toaka

1. fijo ( 04/12/2003 18:49)
TOAKA

Ho an\\\'ny tanora sy ny nahazo taona
raha mifankahita ary koa tafahaona,
na any an-trano na vory vahoaka
alohan\\\'ny resaka,ajoro aloha ny toaka.

Dia mandeha ny revy,tsaroana ny fahiny,
ny zaza efa roa,telo na dimy.
miakatra ny vera,ary tsy misy tsiny,
samy mametsovetso izay zava niriny.

Ireo tovolahy homban\\\'ireo sipa
tsy ferana intsony izay zavatra vita.
mifanao fotoana,fa hiara mivoaka
handihy sy hirevy ary hisotro toaka.

Io koa i dada sy ny namany taloha
miresaka ny fiainana mahavakyloha
andrenesan-tsiky ary koa do mbera
satria eo ny roma sy ny labiera.

Neny sy ny sasany repotra atsy
manendy sy mitsatsika ireo tsaky
sady mamely coca ary koa soda,
fa ilay mahery aleo ho an-dry zala.

Tsara ny sipa,fanaja ny vady
ny mpifankatia anefa tsy hialan\\\'ady,
dia iny ny lahy fa lasa mivoaka
mandamina saina,ka misotro toaka.

Na fifaliana na koa fahoriana,
nahazo zava-tsoa na very olon-tiana
dia toa ny vary miaraka amin\\\'ny laoka
toa misy tsy ampy raha tsy misy toaka.

Saingy inty misy hafatra ka tadidio,
ataovy ao an-tsaina manomboka anio.
ataovy ny revy,sotroy koa ny toaka,
nefa asio fetra,aza atao tafahoatra.

FIJO
novalian'i fijo ny 19/02/2004 10:04
2. oupsyyy ( 05/12/2003 19:01)
Ary hay ve ty namako ty ka tena poety e, tongava soa aty lesy am fin dec ry fijo a
3. rfanjav ( 05/12/2003 19:06)
Voaray,
tohizo fa tsara,

dia manja koa aloha raha tsy nidiran'Andriamanitra e, raha tsy izany lava ny adihevitra teto,
ha ha ha

fa hono ho'aho aloha, misy hevitra ambadika ve?
4. miranakely ( 05/12/2003 12:43)
misaotra amin'ilay tonokalo. mora voaray ny hafatra : fitantarana ny fizotran'ny fiainan'ny malagasy ary miafara amin'ny lesona misy isaintsainana, tsotra, mora azo, ary mahafinaritra ilay mi-rima aminy. manentana izay manantalenta hatrany.
5. kally ( 05/12/2003 17:35)
Ary Fijo hay manan aingam-panahy ohatr'izany a! sady mba tena ahitana taratra tsara ny fiainan'ny gasy ilay izy.Ny mahafinaritra ahy aminio tononkalon'i Fijo io eto dia ilay izy anatinn'y hafaliana,vera vokatry ny hafaliana fa tsy ilay vera fanadinoana(afa-tsy ety amin'ny faramparany aty vao misy an'ilay zalahy mandeha misotro fa niady nivady),tsy ilay toaka mampiady sy mampamoaka antsy no avoakany eto fa ilay toaka mampifandray.Mahafinaritra!!
6. isrine ( 06/12/2003 18:20)
Ny fianana @ ankapobeny mihitsy no fahitako ilay tononkalo. Sady tsy resaka azon'ny gasy atao raha tsy miakatra alou ny toka e, indrindra rehefa vory vahoka zay. TSy haiko na hoe efa fahazarana na mampisy charme ny resaka ry zalahy rehefa mahazoazo kely, fa atao @ antonony tokoa! Mahafinaritra ry Fijo a!
7. oupsyyy ( 08/12/2003 10:48)
Ye, tena msiy olona tsy mahavita zavatra raha tsy misy an'io. Tsy de azoko lotra alou e, fa bof ny tsirairay samy manana ny fahazarany.
8. pitchou ( 08/12/2003 14:34)
hay i Fijo manana talenta mahafinaritra manokana kay kou! ilay tononkalo no talenta tiako lazaina fa tsy ilay tantarainy akory an! ih!ih!ih!
misy tononkalo mikasika ny mofo gasy koa izao any aminao o? na tsy miady amin'ny toaka aza ny mofo gasy ...
9. isrine ( 09/12/2003 14:00)
Ny tononkalo mofo gasy, mety ho ny vadiny indray no mahay an'izay, fa ny azy ny tononkalo momba ny mofo mofo no tena hainy iray koa.
Hihihi...
10. fijo ( 10/12/2003 11:09)
misaotra anareo rehetra e,talohan'ny nialako tany mada,dia tsy nahadinika zavatra aho,fa tamin'ny 1998 aho niverina tany,dia ireo no zavatra hitako tamin'ny fiainan'ny olona.ny lehilahy vao mihaona dia ao.ary nefa dia faly foana ry zalahy fa tsy miady.dia hitako koa,fa raha vao misy blema ny ankamaroany dia lasa kely mankany.hoatra ny nahafinaritra ahy ilay izy,satria tena lasa fiavanana sy famahana olana ilay toaka.marihiko fa izaho tsy pisotro toaka an.fa tena nahavariana ahy ireo zavatra ireo.fa ny mofo gasy no mbola tsy nodinihako.
ary misaotra an'i rinakely nanao avocatko,fa namely indray irfanjav.io aloha raha mifanena amiko any,dia ahita tokoa,fa ataovy ihany.
11. rfanjav ( 12/12/2003 18:36)
fijo : mamoanao @ toaka ve?
12. isrine ( 12/12/2003 19:09)
Zay ny andry ry Fanjav, aza mba tratan'i Fijo io indry fa ataony mahamay tokoa. Bandy avy any Marseille anie io e.
13. mozart ( 13/12/2003 09:57)
merçi fijo an!!!ny toaka lesy tena mora mampihavana a!!nefa koa mora mampiady:raha te haka namana na fahavalo dia toaka no fitaovana akaiky indrindra.
14. fijo ( 16/12/2003 10:55)
marina koa izany.
rfanjav.mamoako amin'ny rehetra ka.ih,ih,ih.
15. isrine ( 18/12/2003 19:28)
hihihi
16. fijo ( 19/12/2003 09:14)
inona indray ity mampihomehy an'i isrine?
17. isrine ( 19/12/2003 12:37)
k'enao hanamamo an'i Fanjav @ rehetra no mampihomehy ahy e!
18. rindranavalona ( 22/12/2003 10:07)
Salama daholo!
Raha nandinika ny tononkalon'i Fijo aho dia somary gaga ihany. Fa misy zavatra tsy azoko.
Ny tena misongadina ao dia ny mety ho voka-tsoa azo avy amin'ny toaka, na dia misy kely ihany aza ny voka-dratsiny nolazainy. Saingy nomarihiny manokana fa izy tsy mpisotro toaka, dia hoy aho hoe fa inona no atahoran'i Fijo ny toaka? na koa hoe ny atahoran'i Fijo ny ho lazaina fa mpisotro toaka? Mandoka izy nefa tsy sahy? Ilay tononkalo aloha tsara e! Ohatra ireny tsara mahazatra ireny. Mampihomehy, misy hafatra tiana ampitaina, ary dia tafita tokoa ilay hafatra, fa ...
19. fijo ( 24/12/2003 16:35)
rindranavalona>misy tia baolina,nefa tsy milalao.
ny toaka dia misy maha tsara azy.raha tsy atao betsaka.raha vizana be ianao hoatra,ka misotro kely dia manala havizanana io,ary manampy amin'ny tory maso.saingy ny mampatahotra ahy,dia ity fisotron'ny olona azy aty mada.tamin'izaho nandalo taty farany mantsy dia gaga mihintsy aho nahita bandy telo lahy misotro toaka iray litatra.tsy isole io zavatra hitako io,fa isaky ny sabotsy sy alahady aho dia nahita io zavatra io.manana toaka aho ato an trano,fa ny tavoahangy iray iny dia maharitra enim bolana na mihoatra.ka izay no nahavariana ahy.ny tiako lazaina dia tsara io,fa tokony hovana ny fisotro azy.
20. six ( 18/02/2004 12:01)
marina izany ra -fijo a, mampatahotra mihintsy aloha, za mba efa nisotro ihany fa ts tena hitako ny tena ilàna azy be loatra, satria avy eo a tonga de matory beeuuh, d aleoko refa mbo misy occasion vao misotro. d ity ary ny tohiny

ilaina ny toaka raha vory vahoaka
indrindra raha misy zavatra tiana havoaka
kanefa mety hiafara amin'ny ady,
sy mahatonga ny sasany hamono vady

aleo atao fanafody no tena marina
fa tsy ilaina ny toa varimbarina

d izay.

6
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903