mistery

21. fijo ( 09/01/2004 20:31)
toa i tia-ery no tena misitery ry zalahy,fa aleo asiana fandinihana a.
22. tia_ery ( 09/01/2004 17:25)
ndao ary atao lohahevitra iray ndray i Tia_ery sy ny fitiavany eh !!!!

Aza mora misendotra ry Fijo fa resaka nge ireny ka resaka eh!!!!

Sôtra eh!
23. hendry ( 10/01/2004 16:09)
tia_ery: Saika azoko ny nolazainao saingy tsy azoko tampoka ndray.
-Saika azoko hoe: mety heverina fa ilay olona fantany zany aho satria mitovy @ ilay olona fantany? Asa aloha, fa zaho aloha tsy mahalala olona mitovy endrika aminy e.
-Tsy azoko ndray satria enao niteny hoe: "Mahafinaritra koa ange ny mahita olona mitsiky aminao rehefa eny an-dalana eh!!!" Ka izy anie tsy mitsiky e, tsy mifampitsy zahay fa mifampijery sy mifandinika fotsiny satria ohatran´ny mifankahalala nefa tsy haiko be ihany e.
-Hoy enao:"... tsy midika akory fa Tiany ianao." Zaho ngah moa miteny hoe tiako izy, na hoe tia azy aho fa misy zavatra mahagaga fotsiny dia izaho mahatsapa hoe olona tsy fantatro izy nefa ohatran´ny misy zavatra ifandraisanay, ohatran´ny nisy fiainana niarahana niaina nefa tsy mazava tsara.
-Tsisy idiran´ny coup de foudre koa ngamba ilay izy hoy aho satria tsisy resaka fitiavana hatr@ zao.
24. fijo ( 13/01/2004 12:33)
hendry ve efa lasa adala no mamaly tenin'adala e?
25. hendry ( 17/01/2004 12:02)
Marina ny an´i Fijo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7973