Marina ve fa...

1. xxx ( 08/12/2003 19:17)
Tsy tokony ho borosiana na hotsanina ny vava rehefa mifoha @ maraina. Inona no antony?
Isrine
novalian'i isrine ny 10/03/2004 13:21
2. rfanjav ( 08/12/2003 13:32)
angaha misy an'izany indray?

mbola tsy henoko indray izany fa mba valio ry zareo a! sao dia manaonao foana eto izahay!
3. fijo ( 27/12/2003 10:30)
ny mifanohitra amin'izany no tokony hatao.satria ny alina tontolo dia maro ny zavatra miangona ao,ka vao maraina dia tokony diovina aloha.sa te ho be fofona?
4. isrine ( 28/12/2003 20:35)
ny tokony atao isan'andro alou de ny miborosy ny nify farafaharatsin'ny in-2 izany hoe aorian'ny sakafo maraina sy hariva. Fa raha tsy miborosy afa-tsy in-1 kosa moa ianao de rariny raha vao mifoha de hiborosy nify, satria mahatsiaro ho maloto.
Ka ny zazakely anie ka tsy miborosy nify nefa tsy misy fofona e.
5. doris ( 03/01/2004 09:13)
Marina io ry isrine. Iny rora vao maraina iny no tsara ho an'ny fahasalamana. Mba henonkenoko fotsiny io an, fa avelao ny dokotera hilaza ny tena antony.
6. isrine ( 07/01/2004 18:19)
ka ny dokotera anie akia manjavona aby. Mety mila vola kosa angamba ry zareo vao hilaza hevitra eto.
fijo: ny fiborosiana nify dia aorian'ny sakafo fa tsy amin'ny vao mifoha mitsiny.
7. pitchou ( 10/01/2004 11:28)
misy zavatra ao @ rora mipetraka eny @ nify ka raha tsy alana dia mahatonga ireny plaque na tartre ireny! mandritra ny alina tontolo dia manana fotoana hipetrahana eny @ nify ireny zavatra ireny! dia izay tianao hoe vao mifoha sa avy misakafo maraina, fa tokony ho borosina aloha ny nify @ maraina e!
dia azo raisina toy ny mandro sy mibango volo ihany koa: misy ny sasany vao mifoha mihitsy dia izay no ahazoany aina, misy ny sasany avy misakafo maraina ...
8. ravelo2 ( 12/01/2004 19:58)
Ny fantatro dé alohan'ny hatoriana sy avy misakafo rahateo no ilaina borosina ny anaty vava.Satria rehefa matory dé mikombona ny vava,ary misy karazana bacteries mandehandeha ao avy @ resaka fermentation avy any @estomac,salive,....miteraka tainify hitantsika maso ireny rehefa elaela tsy miborosy nify isika.
9. isrine ( 10/03/2004 13:21)
ravelo: ny resahina anie dia hoe tsy tokony hoborosiana ny nify @ vao mifoha e, marina fa hoe fahazarana ny manontsana na miborosy fa eo ihany koa ny @ fahasalamana, ilain'ny vatana hono ilay rora nihandrona h@ alina iny. zany hoe tokony hadio lalandava ny nify. fa ny olona koa mantsy mora rikoriko raha vao toa izany no resahina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3083