Vehivavy Malagasy - Liban

21. fijo ( 26/11/2003 19:20)
ka izay no tsy tokony anekena be fahatany izay voalazan'ny olona momba ny any.ny arabo sy ny musulman dia olona tsy manisy vidiny ny vehivavy.koa asakasak'izay mbola te ho any io.
22. xxx ( 27/11/2003 14:34)
Saika tsy handray anjara aho fa dia hiteny ihany.

Safidy io ry zareo anh ! Izaho izay manoratra dia maharaka misimisy ny antsipirihan'ny resaka fony mbola nisy birao tany Matagascar sy tao Beyrouth.

Ary izaho izay manoratra dia efa nahita maso ny contract fa dia misy ao anaty CONTRACT ilay hoe mipetraka any amin'ny mpampiasa ny taratasy momba ilay olona miasa ao aminy, ary voalaza ao anaty CONTRACT daholo ny zavatra tokony hatao sy ny tsy tokony hatao.

Ka araka ny voalazan'i Isrine dia olon-dehibe no mandeha any. Ka matoa manao SONIA ny CONTRACT dia manainy ny voalaza. Inona no zava-misy anefa.

Milingilingy manao sonia nefa tsy fantatra mazava ny voalaza ao. Za maheno fa misy ny Malagasy miadana tsara any, ary misy ny mikorosy tokoa...

Izaho aza maheno fa ao USA dia misy malagasy ihany koa manao asa toy ny andehanana any Liban io ary dia tena mitondra faisana tokoa. Ary dia marina ilay hoe na fianakaviana malagasy aza no mandray dia mitovy daholo.

Tsy tokony hanome tsiny ny Arabo, Amérikanina na ny Frantsay sns eny fa na Malagasy isika fa izao fotsiny hoy aho mianareo.

Mahalala ny dikan'ny contract isika rehetra dia izay no zava-dehibe. Ko nahoana no soniavina nefa zavatra tsy ho zakan'ny aina e ?

Maninona no misedra olana ny ankizy malagasy any ho an'ny sasany io. Satria tsy zatra ny nandray ravin-dena tao Dago nefa mba te hahazo vola hanatsarana ny fari-piainana. Tsy zatra ny miaritra ny mafy nefa be sitra-po ! Nahoana anefa no misy mahazaka tsara ny rythme any ? Mila fifandraisana ihany koa io, mila miomana ny saina sy ny fo ary ny fanahy hoe hiasa aman'olona ! Ny ao Liban no mahasarika ny rehetra fa ny ao Europe anie betsaka ny gasy mijaly lavitra noho ny ao Liban e ! Raha tsy hilaza afa-tsy ny SDF ao Paris isika ohatra !

Ady hevitra misokatra indray io. Hoy fotsiny aho hoe safidy io ary tomon'andraikitra amin'ny nosoratan'ny tanany ny tsirairay. Aza omena tsiny ny Arabo, ny Frantsay na ny Amerikanina, ny ao German izay manala maka ankeriny vehivavy malagasy dia ampanaovina porno, eny fa na ny Malagasy aza.

Vola daholo ny ao ambadik'.izany rey olona ô ! Dia mahaiza mifidy alohan'ny hividy.
23. doris ( 28/11/2003 17:52)
Manahona,
Za zay miteny zao dia niasa tany Liban taloha. Marina ny voalazan'io X eo ambony io. Ary ampiako ny azy sy Isrine. Antsitrapo no nandehanana any. Ary izay no antony ilazan'i Isrine ny @ hoe tsy natao hiady hevitra ny ankamaroan'ny mandeha miasa any Liban. Misy anie ny sasany toy ny passeport hialana an'i Dago fotsiny ny hoe hiasa any Liban fa efa manana tetika maro izy ao andohany ao e. Ahoana moa ry Ariary no ahafahana hiady ny zonao any, ny ttsy momba anao anie ka atolotry ny polisy ny Pata raha vao miditra eo @ seranana ianao e. Misy mahamarina azy ilay izy satria ny volany t@ frais-nao, ary malaza be anie taloha ny hoe milefa ny gasy fa be asa. Asa aloha ny tsy fantako fa na aiza na aiza rehef
24. doris ( 28/11/2003 17:55)
tohiny,
Asa aloha ny tsy fantatro fa na aiza na aiza rehefa hoa pata dia mpanararaotra fona. Fa anjaran'ny mpiasa no miteny, ary lainga ny hoe pata tsy miova zany raha miteny ny olona miasa ao aminy.
Veloma
25. isrine ( 29/11/2003 14:46)
Salut!
Mbo bete koa manko ny fanamarihana nataonao t@ 14-11 teo ry X.
26. isrine ( 29/11/2003 15:09)
Salut aby!
Vao izay indray e.
Za tsy tamana aty ntsony ka. Fa manainga ny gasy ny tenako mba tsy ho aty ntsony satria ny gasy misissika nefa tsy te- hiady hevitra @ mpampiasa. Za ndray tsy mijaly na tsy mivoaka toy ny eritreretiko aza. Ary be koa ny antony mahatoonga ahy ho tsy te-hivoka.
Aza matahotra ry Fijo fa ho avy any aminareo any France any ny tenanay sasany izay miasa aty Liban rehefa kelikely eo.
Tsy misy interet-ko mihitsy ny nametraka ny resaka eto @ forum ry Doris, na dia tsy teto aza ndry no nametraka ny fanontaniana. Fitiavana ny gasy, tsy tiko handalo @ lalana nodiavintsika no antony ary fampahafantarana ny zavamisy marina aty. Satria misy ny milaza fa tsy mahalala ny zava-misy aty Liban.
Za alou rehefa miaraka @ mpampiasako tsy any aorian-dry zareo zany mihitsy, ny antony dia sao hono dia ataon'ny olona anaty gony.
Ny nahatonga ahy nilaza fa hoe be mokony ny Philippines dia ity, ny andry zareo mokony hihinanannkanina fa tsy mokony toy ny an'ny gasy entina hirenireny eran'ny tanana. Ny andry zareo mametraka resaka @ pata, manao ny compte dia samy miala avy eo. Fa ny an'ny gasy raha vao raikitra ny compte dia mahatsapa fa tsy misy na ariary eo ampelatanan dia mijanona fa tsy sahy ny handeha hiala tao, raha toa aza ka mahasahy ny miresaka. FA efa nisy ny henoko nody na dia heritaona monja aza no taty, satria milaza fa tsy mahazaka. Ary ny ahy dia izay no torohevitro @ izay milaza fa tsy mahazaka, " mody" fa tsy "mimenomenona " nefa manao ihany.
Ny olona miasa aty anie ka na miteny arabo na frantsay na anglisy e. Ka ny Philippines dia miteny anglisy tsara. Ny gasy, misy ny sasany tsy afaka ny hilaza ny zavatra tadiaviny akory @ teny Frantsay, aiza ary no hampety ny resaka @ izany. Ary ny Sri-lankaise, dia sady tsy miteny na anglisy na frantsay, ary izay no tena anindrian'ny Libanise azy ireny.
Inona moa no zavatra tsy ho zakan'ny vehivavy? Matoa izy ireo mankaty Liban, mitotototo, ny sasany anie ka olona mananjanaka nefa noho ny fitadiavana dia navela any DAgo ny zanaka e, ary izay angamba no tonga à tenin'ni Miavisoa hoe "tsy fidiny". Fa @ lafiny iray entin'ny fifaninanana fotsiny ny vehivavy mankaty ka sendra ny tsy ampoizina avy eo.
Fa raha mbola mahay miady hevitra anie ka tsy mahafapiry ireo Libanaise reo e. Betsaka ny gasy no afaka mivoka aradalana, ary na sendra ny mpampiasa kely sira aza dia mahazo izay mangataka. Fa toy ny nolazain'i Doris hoe efa manana ny programme ny sasany miala any Dago...
Misy fihaonana in-2 isantaona ataon'ny gasy anie aty Liban, fa za tsy mankany. In-1 aho no hoe handeha dia nisy olana tratran'ny tsy fahaizan'ny sasany mampita resaka.
Ary ny mahatonga ny olana koa dia ity, ny gasy raha niala tany Dago taloha dia hoe "femme de menage" nefa reehfa tonga aty Liban, dia "employée de maison", fa betsaka ny tsy manao ny asa izay tsy nifanaraka t@ nosoniaviny ary tsy manao inona akory ny pata, satria miteny ny mpiasa fa tsy izany no nanaovany sonia, ka izay ilay hoe mila miresaka.
Izay indray alou.
27. doris ( 01/12/2003 14:58)
Raha izany no izy ry Isrine dia mba holazaiko koa ny zavatra fantatro tany e.
Ny ahy mbola teo @ seranana dia efa nanomboka ny aventure.
Tsar tokoa ny mampahalala ny zavatra niainana tany mba tsy hahatonga ny sasany te-ho any hilaza fa voafitaka.
@ manaraka zany e.
Fantatra fa be ny zavatra tin'ndry holazaina ary betsaka ny teny tsy ampy nataon'dry dia tsy fantatra tsara ny tin'dry lazaina ery ambonimbony ery, t@ dry namaly an'i Ariary.
Mba avereno vakiana ange e.
28. fijo ( 02/12/2003 16:12)
tena tsara ny nisian'ity resaka ity,satria toa maro ny olona no manana hevitra diso momba ny olona mankany.izaho dia efa ao anatin'izay.ary dia mazava koa izay ho an'izay mbola te ho any.
29. isrine ( 02/12/2003 15:39)
salut!
Eny akia ry Doris fa tena maika be za de hadino ny teny sasany a!
Ariary: miala tsiny aminao za!
Fijo: zay indrindra no nahatonga ahy nametraka ressaka teto, ary efa ela za no te-hanao an'le izy fa nisalasala.
Fa mbola miandry an'ireo izay manaan ambara satria be ny efa taty, ary tsy mitovy ny zavatra niainana.
30. fijo ( 03/12/2003 20:27)
ie tsara raha misy version hafa koa henoina,ahafahana mandanjalanja azy tsara.
31. doris ( 03/01/2004 09:22)
Manahoana !
Te- hitantara tokoa ny zava-niainako tany liban zaho, fa tsy manana courage e.
Deraiko manokana dry ry isrine, nahalaza ireo rehetra ireo.
Mbola ho hita eo ihany e.
32. fijo ( 06/01/2004 11:40)
lazao,fa tsy misy mahita anao anie eto e,sady misoulage anao ny famoahanao izany.
33. sambatra73 ( 21/01/2004 11:16)
Mampaery anareo zay miaina izany toe-javatra mampalelo zany a.
Tsy any Liban iany tokou izann no mitranga fa n'aiza n'aiza ary tsy Arabo rery hélas no mampiasa manao zann.
Fa ny zava-doza kou de ny "chantage" ataon-jaré @ fianak any Dago satria rà vô ivadika contract dé ny any maita faisann. Io no matonga ny betsak miaritra tsy afamiala.
Sika Gasy kou manana toetra mandefitra de ararôtiny eo. Sady le oe ody tanam-polo kou de mamenatra. Ny sosiety any Dago nge ka faly manenji-dresy e, izz nga malala oe mafy ny zava-misy any fa dé maneso foutsnn.
Tokony fantan'izay te iala any Dago fa tsy moramora ny oe andé an-dafy fotsinn. Tsy tsimponn amoron-dalana ny vola aty e. Mila misasatra dôly naizanaiza.
Fa refa iala any dé tanjao tsara ny saina alou dé jereo tsara kou ny cond° retra, vakio ny contract dé zaka sa tsia.
Mandra-pa ndray.
34. isrine ( 23/01/2004 19:04)
salut
Mbola tsy reko ndray zany hoe misy mpampiasa manao chantage @ fianakams any dago zany ry sambatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2369