ilay mpampianatra ary toy ny mpianatra rehetra ilay mpianatra . Raha mbola manao ireo tenue ry zareo eny an- dalambe dia mbola manan- kery ny fitsipika mifehy azy .
misaotra!
25. manantsoa ( 16/01/2004 19:29)
Resaka toe-tsaina sy fifehazana ihany io e! Ho an' izay nianatra tao @ bahut taona 1980 dia mahalala tsara ilay prof de philo . izay .Inona hoy izy no tena antony hanaovana ireny tenue ireny ( blouse , combinaison , tablier , sns ....... )

samy namaly toe daholo ny mpianatra fa tsy nisy nahita ny valiny marina . Raha vao misalotra ireny tenue ireny izany ianao , dia manaiky ny fitsipika rehetra mifehy ilay toerana misy anao ( mpianatra , mpitsabo, mpampianatra, pasitera, mpitsara sns.......)
Izany hoe : raha mpampianatra ianao ary misy zanakao mpianatrao dia tokony tsy hoeritreretina mihitsy ny maha- mpianaka anareo @ fotoana hanaovanareo tenue .Toy izany koa ny mpitsara , mpitsabo sns .....
Koa raha ny sujet- ntsika mpampianatra miaraka @ mpianatra dia tsy tokony olana velively . Ao am- pianarana dia toy ny mpampianatra rehetra ilay mpampianatra ary toy ny mpianatra rehetra ilay mpianatra . Raha mbola manao ireo tenue ry zareo eny an- dalambe dia mbola manan- kery ny fitsipika mifehy azy .
misaotra!
26. donemaskit ( 17/01/2004 09:40)
tsisy fisaorana...
27. shadow ( 17/01/2004 11:29)
Matetika anie ny mpianatra koa no manao provocation eh na mitantara zvt tsy misy any @ namany de mihitatra ny resaka manjary na olona tsy nihevitra na inn' na inn' aza, kitapo latsaka aza hoy ny fitenenana
28. hendry ( 17/01/2004 12:23)
Zava-nisy ity: tian-dRamose mpampianatra ilay bandikely mpianany tao @ lycée, dia niaraka antsokosoko ry zareo aloha satria tsy eken´ny fitsipika mifehy ny hiarahan´ny mpianatra @ mpampianatra. Niandry izy ireo ny hahavitan´ny fianaran´ilay ankizilahy tao @ lycée ary dia niseho ampahibemaso t@ fiaraha-monina sy ny ray aman-dreny @ zay. Tsy ny mahampampianatra sy mpianatra azy ireo ndray no olana saika tsy naneken´ny ray aman-dreniny avy fa ny maha homo azy ireo.
Fehiny: tsy tokony ho olana amiko ny fiarahan´ny mpianatra sy mpampianatra, fitiavana toa ny fitiavana rehetra ihany zany. Tokony tsy hampiseho fihetsika hafahafa eo imason´ny mpianatra hafa fotsiny ry zareo.
29. xxx ( 17/01/2004 12:28)
vehivavy aho, nanao stage teny @ lycée t@ taona lasa. mpianatra tao @ kilasy TC no nampianarina, niaraka t@ mpianatro iray aho. Henon´ny superviseur hoe miaraka @ mpianatra aho dia convoquée ary voaroaka. Mbola miaraka ihany nefa zahay hatr@ zao. Fa maninona kosa moa no raràna tsy hiaraka ny olon-droa mifankatia? tsy rariny kosa zany e.
30. xxx ( 17/01/2004 12:31)
Ny zava-misy marina anie dia ny mpianatra @ zao fotoana zao, ny tovovavikely indrindra indrindra no manao zay hisarihana ny mpampianatra e. Misy namako zay zao mampianatra eny @ collège tsy miankina iray eto Tanà, maro ny sipakely misary zoro aminy foana, nefa izy mba te hanaja fatratra ny réglement ifampifehezana ao @ école. Aiza ve koa manao D.S. dia any anatin´ny feuille´ny sasany misy taratasy fitoriana fitiavana ho an´ingahy mpampianatra.
Ny sasany zany rehefa mirava dia mody manao fanahiniana mijanona farany ao an-dakilasy ary tsy menatra akory mitory fitiavana @ mpampianatra.
Marina fa tokony ho modely ny mpampianatra nefa aza omena tsiny kosa izy raha alaim-panahy noho ny ataon´ny mpianatra. Olombelona mey ho solafaka ihany izy koa.
31. xxx ( 17/01/2004 12:32)
Dia ny mpianatra foana no omena tsiny. Misy koa anie ireo mpampianatra manararaotra e!!!
32. hendry ( 17/01/2004 12:33)
Vahaolany iray azo ialàna @ zany dia asio peratra ny tananareo mpampianatra rehefa handeha hampianatra. Dia aza manao cool be loatra koa fa maka fanahy ny zazabodo.
33. manantsoa ( 17/01/2004 14:13)
hendry > misy tantarany ihany koa io peratra io ; Fahiny dia olona atokisana ampitondràna hafatra ihany no mahazo manao peratra . Rehefa mahita ilay peratra @ tanany ilay olona dia mahatsiaro fa mbola manana adidy sy andraikitra hamita hafatra koa tsy tokony ivilivily.
Ary dia tsy mifanalavitra @ izany no heviny ho an' ireo manambady manao alliance ankehitriny.
Saingy ahasakana ireo sipakely tsy hiaraka @ mpampianany ve ny fisian' ny peratra ??
Raha tena mahafantatra ny dikan' ilay peratra eny an- tanany izany ilay mpampianatra dia tsy tokony hiaraka @ olon- kafa intsony na tsy mpianatra aza .
34. hendry ( 20/01/2004 15:05)
manantsoa> ka ilay hoe asio peratra anie ho an´ilay mpampianatra tsy manambady no tiako tenenina eto e, zany hoe na tsy manambady aza dia asiana peratra ny tanana mba iheveran´ilay mpianatra efa voafatotra ramose ka mety tsy sahiny adalaina ntsony.
35. manantsoa ( 20/01/2004 19:46)
hendry > Raha ny tantaran ' ny peratra anie izany dia tsy natao ho ny olona ety ivelany no hijery azy e !
Ianao manao ilay peratra no manana adidy sy andraikitra fa efa nifanaiky taman' olona ka tsy tokony ivilivily any @ hafa intsony .
Ka raha ny hamôlan' ny sipakely ankehitriny dia tsy miraharaha izay toerana misy anao any izy (manambady, mpampianatra, ......) . Ianao no tokony ipetraka hanaja tena arakarak' izay toerana misy anao .
36. xxx ( 21/01/2004 20:58)
asio kavina ila ny sofina havanana rehefa ilay vao @ ilay 1 er cours vcoalohany atao ao an-dakilasy iny fa tonga dia milamina ny sipakely... ny bandy indray @ io no lasa ho olana fa manao bokobokona ingahy dia milamina io dia ampitahorina dia mipirina ... hey sao be vinany eo fa fika mba hitako hitandrovana ilay fiarahana amin'ny mpianatra io an
37. fijo ( 21/01/2004 11:50)
araka ny fahitanareo azy,raha juge aho,ny zanako no hotsraiko.dia ho objectif ve ny fahitako ny raharaha eo?dia toa izay koa ny mpampianatra miaraka amin'ny mpianany.tsy maintsy misy vokany any amin'ny fianarany io.ka raha hampita fahaizana ianao,dia ny fahaizana hampitaina,fa aza ny ranon'aina.
38. donemaskit ( 21/01/2004 09:20)
marina io ra Fijo, zay hangatahina aminao ihany atao...
39. ikaretsaka ( 22/01/2004 09:10)
ka raha mangaraka ilay mpianatra vavy hoe andao isika sy ramose hiaraka dia ahoana? na hoe andao isika sy mademoiselle ?
Amiko dia ny tsy hilatsahan'izay teny izay no tandroviko raha mampianatra aho
40. fijo ( 22/01/2004 11:53)
ka aza hadino,fa ny mpampianatra no filamatra.ary ianao no misaina kokoa.ka anjaran'ny tena no manda amin'ny fomba tsotra raha misy izany.fa raha izay zaza ery ve no hitarika ny tena,aiza izany ny maha izy ny tena le.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865