tohiny sady farany: "faire un bébé toute seule"

1. isrine ( 22/12/2003 19:13)
Hita fa be ny lehilahy tsy hiditra @ toy izany. Fa raha toa ary ka voafitak'ilay vehivavy ianareo, de ahona no hataonareo?
novalian'i tia_ery ny 09/01/2004 17:09
2. donemaskit ( 22/12/2003 09:18)
Raha zah manokana aloha, na dia mbola tanora kely aza, raha sendra bevohoka ny zanako ny vehivavy miaraka amiko, dia raisiko ho "fitahiana" e.

Tsy hiriako akory ilay izy hoe zao dia zao, fa... why not?!
3. tiem ( 22/12/2003 09:51)
esorina f inona indray
4. donemaskit ( 22/12/2003 09:54)
Sombin'ny ain'elah (sa indry?) ve dia hatao an'izany?!
5. isrine ( 22/12/2003 16:37)
ILay vehivavy manko efa tena mila zaza. Koa hataony avokoa ny fomba rehetra ahhazahoana zaza, zany we, mety tsy holazainy @ lehilahy miaraka aminy fa izay no tanjony.
Mety tsy holazain'ilay vehivavy mihitsy aza ny hoe zanakao ny zaza, fa in'1 andro, ohatra afaka 10 taona ianao lehilahy mahita bandy kely mitovy be aminao. De ahona ny ho réaction -nao,
Na mety lazainy ihany, nefa inona no ho ataonao; ianao tsy nihevitra zavatra toy izany mitsy!
6. donemaskit ( 22/12/2003 16:44)
Sarotra be ny hamaly an'izany!
Ny ahy manokana, toa tsy hisy mints ngamba ilay "surprise! tu es papa!!". Tsy miova @ ilay principe-ko teo aho : sombin'ny aina tsy maintsy tiana foana.

Olona efa nitrangan'ilay zavatra no tena tsara mamaly.
7. donemaskit ( 22/12/2003 17:55)
Isrine a! Enao nga mila zaza?

Houz enao hoe "izay no tanjony", in tsara? Fa mitondra azy mankaiza ilay bevohoka tsy miteny @lay lehilahy?
8. xxx ( 23/12/2003 11:42)
tsy misy afa-tsy ny resaka samy mazava no zava-dehibe, rehefa te hanan-janaka enao fa tsy te - hanambady de tonga de teneno @ lé lehilahy hoe, zà te hanan-janakaa aminao fa zà tsy hanam-bady anao anefa, de anjaran'ilay léhilahy no misafidy na sahy na tsy sahy, fa saingy ny tsi11 dia tompon'andraikitra @ zavatra ataony, "chacun est responsable de ses actes"..
9. isrine ( 23/12/2003 16:30)
Ka zao anie, misy ny lehilahy tsy te- ho papa nefa mba izy no tin'ilay vehivavy ho rainjanany, de ahona ary e?
10. ikaretsaka ( 27/12/2003 15:34)
lazao azy ry isrine e.. hoe papan'ny zanako fotsiny hoe ianao mantsy ilay lehilahy fa tsy voatery ho vady!
Dia lazao hoe aleoko manao an'izany hoe toty izay mitady ny sperme anao any @ banque de sperme!
11. isrine ( 28/12/2003 20:48)
ka izay anie no tanjona e, fa mety tsy hanaiky ilay lehilahy.
Efa manana banque de sperme angaha ny gasy? Mba ilazao fa tsy maharaka raha misy e?
12. salema ( 29/12/2003 10:12)
tsy tia metisy????? manova taranaka.........
13. isrine ( 31/12/2003 18:53)
salema: inona koa zany ? ka tsy efa be angaha ny metisy @ izao. efa niova hatry ny ela ny taranaka e.
14. ikaretsaka ( 03/01/2004 15:14)
rehefa hifanarahana ka vita an-tsoratra mihitsy ary vonona dia tsy hitako mihitsy ny olana ko
15. tia_ery ( 07/01/2004 11:22)
Ary 'nao zany mirevy Goldman be an!!! hira efa nandeha zany de efa voaraikitra kapila de efa fantatra ny tsy mahamety azy.

Fiainana makorely zany !!! Le mitsangana mivarotra ireny raha tsy fantatrao. Fa raha mbola viavy milay sy manana ny hasiny sy ny mahaizy azy tsy hihevitra velively an'izany.

Ny fantatro aloha ary mbola izay amintsika Malagasy de mbola henatra ho an'ny vehivavy ny bevohoka tsy manambady.

Sôtra eh!
16. isrine ( 07/01/2004 18:35)
Salut!
Tsy azonao ry tia_ery ny resaka o!
Henatra tokoa ny bevohoka tsy manambady, ho antsika malagasy, fa raha miteny vehivavy ve? tsy ao ambadika foana ny lehilahy e!
Ny lehilahy izay tsy azo terena na vozonana raha toa ka nahabevohoka zanak'olona, fa afaka mila-pa fona. Na de efa hita fa photocopie-ny aza ny zaza tonga eo de mbola manda ihany. Aiza re zany eritreritrareo lehilahy zany e?
17. ikaretsaka ( 08/01/2004 09:36)
Ny ahy aloha dia hoe ilay vehivavy koa ve dia tsy mahalala ny toe batany no hetsy ho bevohoka vohoka foana e?
18. tia_ery ( 08/01/2004 18:36)
Ka 'zay nge no hitandremana eh !!!

Maria zao bevohoka tsisy lehilahy zany nefa mbola henatra ho an'ny JOSEFA foana ny hampakatra azy raha tsisy intervention'ny Anjely de zay lay olana.

Aza miezaka ny hanamarin-tena fa ianao no topon'io fa tsy ny lehilahy velively. Ny vehivavy no topon'ny teny farany na hanokatra izy na tsia koa maninona no ailika any amin'ny hoe nisy lehilahy nanao foana io vao nisy ?

Tsy azoko mbô marina moa ry Isrine â!

Raha tena tsy maintsy atao 'lay firaisana ara-nofo de misy an'ireny PILLULE DE LENDEMAIN ireny mety hihety ihany ho an'ny vehivavy rehefa tsy mahatanty eh !!!


Sôtra eh!
19. fijo ( 09/01/2004 20:29)
miverena eto an tany ry tia-ery,fa lasa mivoana loatra ianao izany,ka sao tsy mipody intsony marina.
20. tia_ery ( 09/01/2004 17:09)
fa heverin'i Fijo ho aiza ary zà kle !!! tsy any Frantsa tsony aloha eh !!! fa efa nifindra lasy efa ela aty Dago. De aty Tany no betsaka.

Zà koa mbola tsy niala teto an-tany ka hiverina eto kle. Mbola ho avy ny fotoana angamba iza no mahalala ...

Sôtra eh!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1607