Manambady dia voageja

1. xxx ( 16/10/2003 15:01)
Tena zava-misy. Misy namako izay manambady. Tamin'ny voalohany dia tena saro-piaro be mihitsy rangahy ka dia tsy navela hiasa mihitsy aza ramatoa. Na aiza na aiza aleha dia tsy afa-mihetsika. Taty aoriana dia natao izay hiterahana mba hampalefaka an'ilay hasarotam-piaro tafahoatra. Tsy misy fiovana anefa. Tsy afaka miasa satria tsy avelan'ny vadiny. Tsy afaka mifandray amin'ny mpiara-monina. Tsy manana namana mihitsy satria hono sao dia misy manodinkodina ny loha. Dia aiza ny fahafahana ao amin'ny mpivady amin'izany? Raha enao no tratran'io dia inona no ataonao?
novalian'i raten ny 22/12/2003 18:36
2. fijo ( 17/10/2003 08:13)
ilay voageja no tena adala.ny fanambadiana anie tsy natao hoe hanakanana ny fahafahana e.rehefa tsy mifampatoky dia tsy tokony miray.
3. xxx ( 18/10/2003 19:25)
Tsy eo @ toerana marina ianao ry fijo dia sahy miteny hoe tena adala ilay voageja!
Sady ny anareo lehilahy aloha rehefa izay dia izay e, misy tsy azo iadiana hevitra mihitsy (vehvavy aho miteny, ary efa manambady koa)
Izaho koa aloha mahita cas ohatra an'izany (ary betsaka mihitsy), tsy misy azo atao afa-tsy ny mipetrapetraka aloha, fa raha miseho mamaly eo ilay vehivavy dia mety ho tapaka ny tady.
4. fijo ( 29/10/2003 09:25)
koa tsy aleo ve tapa-tady,toa izay gadra lava ao?sady tsy fitiavana izany mamatotra izany.raha tia mahatoky.
5. pisobe ( 10/11/2003 16:36)
Salut!
Ny lehilahy izay mangeja dia lehilahy tena mpanadala vehivavy, de ianao vadiny no ataony toy izany, @ izay ianao tsy maharaka ny any ivelan'ny tokatrano any.
Na mety manja be dry de matahotra izy sao lasan'ny hafa e.
Ataovy zay mety na mijanona ao antrano fona aza dry e, fa tsy gadra zany akory dry na ao antrano fona.
6. fijo ( 11/11/2003 09:27)
an,an,avelao ny olona ho libre fa tsy gadraina ao an-trano izany.ratsy be izany.na manja aza,tsy maninona,fa avelao izy mba hiadana.
7. ds ( 11/11/2003 11:21)
Tsy ny fanambadiana akory no mangeja fa ny fahasarotam-piaro diso tafahoatra. Rehefa azo (novadiana) ny andefimandry, dia heverina fa fananan'ny tena ka lasa miteraka fangejana. Izaho koa saro-piaro be (anakam-po) kanefa mamela ny vadiko hanao ny safidiny na dia tsy ankasitrahako aza indraindray. Toy izay koa ny fitondran-tenany amiko.
8. fijo ( 12/11/2003 20:42)
izaho indray tsy saro-piaro,ka tena tsy azoko hoe maninona no managadra olona ny sasany.
9. isrine ( 12/11/2003 09:35)
Salut!
Za mbola tsy manana, fa rehefa manana za de lazaiko anareo zany ny @ izay hoe voageja ve rehefa manambady?
10. fijo ( 13/11/2003 20:12)
ka mitady ary ve ianao?
11. isrine ( 14/11/2003 15:13)
Alefako zany ny annonce e:
mitady lehilahy 1, na lava na fohy, tsy ngeza lotra fa antonintoniny na mahia tsy maninona...
12. fijo ( 15/11/2003 15:29)
raha tsy misy mamaly io,dia tena tsy haiko intsony ny ilazana ny bandy ka.fa ilay carte no mampatahotra kely.
13. xxx ( 22/11/2003 14:34)
Mbola tsy manambady no manoratra.
Tia tena b aloha le vadiny no sady tsy manaja ny zon'ilay vevavy!
Fa izaho marina ny teniny Pisobewe na ao-trano aza tsy gadra izany fa zé mampety ny fiainanao no ataovy.Refa tsy avelany miasa enao d ny zaza sy ny tokatrano no atovy zé mahatsara aza, aza ankalaina le vadinao na d ratsy toetra ary izy fa any aorina hiova fona .
Mahavitanao ny asany ka aza mivaky loha @zany, raha ny fiaraha monina no tsy hitanao ,inviteo ao an-trano d vita .
14. fijo ( 25/11/2003 20:35)
ratsy ilay manageja e.fitiavan-tena fotisny io.fa raha manaiky moa ianareo atao ahoana?
15. rfanjav ( 26/11/2003 15:17)
fa nahoana ianao no tsy maintsy hijanona ao an-trano?

amin'izay ve ramose malalaka afaka miriaria any ivelany, tsy fantatra izay ataony any,

sady @ izao tsy mety intsony izany vehivavy tsy miasa izany e,

na resaka vola izany na resaka "épanuissement"-n'ny vehivavy fotsiny,
lasa bado velona ao an-trano fotsiny ! harefesina ny ati-doha,
16. fijo ( 26/11/2003 19:08)
ka izay no ilazako hoe tsy mety ilay manageja.izaho koa aloha dia tsy tiako ilay hoe vehivevy tsy miasa e.aleo izy mba hiaina ko,fa tsy gadra akory.
17. rfanjav ( 28/11/2003 12:40)
enfin, mitovy hevitra isika sy Fijo,
hi hi hi
18. isrine ( 21/12/2003 20:16)
Ny fijanonana ao antrano akory tsy midika hoe voageja, na dia tsy miasa aaza ilay vehivavy. Afaka manitatra ny sainy izy à alalaln'ny zavtra hitan'ny masony @ boky, tv sns.
Fa azo lazaina fa voageja ny vehivavy 1 na miasa aza, fa tsy afaka ny handeha mivoaka miaraka @ namany na olonkafa ankoatry ny vadiny ihany!
19. raten ( 22/12/2003 18:36)
Tsy hanomezan-tsiny be lôtra ny lehilahy kosa 'zany e, mahita 'reo vehivavy mpiara-miasa aminy izy de mailo. Ato ampiasanay 'zao misy vehivavy maromaro, de lazaiko anareo fa ny 3/4 'ndry zareo de mampirafy ny vadiny daholo. Na 'zany aza anefa le mangeja trop kosa tsy mety satria mbô manana ny zony halalaka ny vehivavy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3545