Mafy loha

1. vetso ( 06/12/2003 18:08)
Rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny tena ve dia ampy ilazana fa mafy loha ilay olona ? Heveriko fa tsy mitombina velively izany ka inona no hevitrareo ny amin'io ?
novalian'i booboo ny 15/06/2004 18:16
2. xxx ( 06/12/2003 15:13)
Raha ny hevitro klou de arakarakinyzavatra na resaka hifanaovanaeo satria ra tsy mety mifandamina @ny maro ilay olona iray de azo ato hoe mafy loha.Demisaotra anao nametraka ny fantaniana fa sarotra io zavatra io ndraindray
3. isrine ( 07/12/2003 10:08)
Salut!
Tsy izay tsy mitovy hevitra @ tena akory de lazaina fa mafy loha. Fa misy ny olona efa manana toetra manjakazaka ka mihevitra fa hiforitra aminy avokoa ny olona rehetra.
4. rfanjav ( 10/12/2003 17:30)
Fa raha ohatra kosa ianao ka tsy mitovy hevitra aminy, tsy mety loatra ilay manohitra be fahatany fa mba mila manome "raison" sy soso-kevitra koa !
5. fijo ( 11/12/2003 11:02)
ny mafy loha koa anie tsy voatery hanana ny maryna e.rfanjav hoatra.ih,ih,ih.
6. xxx ( 20/01/2004 15:41)
tsapanao ny lohany dia ho hitanao e
7. pitchoune ( 28/01/2004 17:22)
Ny hevitra tsy voatery hitovy, ary raha mafy loha aminao ny olona tsy mitovy hevitra aminao dia mba mafy loha aminy koa ianao satria tsy mitovy hevitra aminy.
Ny olona mafy loha amiko dia ny olona tsy mety manaraka ny làlana tokony izorany fa miziriziry manao adalàna nefa fantatra fa tsy mampety.
8. six ( 03/03/2004 20:08)
pitchoune, izany mihintsy,
ny mafy loha dia izay tsy mety anarina
9. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:16)
mafy ny manjo azy
10. kitjo ( 19/03/2004 18:53)
aza voany
11. methode ( 08/05/2004 00:36)
Ary toa ohatran'ny hoe ratsy daholo izany mafy loha izany koa! Nefa za mahatsapa hoe ilaina ny mafy loha indraindray! Indraindray raha tsy mafy loha ianao dia ampitahorin'ny olona fotsiny dia tsy mahavita izay atao! Indrindra moa raha miditra birao! Za aloha de efa nanao mafy loha de tena nahomby le izy e!! Mpiasam-panjakana nanjakazaka tamin'ny tanana iray ilay izy ary natahoran'ny olona rehetra! Rehefa tonga tao aho dia nampitahoriny foana nandritra ny fotoana maro! Hitany fa tsy nihotsona tamin'ny noteneniny aho dia nanambitamby indray izy ary farany nivoaka daholo ny nataony! Rehefa nahita ny olona fa hay mety matahotra ihany izy ity dia namoaka ny alahelony amin'izay! Lazaiko anareo fa izao niongana tamin'ny asany io olona io ary tena mitandrina be ny olona nisolo azy! Fa ny tena marina kay dia tsy nanana ny fari-pahaizana ilaina akory ilay teo aloha fa resaka politika no nahatonga azy teo!!! De zay le hoe ilaina ihany ny mafy loha indraindray!!!
12. booboo ( 15/06/2004 18:16)
ny tsapako rehefa tsy mitovy hevitra @ be sy ny bobaka enao dé tonga dé sokajiana oe " mafy loha ", sady @ ilay sens négatif fôna na manome ny hevitrao sy aroso am-pahendrena ara ! Ny sasany no mety mahita oe ny hevitra atorony anà no tsara amiko fa zà indray mety hiaro ny hevitro oe tsy voatery ny tohatra niakaran'ny sasany no tsy maintsy hiakarako koa fa mety haka ascenseur zà ! izay no tsy dé tian'ny oul matetika. Fa ilaina ny manao mafy loha indraindray araka ny tenin'i methode.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2606