Spaoro sy fialam-boly hafa

1. ikaretsaka ( 05/12/2003 15:56)
Matetika dia ireo Spaoro sy fialamboly mahazatar toy ny Baolina kitra , hazakazaka, lomano Basikety sns..no tena resahin'ny gasy. Ahoana ny fandraisan'ny gasy ireo spaoro hafa izay tsy mbola fahita matetika any madagasikara? misy manao ve? misy mijery ihany ve?
Ohatra hoe Football australien, catch, Baseball, cricket, polo, bowling, aeromodelisme, voile... sns
Efa mba tian'ny gasy ve ireny ary misy gasy manao any ho any?
novalian'i fijo ny 09/01/2004 16:33
2. hery ( 06/12/2003 10:35)
Ny tena blem amin'ilay izy ry ikaretsaka dia efa hita fa tsy mahomby ny gasy @ lalao sasany mbola atao sy andaniana vola be ihany. Jereo fotsiny ohatra ny baolina kitra. Resy lava... misy antony aho fa zà mijery ny vokatra. Ka raha mbola tsy handresy ihany maninona raha adaboka mihitsy dia mitady lalao hafa izay manomboka manavanana ny gasy dia iny no totofana fanampiana? Vola ôtrin no lany amin'io kitra io kanefa tsy lasa lavitra mihitsy... ary mankarary fo ny mpitia baolina kitra fotsiny.
Marina ihany angé ny tenin'i Ndalana tamin'ireny gidragidra nifanaovana t@ FIFA ireny e...
3. ikaretsaka ( 06/12/2003 12:06)
izay mihintsy koa ny hevitro ry hery ko
4. eliana ( 06/12/2003 14:21)
Raha ny hevitro indray dia izao. Isika dia tia andrakandrana fa tsy tena manao amin'ny fo !

Tsy mazava ny règle du jeu ao Dago ao... ! Business daholo ny rehetra. Izaho dia mahalala un SOIT DISANT hoe dokoteran'ny Fédération Malgache de Foot-Ball, nefa ilay namana tsy hita mihintsy, nefa dia manday vola. Ny mason-karen-tsika no be loatra dia kely ny vola tokony ho ampiasaina mivantana any amin'ny mpilalao.

Raha hanao entrainement ve dia akondro sy sirop no bobohana ohatra ka aiza no hamokatra nefa ny mpisan'ny fédération izay tsy milalao rehetra mistyle am fandraisana vola be sy ny fikirakirana ny volan'ny férédation !

Ny olona te hanampy ny foot-ball malagasy dia betsaka ny tena manana ny finiavana fa ireo mpitondra ao no tsy tian'ny olona ka mahatonga ny olona hanao investissement !

Tsy olana ny faharesena fa mila ovana ny politika fampiasana vola !

Raha jerevantsika ny lafiny tourisme dia zao no fandehany. Nahoana no eo anelanelan'ny jiona sy octobre dia tsy misy toerana intsony mivezivezy eto Madagascar ho an'ny mpandeha fiara manidina ! Nefa amin'io fotona io no tena be ny mpanao vakansy sy ny tourisme... Nahoana no mahatafiditra tourista 600000 par semestre ny Maurice nefa isika izay manana tsena be indrindra aty am ranomasina Indiana no tsy mahatafiditra mihoatra ny 100000 par an !

Tia mampiasa vola ny gasy fa tsy mahay mitady vola ! Ny antony dia be loatra ny mason-karena dia mahakivy ny mpamatsy ! Ny mpilalao dia vonona tokoa fa ny mpitondra ao no tsy manana ny trai-kefa ho entina mitondra.

Tsy hoe anie rehefa mahay mikajy dia atao Comptable ohatra e, na hoe rehefa mahay mitana tsofa dia hoe mpandrafitra ... na hoe rehefa mahay misery bilao dia hoe mécanicien !

Sa ve ahoana ny hevitrareo ? Aza miala aloha anh ! Lolevako kely io aloha araka ny tenin'i RATAM izay.
5. xxx ( 06/12/2003 15:31)
ka ny antsiak anie hatrany ambony ka hatrany ambany dia Businesse daholo e
6. ikaretsaka ( 11/12/2003 19:35)
misy manao base ball ve ato na aeromodelisme e? mba hifanakalo hevitra
7. fijo ( 12/12/2003 16:43)
misy lalao tsy fantatry ny gasy akory izany ri karetsaka a.ny momba ilay tsy mamely indray dia io hevitry eliana io no hitako fa mitombona.tsy ny mpanao spaoro no tsy mamely,fa ny politikan'ny spaoro mihintsy no tokony hovana.
8. ikaretsaka ( 15/12/2003 12:44)
ary raha ilay lalao tsy fantatry ny gasy indray no asaina trandrahiny dia mamiratra any iny! ohatran'ny boules izao vao haingana no fantatry ny gasy nefa voakarakara tsar adia champion ny bandy kely... asa, tokony atao misimisy ve ny ohatran'ireny?
9. ikaretsaka ( 15/12/2003 12:44)
ary raha ilay lalao tsy fantatry ny gasy indray no asaina trandrahiny dia mamiratra any iny! ohatran'ny boules izao vao haingana no fantatry ny gasy nefa voakarakara tsar adia champion ny bandy kely... asa, tokony atao misimisy ve ny ohatran'ireny?
10. pitchou ( 18/12/2003 14:02)
ny fahitako azy aloha de raha spaoro an'olo-tokana na doublet na triplette dia mety ho zakan'ny gasy satria ezaka azon'ilay olona manokana atao ihany. ohatra ny tennis, ny pétanque, ny hazakazaka, ny lomano sns ... fa raha spaoro collectif de sarotra be satria na ny fanangonana sy fanazarana ny ekipa hiara-hilalao aza rezatra be! ny hieritreritra hanao lalao fanazarana miaraka @ firenena hafa moa de sahala @ lanitra, avo ka tsy takatra!
sa ve individualiste koa ny spaorotifa gasy ka na samy mahay aza de rehefa atambatra miaraka milalao eo ambony terrain de tsy mandeha satria samihafa ny teknika?
11. ikaretsaka ( 26/12/2003 15:59)
ka eo indrindra isika izao ko
12. fijo ( 26/12/2003 19:05)
ny politikan'ny spaoro mihintsy no tokony hovana.toy ny aty france ihany io.
13. ikaretsaka ( 03/01/2004 19:40)
tokony atao ohatran'ny aty USA.. privatiser-na aby .. dia mande io
14. fijo ( 08/01/2004 11:30)
mila vola izany ry karetsaka a.fa tsara ilay hevitra.
15. ikaretsaka ( 09/01/2004 15:38)
manafatra investisseur indray ko... @ sport fotsiny... eritrereto fa mety hitovy @ Brcelone ny Fortior ohatra
16. fijo ( 09/01/2004 16:33)
tsy mbola maharaka ny produits derive ny any,ka mbola sarotra ny hanao investissement.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1718