...MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO!

1. ryana ( 30/09/2003 11:21)
… MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO!

Ny tahotra manenika ahy fa hoe izaho ilaozanao,
Tsy mandry saina, miahiahy fa hoe tsy hahita anao,
Ireny alina mangina manadala ny fisainako,
Tebiteby, fanahiana, mandrakotra ireo marainako,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahazarako mazàna mieritreritra anao,
Nofinofy tsy hay raràna fa miara-miaina izaho sy ianao,
Ny faniriako sesilany, mananten'hofihininao,
Ny fanahiako mavàny fa ny antsika kilalao,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Foko midoboka amin-tahotra rehefa injay mahita anao,
Ity famindrako miahotra, tsy sahy manantona anao,
Ny alaheloko anaty, rehefa diso fanantenàna,
'Reo ratra mila tsy ho tanty ataonao ahy tsy nahy mazàna,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahatsapàko fa toa very ny androko talohanao,
Ny finiavako hampiery ny tantarako tsy nisy anao,
Fijery lasana vinany, mazàna tsinjoko aminao,
Toa mitory f'any ho any, mbola misy maraina vao,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Inoako fa ny fahataperana, indraindray dia fiandohàna,
Ka na ho eo aza fahanterana, ny fitia tsy hay raràna,
Ireo teny mamiko rehetra izay tsy azoko tononina,
Satria ny antsika toa voafetra… fitia mangina sy kobonina,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Ryana
(30/09/03)

(Nadika avy tamin'ny "J'en déduis que je t'aime" - Charles. AZNAVOUR)

novalian'i dasanga ny 19/12/2003 11:14
2. mampikanto ( 01/10/2003 15:33)
Ryana,
Dia manan-talenta tokoa ise ka!

Mankasitraka hatrany a!

Mampikanto
3. moi ( 01/10/2003 19:16)
Dia tsy azo tarafina amin'izao ve fa tia tokoa ianao ?
Sambatra ilay olona anton'ny tononkalonao.
Mba hantenaina ho hita eto ve ilay tononkalo hoe "... midika fa tena tia ahy izy" ?
4. ryana ( 01/10/2003 08:29)
hahahhaa
Tena toran'ny hehy aho ry "moi".
Iza amintsika olombelona moa no hoe tsy mitia ê? Ny fisehony no samihafa!
Sady avy eo, hiran'olona anie io nadikadikako @ tenin-drazan-tsika io ê!

Mankasitraka hatrany!
Ryana
5. ravatorano ( 02/10/2003 11:37)
hita fa ao aminao ny talenta Ryana
ny tiako ho fantatra fotsiny dia sao ilay Ryana-ko ianao?
Ontsanao aho amin'io asa soratrao io enga anie mba tsy ilay anah ianao
6. ryana ( 03/10/2003 15:59)
>ravatorano,
an an an tsy zà zany kah!
Mankasitraka na izany azaê!
Ryana-n'ny hafa
:-)
7. vazol ( 18/11/2003 09:52)
Ny ahy ny manjò ahy rehefa misy olona tiako dia tsy sahiko banjinina ela. Raha endra mibanjina ahy izy na mbola tsy namboraka fitia tamiko aza dia toa mangovitra ny tenako, zany tokoa ve no tena tia sa mbola coup de foudre fotsiny ihany.?
8. fijo ( 19/11/2003 20:30)
tara ianao izany ko.
9. jm ( 03/12/2003 13:22)
kay,tena milay kà
10. jm ( 03/12/2003 13:26)
kay,tena milay kà
11. tequila ( 04/12/2003 13:16)
Ka raha coup de foudre ve tsy tsara be raha tena mitohy ho tena fitiavana e , iza no tsy manofy hiaina an'izany??
12. riana ( 09/12/2003 20:26)
Tsara be ilay ny nanaovanao ny dikan-tenin'ilay izy ryana a. Tiko be !!
13. dasanga ( 19/12/2003 11:14)
misaotra anao aho ry ryana tena tsara be tohizo hatrany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.725