tsena sy fiangonana

21. mity ( 17/12/2003 11:50)
Misy kou ny olona mbola tery saina be e! hany ka na inona na inona rehefa resaka fivavahana de ekena daholo satria zany no atao hoe mino
22. fijo ( 18/12/2003 20:42)
ka izay ilay hoe mamon'ny fivavahana.
23. isrine ( 18/12/2003 19:38)
hafa be ny hevitry ny mpino e. Amiko ireny izay tsy mivavaka @ andro voadidy ho hamasinina ireny de tsy tokony hilaza fa mpino.
24. fijo ( 19/12/2003 09:19)
mino daholo hono ry zareo e.tsy hay intsony.ny ahy ny alahady dia aleoko,manao boul sy misotrosotro kely.
25. mity ( 19/12/2003 17:57)
Tsy voatery hoe ni mpiditra ampiangonana isaka alahady ihany kou anie no atao hoe mpivavaka sy mpino e!!!
Ireny mpiditra ampiangonana isaka alahady ireny indrindra ary indraindray no manao ny ataony kou, jereo fotsiny le hoe pasitera teny Ambohimanarina mangalabadin'olona, de niady teo antokontanin'ny fiangonana, jereo kou ireny diakona mangalatra ny volan'ny fiangoanna ireny? ka tsy hoe ze miantso tompoko tompoko rehetra izao akory de hoe tena mpino sy ho voavonjy daholo e!!!
26. isrine ( 19/12/2003 12:52)
Ka izao anie ry Mity e, isan'ny didin'Atra ireny rehetra ireny, isan'izany ny aza mangalabadin'olona, aza mangalatra, ... mankamasina ny andro alahady. Marina fa milaza ny olona we tsy voatery ho any ampiangonana fa efa izay no lalana nisy hatr@ zay raha resaka finoana no lazaina, fa ny fiainana ankehitriny de efa miova e, samy manao ny lalana ho azy eny.
Ny an'ny sasany tys hivavaka satria tsy manana akanjo ho enti-mivavaka, satria efa lasa fifaninanana ny mankany ampiangonana fa tsy de hoe hivavaka lotra. Efa ho avy indray zao ny fety de miraratra daholo satria handeha hamonjy Xsy! NY hevitry ny Xsy tsy fantatra ntsony fa ny hampidera akanjo no masaka ao andoha, k'aiza ary e!
27. fijo ( 23/12/2003 12:43)
ary raha asiana defile moa any ampiangonana?
28. mity ( 23/12/2003 16:50)
Misy defilé foana any kah, ny an'ny catholique rehefa manao kominio, de ny an'ny protestant indray rehefa manao rakitra eny ambony alitara.
29. fijo ( 24/12/2003 10:53)
izay izany no anaovana akanjo tsara?mazava amin'izay.ary ireo tsy manana,mpitazana?
30. rasta ( 26/12/2003 18:02)
Andro fitsaharana ny andro fahafito hoy ianao.
Fa iza marina moa no andro voalohany? Izaho anie dia afaka miteny hoe ny Alarobia na alakamisy na...ny andro voalohany e. Saingy raha manao izany ny rehetra dia tsy mety ny fomba fiainana eto ambonin'ny tany e. Ohatra fotiny hoe zaho manao hoe alahady ny fitsharana ny mpiara-miasa amiko miteny hoe talata ny mpiara-mianatra amiko miteny heo zoma dia ahoana. Io indray ranamana dia lalana noforonon'ny vazaha mba hampandeha ny fitantanana sy ny afera manerana izao tontolo izao an.
31. fijo ( 26/12/2003 18:52)
marina izany rasta a.hay ny daina ahafahana mandinika tsara ny zava misy ko.
32. isrine ( 28/12/2003 20:44)
na tsena na fiangonana!
33. jessicac ( 05/01/2004 10:29)
nga ny mpivarotra rehetra mpivavaka e??? tsy mety kosa aloha io e!!!
34. fijo ( 08/01/2004 11:05)
sady tsy aleo ve mandeha mampiaraka e.
35. ikaretsaka ( 09/01/2004 16:12)
mivavak akoa izany ra fijo an...mivavaka @ V...ehivavy!
36. pitchou ( 10/01/2004 12:06)
ka nareo kosa ary ve tsy mba mitsetra ny mpanadio ny tsena e? dia hiasa 7/7 andro izany rizareo satria hosokafana 7/7 andro ny tsena nefa ny mpivarotra tsy 7/7 andro daholo no mivarotra? tokony hisy fotsiny aloha izay marimaritra iraisana @ andro hanakatonana ny tsena! d mahazo mandeha mampiaraka @ fijo raha alahady ny tsena no mikatona, satria i fijo toa tsy miasa alahady?
37. fijo ( 23/01/2004 11:44)
aiza kosa no hiasa alahady.asa hafa no atao amin'io.ih,ih,ih.fa ilay resaka mpanadio tsena anie ry pitchou,misy ekipa ry zareo e.dia atao manao tour ny mpiasa.
38. samoina ( 23/01/2004 17:33)
Dia hafindra andro hafa koa ve izany ny voka-dehibe fanao am-piangonana satria toy ny varotra ihany ?
Ary nahôna ny môpera sy pasitera no miasa alahady. Sa tsy mandray vola moa izy ireny ?
Dia mikatona daholo koa ve izany ny farmasia ? Sa heloka ny marary andro Alahady ?
Ahoana raha lany lasantsy? Ets....
39. fijo ( 28/01/2004 11:19)
rediredy ny mpivavaka io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3821