Ilaina ve ny toaka Gasy?

21. rindranavalona ( 30/11/2003 19:43)
Fijo,
Ny olombelona rehefa manao fikarohana, dia manana hypothèse mialoha izy, ka ataony izay ahatratrarana an'iny.
Amin'izany dia mitady ny fomba rehetra hanamarinany an'iny izy.
Ilay manampahaizana nolazainao dia toa izany koa.
Hoy ny mpikaroka ara-baiboly Témoin hoe: tsy misy ny afobe. Dia manazava an'iny @ fahaizany baiboly eo izy, ny an'ny protestant koa toy izany manana ny fanazavany ny baiboly izy, ny an'ny Katolika...
Tsy fantatra intsony izay manam-pahaizana manana ny marina.
Ny Mpikaroka ara-tsiantifika koa dia mitovy amin'izany, mametraka ny hypothèse-ny izy dia manamarina an'iny amin'ny alalan'ny théorie isan-karazany, ka tsy miraharaha izay "facteurs" hafa tsy manamarina ny théorie-ny.
Ka eto, ny fikarohana nataon'ilay manampahaizana nolazainao momba ny rongony, amiko ny fomba nakany ny "échantillons", na ny "Critère" nentiny nadefesana hoe iza no loza kokoa ny rongony sa ny sigara no hitako ho tsy nety.
Mety hoe: olona zatra mpifoka rongony sy olona voan'ny "cancer" noho ny fifohana sigara no nampitahainy, ka dia tamin'io no namoahany ny"conclusion"-ny.
Fa ny hitako:
- Olona mamondrongony, namono ny vadiny;…
- Olona mamon-drongony tsy ahoantsiahoana eo nitsambikina avy eny amin'nyrihana faha telo, heveriny ho ivakely ilay rihana (Hallucination)...
Izany akory tsy midika hoe ny sigara tsy nisy voka-dratsiny,
Amiko ny rongony hainga-mpiseho ny vokadratsiny, ary sarotra ialàna.
Ny sigara indray, ela ny fisehon'ny voka-dratsiny, nefa betsaka ihany ny tafala taminy na dia somary sahirana aza.
Ny olona rehefa misy tombotsoany dia ataony izay hanamporofony fa tsara io, fa tsy ratsy izany, na dia hitany ihany aza fa...
Matoa tsy mbola eken'ny manampahaizana eran-tany ny fahamarinan'ilay "conclusion" napetrak'ilay mpikaroka dia mbola maro izany ny manampahaizana tsy mankasitraka izany.(Porofo: Mbola maro ny firenena tsy mankasitraka ny rongony)
Ny conclusion –ko manokana izany dia tsy ratsy kokoa izany ny sigara noho ny rongony. Marina fa samy ratsy ireo, saingy…
Tsy izay voalazan’ny manampahaizana rehetra tsy akory dia ho marina avokoa. Tsy maintsy mila porofo matotra, na ny fomba nakany ny échantillons, sns…


22. fijo ( 02/12/2003 16:22)
marina fa rehefa manao fikarohana dia miainga amin'ny hypothese,fa aza hadino,fa ireo pikaroka hafa izay nanaraka izany dia tsy maintsy mitady ny tsy fahamarinany.rehefa tsy mahita izy vao manaiky.ary marina fa ny rongony dia eo no ho eo ny vokany,fa aza hadino fa 20°/ cancer aty france hoatra dia vokatry ny sigara.ny pisotro roma sy wisky koa anie maro no mamono vady e,koa maninona ny toaka gasy no rarana?atsaraina ho aho dia azo amidy izy,sady misy tomboony ho an'ny fanjakana koa izay.
23. rindranavalona ( 02/12/2003 20:15)
Izaho anie tsy nilaza hoe tsy nisy vokadratsiny ireo zavatra ireo, saingy araka ilay voalazanao, Ny manampahaizana ihany no nahatonga ireo rehetra ireo ho nasiana norme farafahakely raha toa ka tsy maintsy atao.
Ary ny tsy fandraràna ny toaka gasy dia hamotika avy hatrany ny Orinasa izay ara-dàlana, toa iry voalazan'i a256011 iry. Satria ny Fanamboarana Toaka Gasy tsy dia mandany Energie firy, rehefa fermenté fotsiny ny fary avy hatrany dia distiller-na amin'ny fomba tsotra (barika sy tuyau bararata). Noho izany mora ny vokatra ataony, fa saingy...
Ny zavatra hitako ho vahaolana angamba, dia araka ilay hevitrao ihany hoe hatsaraina.
-Ny tratra manamboatra an-tsokosoko ohatra, atao analyse ny vokany, ka raha tsy en norme dia mandoha sazy. Ary ny alikaola vitany angonina ka omena ireny orinasa matanjaka ireny mba ho diovina. Sarahina ny alikaola fisotro, sy ny tsy fisotro araka ilay voalazan'i a256011 e!
- Tsy ankasitrahako koa aloha ireny fandorana ny TG tratra ireny e! Ohatran'ny hoe mandoro vola isika.
- Ny alikaola vita koa anie tsy voatery atao ho rhum na whyski foana e! Afaka avadika vinaigre ihany koa ny alikaola (Ethanol), ary ny alikaola Méthylique koa azo ampiasaina any amin'ireny hôpital ireny.
- Ny toeram-pikarohana isan-karazany eto Mada mila an'ireny avokoa.
- Amin'ny fiainana an-davanandro moa dia atao fandiovana ny fanaka isan-karazany...
Izay angamba no azoko lazaina momba an'iny ry Fijo, fa ianao toa mahita ho tenenina foana.
Sa ahoana hoy ianao?
24. fijo ( 03/12/2003 20:33)
lazainao hoe be resaka indray izany aho an.ka ianao tsy hita matetika eto ko,rehefa hita dia tazoniko elaela aloha.ih,ih,ih.fa itanao fa mitovy ihany anie izany ny vahaolana nomentsika e.fanatsarana ilay vokatra no mety.
ary tsy mamono ny orin'asa lehibe io,fa raha legalisena,dia hanao koa izy,ary dia ho tsara amin'izay ilay izy avy eo.
tsy ho be resaka intsony e.
25. six ( 26/02/2004 18:08)
ka ahoana ary ny toaka lazaina fa tsy gasy amidy sy ho hanina?
io na hatsaraina aza mitovy ihany, rehefa toaka dia toaka, samy mba manana ny toakany io, maninona io raha avela amin'izao e,
ahoana ary ny mpivaro-tena, mila hatsaraina koa zany dia mety? d ny inona no hatsaraina amin-d zareo
26. fijo ( 27/02/2004 20:39)
marina izany rasix.sady an'ny tena io e.
27. tsilan ( 04/03/2004 16:03)
Mba manaraha moa lalàna fa efa ela no tsy voarara ny fanamboarana toaka gasy, saingy kosa mila fahazoan-dalana avy amin'ny kaominina sy ny sampan-draharahan'ny varotra fotsiny eh. Jereo ao Ambilobe, Andranovory, Ambositra, Ampasimanolotra. Sahala amin'ny vaotra rehetra ihany mila fahazoan-dalana. Dia izay
28. six ( 06/03/2004 11:44)
ka izay anie e, tokony tsy henjehina fotsiny be fahatany e!
29. pitchou ( 06/03/2004 13:38)
asa ampahafirin'ny toaka gasy vokarina no mandeha @ lalam-barotra? betsaka manko ny mamokatra ho an'ny tenany, indrindra ireo faritra anaty ala lavitra be any!
asa raha mety ny famokarana fitaovana tsotsotra ahafahany mandrefy ny tahan'ny alikaola ao anatiny sy mitly hoe alikaola fisotro sa tsia no vokatra! fa mahery ange izany atao hoe TG e!
ny TG mandeha @ lalam-barotra kosa angamba azo asiana fitiliana dia vita! rehefa tsy norme vao sintonina!
30. tsilan ( 07/03/2004 12:40)
Ka zavatra vokatry ny tena ve ry Pitchou dia andeha andaniana vola indray an.
Tsy hitanap aza izany atao hoa kafe fary izany. Fary no fiazana atao amin'ny kafe. Tena tsara an. Any amin'iny ambanivolon'ny betsimisaraka iny no tena Betsaka azy sy any Anosy (Taolagnaro io an)
31. ikaretsaka ( 15/03/2004 13:17)
ny tena mahagaga anie dia ireny zavatra illegale ireny no tena be mpitady sy be mpankafy e.. ohatra hoe ny caviar sy ny sigara cuban sy ny rongony ohatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6875