fisian'Andriamanitra

21. mtiana ( 04/12/2003 18:05)
Ny finoana samy manana ny azy, nefa tadidio fa ny fihevitr\'olombelona tsy hitovy amin\'ny fihevitr\'Andriamanitra na oviana na oviana, ary Andriamanitra dia manana ny rindran-daminy sy tompon\'ny fahefana rehetra eto amin\'izao tontolo izao. Ny siansa mbola eo ambany fahefany .... Iza kay no manome ny rivotra iainantsika olombelona sy ny zavaboary rehetra ? raha sanatria moa tsy omeny rivotra hofohana isika dia mba ahoana no hiseho ? Izy no nanolo-tsaina ireo savants sy ny sisa fa tsy nisy olona nahay ho azy amin\'izao.
Koa asakasasak\'izay mbola tsy mety mino an\'Andriamanitra
22. isrine ( 04/12/2003 14:50)
Sali!
Ny fanontaniana anie de we: fisian'Atra e.
Raisina ohatra ny misy atsy Palestine, efa tsy manana rivotra iainana ntsony anie ny vahoka ao e noho ny ataon' Israely e. Nefa ny olona ao mivavaka an, ary taiza moa i Jesoa no teraka raha tsy tao @ dreo tao, de raha atao hoe tarananany aby ve ny vahoaka ao reo de avelany hijaly toa an'izao. Sa mbola inona no andrasany! No tsy mba miseho izy mba hamelomana indray ny finoan'ny hafa efa mihamaty! Satria tsy misy endrika ahalalana mihitsy ankehitriny fa misy Atra!
Mahantra anie ny vahoaka ao e!
23. fijo ( 05/12/2003 20:30)
ka ny azy ry isrine ilay mpampijaly no tiany a.(raha misy izy aloha)
ary ny herin'ny ratsy anie ry rfanjav,tsy ny mpino ihany no miady aminy e.izahay koa tsy tia ratsy ka.
24. rfanjav ( 08/12/2003 13:50)
fa ny ankamaroan'ny olona sasany, mampanjaka ny vola be sy fitiavan-tena fahavalon'ny fifankatiavana,
25. isrine ( 09/12/2003 14:27)
KA izay indrindra no efa endriky ny tsy fisian'Atra!
26. fijo ( 10/12/2003 20:47)
ka ny vola anie wa atra e.mahery io,no sady tohaina.
27. moi ( 10/12/2003 17:07)
Isrine > Hamonjy na hanafay ny Israely na Palestina : tsy programan'Andriamanitra maika izany.
Dia inoako fa hanontany tena koa ianareo hoe nahoana no misy ny mahantra sy mijaly raha misy Andriamanitra ?
Tsy ahalava resaka ahy dia tsy ny confort-n'ny olona ety an-tany no priorité an'Andriamanitra ! Izay no indro kelin'ny Evangile du succès : fanasitranana, fahitana asa, fahombiazana, vola ... izany no voizina be ! Sarotra tokoa aloha ny mitory hoe raha mivavaka ianao dia ho fahavalon'ny olona, henjehina ... Dia diso hevitra ny amin'ny fivavahana ny maro ! Mitaona ny tsirairay aho handinika, fa tsy hamaky fotsiny ny Soratra Masina, fa voasoratra hoe Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina !
28. fijo ( 11/12/2003 10:50)
masina taiza aloha io boky io?lazaina fa masina dia mino ianareo.
29. isrine ( 12/12/2003 18:57)
Fa sady Atra zany anie tsy miteny e, rariny izy raha tsy nanana ny programany. fa nilaza angaha izy we: inona no maika?
Ka aty aminay tsisy boky ny soratra masina e!
30. fijo ( 17/12/2003 11:50)
aty misy ,fa ilay boky nolazain'i rinakely
31. isrine ( 18/12/2003 19:40)
De tsy misy zany Atra!
32. fijo ( 19/12/2003 09:20)
tsy misy ka.na niafina hoatra an'i saddam.ih,ih,ih.
33. isrine ( 19/12/2003 12:53)
ela niafenana manko zany Atra zany an, de ahona no atao mba hahitana azy?
34. fijo ( 23/12/2003 12:46)
rehefa noana ve izy tsy hivoaka,fa aleo aloha izy hoany.
35. donemaskit ( 23/01/2004 09:29)
Ny vola ve raFijo no andriamanitr'elah ?!

Tena nandiso fanantenana an'ahy ise, nataoko fa mba tena nahalala fiainana tokoa...
36. jhouhlambout ( 26/01/2004 20:26)
"Existe ou n'existe pas?": Telle est la question.
37. fijo ( 28/01/2004 11:03)
done tsy andriamanitro ny vola,fa andriamanitry ny firenena reghetra.milaza firenena iray na olona iray ka tsy milefitra rehefa tonga eo ravola.na vatican aza,dia fehezin'ny vola ary miondrika eo anoloan'ny vola.
38. donemaskit ( 28/01/2004 19:55)
Ekeko iny,mais si tel était vraiment le cas, l'argent existerait par lui-même, or il ne sert à rien quand il n'y a personne pr l'utiliser.

Za dia mino ny fisian'Andriamanitra Fitiavana, nahary ny zava-drehetra ; Raintsika olombelona.
> sokafy fotsiny ny maso fa mazava be zany...
39. librepenseur ( 19/03/2004 19:50)
Misy fitenin'ny Ntaolo manao hoe :"Tsy ny vola no voalohany fa ny fihavanana, ary tsy ny fihavanana no voalohany fa ny hasina".
Amiko rehefa mifanaja sy mifanome hasina ny tsirairay dia ampy, ary ny finoana amiko dia drogue...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2212