Tsy ilaina ny fanafodiny

1. moi ( 28/11/2003 15:48)
Tsapa ho miroborobo ny sehatra isan-karazany miady amin'ny SIDA, ary misy vola be mandehandeha any ! Tena eran-tany io, ka mahalasa ny saina hoe Tsy atahorana ve ny fahitana fanafody manasitrana ny SIDA ? Satria asa maro no ho foana, organisme maro no hanjavona raha hita ny fanafodiny... Ka hoy angamba ny sasany am-po tsy miloaka manao hoe "Ho ela velona anie ny SIDA, fa fivelomana io !"

Nandinika ny raharaha Zaraniaina aho, dia mino fa misy fahamarinany izay ! Efa nisy tokoa ve olona notsaboiny sahy nijoro hoe voan'ny SIDA fa tsy sitrana akory tany aminy ! (sa efa maty ?)

Raha izaho aloha no voa, na mahalala olona voa, dia mampirisika aho : ndehana mankany, fa inoako fa mahasitrana tokoa io rangahy io, saingy tsy ao anatin'ny norme, satria ny fomba manaraka norme tsy ahitana ny fanafodiny, sa mody tsy ahitana ny fanafody amin'izay mitobaka foana ny vola amin'ny fikarohana ?
Tsy fahasahiana goavana ve ny fisandohana ho mahita ny fanafodin'ny SIDA, dradraina hatrany ivelany aza ny resaka ? ...
Hiara-hahita eto isika, fa amiko dia izay hampilentika lalina ara-dalàna an'i Zaraniaina no tanjona. Ary hivoaka hatramin'ny lalàna mandrara ny fivarotana tambavy sy tapa-kazo, afa-tsy izay efa navoakan-dRatsimamanga, satria tsy misy nahavitana soutenance médicale ireny ! Aiza ko, olona tsy ao anatin'ny tontolon'ny fitsaboana siantifika ve no nahita indray ny fanafody ...
novalian'i dom ny 23/01/2004 09:13
2. rfanjav ( 28/11/2003 19:51)
Izaho koa mieritreritra hoe atahoran'ny amerikanina mihitsy angamba ny ahitan'olona hafa fanafodin'ny SIDA,

ny antony araka ny fahalalako azy, raha ohatra ka déclarer-na fa mahasitrana tokoa Zaraniaina, dia tapina daholo ny lalan'ireo organisme international @ ady @ SIDA,

tsy hitako izay olana raha misy olona voan'ny sida manatona azy anaovana fanandramana, efa ho faty ihany tsy aleo manao ala-nenina farany !



3. kally ( 28/11/2003 14:56)
Io anie,vola amina miliara no mihodinkodina eo e!ary ny resaka rehetra tsy maintsy miainga @ vola,ka raha hitan'i Zaraniaina tokoa ny fanafody ary dia ahoaan ny vola nampiasain-dry zareo amerikanina sy eropeana t@ fiakrohana,Very fotsiny hoy zareo nefa amina miliara hoy aho io resaka io.Ka asa!
4. rinakely1 ( 29/11/2003 13:53)
ka inn ary ny olana @zany e? Ain'olona no vonjena ko raha vitan'ny zaraniaina ary zany tsy aleo v izy mba hiditra ho an'isan'ireo savant e
5. rfanjav ( 02/12/2003 18:50)
Ka manjary very fihinanana ny amerikanina sy ny karazana organisme raha voaporofo tokoa fa mahasitrana Zaranaina ka!

fa za anie manaiky ny fikarohan'i zaraniaina e, sao dia tsy azonareo ny tiako tenenina! avelao izy hanao ny fanandramany e! izy aza efa manaiky hanao fanandramana ny tenany !
6. mtiana ( 03/12/2003 09:52)
Ka ny fanjakana ange tsy manaiky ny hanaovana ny fanandramana hanaporofoana, asa na mahana fa hahomby ilay izy. Tsy fantatra na mba nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana amin'ny fahitana fanafody hanasitrana izy na ahoana na dia juriste aza. Mbola ho hita eo ihany moa ny tohiny e!
7. doris ( 03/01/2004 09:18)
Manahoana !
Tohano arak'hevitra zany i Zaraniaina e, gasy angaha izany olona izany? Sambany vao nandalo ny sofiko ilay izy.
8. moi ( 08/01/2004 19:59)
Ny gazety Tribune Madagascar 08/01/04 page 11 dia misy interview tamin'ireo Vavolombelona velona 3 notsaboin'i Zaranaina !
9. pitchou ( 10/01/2004 11:36)
angamba tsy ny vola @ miliara natobaka @ fikarohana no ataoharany fa ny vola @ miliara tsy hiditra aminy satria raha azon'i Zaranaina ny brevet d izy no hanjaka eo @ io sehatra io! ny "manam-pahaizana" ihany ange no mandà azy e! satria mihevitra fa raha tsy nandrovitra isana pataloha mitovy @ ny azy teny @ université d tsy tokony hanana fahaizana amam-pahalalana! efa nampifanatrehan'ny télé indray andro olona mpitsabo @ ravinkazo sy dokotera malaza teto Tana! nahafinaritra be izany!
10. pitchou ( 10/01/2004 11:39)
fa ny fahitako azy dia manakatsakana aloha ireo manam-pahaizana, ahafahany misikotra tsara ilay fanafody dia izy no hamoaka azy avy eo! dia toy ireny hoe nahita na nahavita fanafody momba an'itsy na iroa ireny e! nefa anie ka efa fahaizana nentim-paharazana nananan'ny mpimasy ilay zavatra fa mody nanaovana publication @ teny tsy hain'ny gasy fotsiny!
11. dom ( 23/01/2004 09:13)
de hita fa mitovy hevitra daholo ny olona tsy ao anatin'ny fitsaboana. Raha izaho dokotera dia tsy hitako izay hialonako hoe olona tsy nianatra médecine no mahita fanafody ary ataoko fa mitovy @izany koa na ireo ministre sy dokotera ao @ ministère de la santé. Fa izao fotsiny e, manaiky ve ny gasy atao cobay? izay te-hitsabo fa marary tsy mahita aleha intsony aleo handeha any @ zaranaina ary tsy tokony hodradradradrainy izany raha tena mahomby fa ho fantatsika foana. Eritrereto fa raha hoe mahasitrana na mampitombo ny andro iainan'ny voan'ny sida fotsiny ny fanafodiny kanefa ohatra mitondra cancer ho an'ny ra (leucémie) na rein na foie dia aiza ny responsabilité-n'i zaranaina sa atao hoe ny ministère no nanome alalana azy dia andraikitry ny ministère izany? dia saino koa fa raha mirohotra ho aty ireo sidéens avy any andafy fa hoe hitsabo dia miantoka ve i zaranaina fa tsy hanao rapport sexuel amin-dra-sipa gasy vidiana @ 100.000fmg ireo sao mba hamindrany ny aretiny. Fa izao : misy ny depistage (fitiliana) maimaimpoana eto amintsika, ao @ BMH ao Isotry ohatra, asaivo miandry eo ambaravarana eo i Zaranaina dia manontany olona hoe séropositif ve ianao, dia asaivo tsaboiny, dia asaivo manao analyse indray aorian'ny fitsaboana dia ho hita hoe nivadika ho négatif ve ilay positif teo? dia asaivo manao fitsaboana olona 100 izy aloha dia manao statistique hoe firy pour cent ny sitrana fa raha vita izany dia manaiky izahay nianatra fa porofo scientifique izany! Dia mino ve ianareo fa eto amintsika ihany no misy olona miteny hoe mahita fanafodin'izao na izao nefa tsy dokotera? C'est partout dans le monde.
izao fotsiny e! raha ny sida dia izao ihany NY AZA VOANY IHANY.
izahay dia manaiky raha misy preuves scienfiques entin'i zaranaina fa na izahay aza ange mba vaky loha hoe inona no ataontsika dokotera raha misy mararin'ny sida ka ny fanafody tokony hohaniny hanalava ny andro iainany dia vidiana 250.000fmg isambolana ary mandra-pahafatiny? Tsy aleo ve izy alefa HIALA NENINA ANY AMIN'I ZARANAINA? dia hifankahita eo @ salle d'attente-n'ileiry eo ni séropositifs sy ny sidéens rehetra eto @ tanàna, miaraka @ zongo mitondra voandalana virus du sida. Saino ihany e!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3394