Ahoana marina no hialàna amin'ny kolikoly

1. folaka ( 31/10/2003 10:13)
Rehefa mandeha mitety orinasa ireny mpisan'ny contribution ireny dia ataony izay ahabetsaka ny sazy tokony ho alohan'ny olona.
Izy koa avy eo dia mandefa ttsy mazava voasoniany, mampitandrina ny olona fa tsy maintsy aloha aingana dia aingana io volam-panjakana io.
Mikorapaka ianao satria tsy misy ny vola eo am-pelatànana, dia lasa ianao mba miangavy, hoe ahoana no tokony mba atao fa tena tsy haraka ny aina sady tsy rariny.
Ry zareo tsy te-ahalàla fa dia poretina ianao.
Saingy misy olona alefany mirsesaka aminao moramora fa hoe misy azo ambnoarina ny amin'io, fa fantany ireo olona ireo ka raha misy ny saosy dia vitany ny fika.
Tsikombakomba mahtsiravany ny ao Mandrosoa ao.
Fa tsy araky ny mpiady amin'ny kolikoly ny fandehany ka dia mbola voky foana ry zalahy.
Mbola ho avy ny fotoana hanomezana ny anaran-dry zalahy ao aoriana kely ao fa mbola sarotra ny mankatratra azy tsinona.

Mazotoa mamaky
novalian'i pitchou ny 03/12/2003 13:32
2. rfanjav ( 31/10/2003 11:24)
Tsotra fotsiny : vitao ny adidinao, efao ny hetra sy ny karazany,

raha mbola misy mahita hotsongolohina dia avoahy any @ Kidaona maraina ho ren'ny vahoaka !
3. jahary ( 31/10/2003 13:31)
Izao e: mbola hiresaka an'ity mpiasa_ny contribution ity isika fa mbola maimaika aho izao! Ny tiako holazaina fotsiny dia misy tena tsy vanona mihitsy @ireo fa aza mety hadalainy! @ manaraka hoy aho miresaka fa manan-kolazaina tokoa aho momba an'ireo.Fa izao fotsiny tyena olo- moazona ny sasany amin'ireo.Izaho manokana dia efa nanao mihitsy fa tena manorisory ny ataony ka tena nisy vokany ny noteneniko sy ny alaheloko taminy.Izaho aho tsy tia (ALLERGIQUE!!) @ mpiasa mikasika contribution mihitsy!
4. voaignana ( 03/11/2003 17:02)
Ho an'i Folaka aloha: Tonga dia omeo ny anarany sy ny porofo fa aza matahotra ny @zany.
rfanjav indray: Tsy mahafoana azy io fanefana ny adidinao io. Ny antony dia mbola misy fomba hafa ao @ fandoavana hetra izay anaovany azy ankolaka. ampidiriny ao @ vola aloanao ny 2 na 5% ary omeny recu mazava tsara hianao fa tandremo.
- Any aoriana any anefa ho foana ihiany io. Efa manana fomba hanafoanana anio farany izay haingana aho izao fa miandry kely fotsiny isika. holazaiko anareo ihiany izy avy eo. Ampahatsahivo sao varian'izah.
5. pif ( 11/11/2003 19:50)
Miarahaba anao mamaky e!
Tsotra farany izay tsotra ny ialana @io resaka kolokolo io :
1/ Aza manao kolokolo e!
2/ Samia mandray andraikitra @asa ataony arabakiteny kah manaraka ny lalana ifanarahana eto @firenena , sanatria tsy omby akory kah voatery handrasina fôna vao ho hahavita zavatra
3/ Ho anao mahita MAHASAHIA MANANKINA SY MILAZA ILAY OLONA MANAO ILAY IZY FA AZA MIVOVO NA MITABATABA FOTSINY misahia manakina dia mitory raha tratra ny tsifidiny kah mitady ho hararaotina satria ny lalana anie natao hamaizana e, . raha tratra ny sazy ianao dia tanteraho ilay izy fa aza matahotra satria anatra iny tsy handiso intsony e
misaotra anao namaky e!
6. pif ( 11/11/2003 19:52)
Miarahaba anao mamaky e!
Tsotra farany izay tsotra ny ialana @io resaka kolokolo io :
1/ Aza manao kolokolo e!
2/ Samia mandray andraikitra @asa ataony arabakiteny kah manaraka ny lalana ifanarahana eto @firenena , sanatria tsy omby akory kah voatery handrasina fôna vao ho hahavita zavatra
3/ Ho anao mahita MAHASAHIA MANANKINA SY MILAZA ILAY OLONA MANAO ILAY IZY FA AZA MIVOVO NA MITABATABA FOTSINY misahia manakina dia mitory raha tratra ny tsifidiny kah mitady ho hararaotina satria ny lalana anie natao hamaizana e, . raha tratra ny sazy ianao dia tanteraho ilay izy fa aza matahotra satria anatra iny tsy handiso intsony e
misaotra anao namaky e!
7. rfanjav ( 11/11/2003 15:03)
Moramora ery ilay hoe aza manao kolokolo,
f'angaha ianao te hanao moa fa voatery e!
sady ny olona samy mamely @ izay ahavoazany eny daholo,

voaignana> mirary soa ho anao mahita fomba iadiana @ kolokolo, dia mba zarazarao iaraha-mitolona e!
8. fijo ( 13/11/2003 16:51)
manao ahoana daholo.
io kolikoly io misy na aty france na any etas unie na aiza na iaza.saingy ny any amin'tsika dia hita be loatra ilay izy satria ny olona tsy matahotra intsony.ny mety hampiena azy dia ny fampisondrotana ny fahefamividin'ny vahoaka aloha.anjaran'ny fanjakana no mitady io hevitra io.tamin'ny 1er republique isika tsy dia toa izao ny zava nisy.izany hoe tsy tena toetra ao anati-tsika izy io,fa vokatry ny tsy fidiny.ny faharoa dia ny fampiarana ny lalana ho an'izay tratra .mahereza e!
9. pitchou ( 03/12/2003 13:32)
fampisondrontana ny fahefa-mividy ... tsy de mino aho hoe hahafoana kolikoly io! satria ny ramalagasy sarotra aminy ny hanatsotra tanana mivokina! fa angamba raha hampiharana sazy henjana ny olona manao (na manome io na mangataka) kolikoly dia mety hisy hamenarana kely ihany! ary tsy dia ny mahantra ihany ange no manao azy e! izany no hilazako hoe tsy resaka fahefa-mividy io! plutôt aza resaka démonstration de force: mba te-hiseho hoe miankina aminy no hahavitanao ny ilainao e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4482