SARA-TIANA

1. ryana ( 26/09/2003 19:54)
SARA-TIANA

Ry rahona eny ambony,
Mba ento re ny hafatro ho azy lavitra any;
Lazao fa tsy mitony,
Ny foko, ny fitiavako… manembona azy ihany!
Nefa … aok’izao,
Aza lalovanao ny fony, alaviro ny tanànany,
Fa rah’itataovanao,
Ho maloka ny androny, haratra ny fitiavany !

Ry volana baliaka,
Iangaviako ianao hitondra nofy ho azy;
Lazao fa misariaka,
Anatin’ny tomany aho miandrandra ny ho avy;
Nef'aza tamàna any,
Malakia midify, meteza ianao hihelina,
Satria ny andro lany
No mba fanisanay… ny taona tian-kiherina!

Ry rano mikoriana,
Ianao kosa angamba no mba azoko hafarana,
Fa ts’isy fanahiana,
F’izaho manantena, miandry hasambarana;
Nefa moa ianao,
Hivadika ho ony, hamonjy ranomasina,
Ka sanatria lahy sao…
Hatelinao ny hafatro… hataonao very hasina !

Rehefa sara-tiana,
Tsy hita ny ho antsoina, tsy hita ny ho hafarana;
Mandra-pahoviana,
Ry elanelan-tany ianao re no hifarana…
Lasana ny saina,
Ts’isy azo ianteherana, toa be ny fanahiana,
Ny Avo no andrandraina,
Hitantana ny dia… hampiray ny tia sy tiana!

Ryana
(27/04/03)
novalian'i jm ny 02/12/2003 10:30
2. mampikanto ( 26/09/2003 12:33)
Ryana,
Tsara loatra ary sao dia tokony hamoaka boky @zay ary ise e! tena marina e! sady izao misy mandimby mihitsy ry Rado a!
Izay fa dia mankasitraka e!

Mampikanto
3. ryana ( 27/09/2003 14:22)
Aiza kosa ry Mampikanto â!
Aza mampitovy lakana aman-jahatra ê! Ry Rado anie ka sangan'ny sangany ê.
Misaotra mankasitraka ê!
Ryana
4. mampikanto ( 29/09/2003 09:51)
Ryana a!
Marina anie zany e!
Tsy hoe mampitovy anie ry Ryana fa saingy izao kosa e! tokony mba hivoaka ny asa soratra toy izao fa tsy andrana intsony kosa e!

Mazotoa hatrany e!
Mampikanto
5. tia_ery ( 10/11/2003 12:31)
Tsara fa tohizo nefa aza dia avela hikoriana loatra e ambanin'ny tolokon-tsento ny fahaizana sy izay kely ananana
6. jm ( 02/12/2003 10:30)
Tena tsara ry ryana à,tena marina izany fa ataovu boky amizay ilay izy éé,izahay manohana anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6108