ISP any Dago

1. hery ( 14/10/2003 08:03)
Tsy haiko na nanao ahoana ny vokatry ny eBit farany teo. Ny hitako matetika mantsy dia bahanan'ny wanadoo.mg ny sehatra ka tsy manana safidy firy ny olona eo amin'ny resaka Mpanolotra ny Internet. Iza no mba afaka milaza hoe inona sy inona avy ny possibilités misy ao Madagasikara hahafahan'ny olona mifidy araka ny tokony ho izy?
Misaotra
2. ratam ( 09/11/2003 16:57)
Raha tiana handroso aloa io ISP io dia mila libéralisation milay be...

Tsy tokony ho ny Frantsay no mametra io secteur io ao Dago. Isika ve dia hovehezin'ireo Frantsay ireo foana e.. mila misokatra isika. Tout pase par DTS.. aiza koa no hisy an'izany.. !!!

Aty ivelany anie ry zareo ka eo am 22$CAD eo ho eo ny hofan'ny ligne ny ADSL par mois e. Canada dia 30Millions d'habitants.

Isika tsy homen'ireo Frantsay ireo fahafahampoa mihitsy raha voa mbola mety misolelaka amin'ireo.

Rehefa hiady ihany dia hoe libéraliser-o aloa io secteur io sinon tsy misy zavatra vanona eo. Ary mino aho fa raha toa ka hoe hofaina na dia 200.000FMg par mois ny ligne ADSL na ny 56K dia mety miaina ny gasy kely zany hoe ny mpanjifa sy ny "hojifaina".

Marina ny teneninareo rehetra fa misy politika ilaina ho fantatra ihany koa ao fa tsy hoe mihanona amin'ilay 100FMG pas minutes.

Ataon'ny DTS n'io ny système de consommation satria misy kopaka isasahana am Poste ihany koa ao. dia ny gasy kely no mandoa ny tsy eran'ny aina.

Maninona ny poste no tsy mety manao fampidirana phone am kil te hampiditra intsony.. misy politika ao ! Milela-paladia ianao vao afaka mahazo phone ligne TELMA. Fa nahoana ary ? De hoe marina ve ilay hoe tsy misy fitaovana.. ? Poika tsy dia marina zany fa mba zaraina am ISP ny olona e... de miditra cybercaf ianao, toy ny hoe aza manokatra ligne TELMA betsaka fa lasanareo daholo ny ol dia tsy misy ohanin'ny ORANGE sy ny MADACOM, TELECEL.. lol !

Zany hoe : ireny no savatra tokony iadivantsika fa tsy ilay hoe prix 100FMG la minute. Tsy normale zany tokony hoe mbola ho latsak'izany aza ny minute raha ny kajy atao tena araka ny tokony ho izy ! Lafo loatra ny hofan'ny ligne LS eto amintsika. LS 56K aza zany angamba fa tsy mbola ADSL.

Sao dia lava loatra. Feno fitaka anie ny tany e... Misy fournisseur milay be anie te hiditra ao Dago fa bahanan'ny Frantsay amin'ny alalan'ny DTS ny accès ao e ..

LOLEVAKO KELY ETO ALOHA.É
3. fanalanaazy ( 05/12/2003 16:20)
hiezaka hamaluy ny fanontaniana tany am-boalohany aho. Ezahako tsy asiana fitongilanana izy ity:

1° Ireo ISP misy
* Wanadoo (www.wanadoo.mg): io angamba efa fantatry ny tsirairay. RTC, Boucle locale radio) sy liaisons louées (miaraka amin'ny Telma) ary VSAT no ataony. Raha RTC no ampiasaina dia isaky ny segondra ny vola tokony aloha. Efa manana points de présence any amin'ny province ry zareo

* Simicro Internet (www.netclub.mg): RTC, RNIS (miaraka amin'i Telma), liaisons louées no omeny.

* Blueline (www.blueline.mg): RTC, BLR, VSAT no ataon-dry zareo.

Misy ireo ISP taty aoriana izay miankina tanteraka amin'i Telma
* Orchid (www.orchid.mg). Liaisons louées no tena ataon'izy ireo
* ADSL (www.adsl.mg): any antsirabe
* Fortnet (www.fortnet.net) izay any Fort Dauphin

Misy indray ireo manome accès ho an'ireo universitaires sy chercheurs toy
* REFER (www.refer.mg): izay miaraka amin'ny agence universitaire de la francophonie

2° Ny teknolojia misy
Efatra, raha ny fahalalako azy, no manana licence international amin'ireo opérateurs

* RTC: ny ankamaroan'ny olona dia mampiasa ligne Telma tsotra (RTC) miaraka amin'ny modem tsotra mba hanaovany Internet. Mihodina any ho any amin'ny 400 Fmg HT/mn any ny saran'io

* RNIS Telma: afaka manana accès BRI ianao hanaovana Internet dia manana débit théorique 64 na 2*64 kbps raha mandeha tsara ny RNIS ao aminao, ka mahazaka izany ny ISP anao. Mihodina any ho any amin'ny 400 Fmg HT/canal/mn ny sarany

* liaisons louées (LL): fil cuivre no taritina mampitohy anao sy ny ISP-nao. Ny sarany dia arakaraky ny ISP. Eo amin'ny 3 millions ka hatramin'ny 4 millions HT eo ho eo isam-bolana no aloanao. Mbola mila mividy routeurs Cisco ianao eo amin'ny 7~13 millions eo ho eo rehefa manao ny installation.

* GSM: ho an'ireo olona toy ny any Sambava izay ratsy dia ratsy ny lignes Telma dia io no hany ananany (na INMARSAT). Fa sady lafo dia lafo ny communications, no ambany dia ambany ny débit (9600 Bps)

* Boucle locale radio: io no ampiasain'ny ankamaroan'ny cybercafé eto amin'ny tanàna. Samy manana ny fomba fametrahany ny sarany ny ISP amin'io. Misy ny manao forfaitaire, ary misy ny manao "facturation au volume"

* VSAT: matetika dia ireo orinasa manana agence miparitaka eran'i madagasikara no mampiasa io teknolojia io, na ireo ambassades sy organismes internationaux.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1177