Nahazo loka ny tononkirantsika

1. oully ( 21/10/2003 09:17)
Dia faly miarahaba antsika rehetra fa nahazo loka voalohany tamin\'ny sokajy nisy azy ny tranokalantsika tononkira.serasera.org
Tamin\'izaho nahalala an\'izy io voalohany dia noheveriko fa handoavam-bola ny maka tononkira ao satria izay tononkira tadiaviko rehetra dia hitako tao daholo. Nanomana fetim-paiankaviana izahay tamin\'izay. Kanjo, maimaipoana sady tena nahafa-po. Izao aza ny tranokala vao maika nisy fivoarana no nitombo koa ny tononkira hita ao aminy. No nampiana fahafahana mihaino hira ihany koa.
Tena isaorana be dia be i Heriniaina fa tena mendrika loatra ny zava-bitany.
Tsiky dia ampy!
novalian'i rinakely1 ny 10/11/2003 11:20
2. rfanjav ( 22/10/2003 12:30)
Maneho fankasitraha eram-po eran-tsaina tokoa ho an'i Hery, tsy mahalala sasatra manao izay hahatomombana an'ity seraserantsika ity e!
Dingana lehibe no efa vita ho an'ny Tononkira.serasera dia ho avy koa ny manaraka,
Izahay koa manohana sy mankahery @ izay mba kely vitanay eto ihany.
Tsiky dia ampy!
3. hery ( 24/10/2003 09:16)
Misaotra anareo rehetra ihany koa fa raha tsy eo ny mpitsidika mahafatrapo tsy misy dikany ny site. Indrindra indrindra ireo izay mitady tononkira sy mametraka izany ato.

Mankasitraka e.
4. rfanjav ( 24/10/2003 10:17)
Misaotra antsika isika izany!
Ho ela velona anie ny serasera.org
5. levondraky ( 09/11/2003 12:59)
Mankasitraka an'i Hery sy ny mpanohana rehetra. Manantena fa tsy ho tanjona iny fa dingana ihany. Mbola betsaka ny azo atao saingy ilana fanohanana avy amintsika. Sa ahoana ?
6. rinakely1 ( 10/11/2003 11:20)
Tena mahafa-po tanteraka mihitsy ity site gasy nahorinareo ity satria bdb mihitsy ny zvtra mahaliana ato, eo ny forum, ny fifandraisana @ namana fa indrindra indrindra ny hira sy ny tonony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.461