SAFIDY

1. mampikanto ( 25/09/2003 16:07)
SAFIDY

Nitsingerina ao an-tsaiko ireo lasa tany aloha
Tebiteby ahiahy, nefa toa hafaliana ihany koa
Nefa toa voatery hisafidy sa hiandry izay ho anjara
Ny tontolo izay jinery no aoka hanambara

Dia nandalo indray ny alina, tonga teo ny maraina
Toa tara-pahazavana kely no mitsidika ao an-tsaina
Ry foko ô! Monona manaova alahelo Hendry
Ka ekeo ho fitondrana ity anjaranao sy tendry

Safidy manadala ny saiko tia karokaroka
No nandratra indray ny foko , ka indrisy toa maloka
Ilay masoandro andrandraiko, toa takovan-drahona indray
Noho ity safidy, zary kapoka hamaivay

Ny anjara hazo fijaliako, ho zakaiko eto an-tany
No fampionona ny foko, ka ilay alahelo sy tomany
No hiova tsiky indray rahampitso
Ka hanafaka ny taohtra amin’ilay safidy tsy ho diso

Safidy tokana no iriako handehanana
Safidy ilay ho anjara, tendry, vintana, lahatra
Safidy iray hampieritreritra manoloana ity sampanana
Safidy ho amin’ny tsara,manoloana zava-tsarotra

MAMPIKANTO
25/09/03 à 01h15
2. alex54 ( 25/09/2003 19:11)
Milay be le izy e!!! merci!!!!!! ary nareo mbo manan inspir-ka an!!!!!!!
3. mampikanto ( 25/09/2003 08:27)
alex54,

Mankasitraka nitsidika e! Tsy hoe manana inspir-ka fa izay mba tonga ao antsaina dia soratana e!

Mampikanto
4. ryana ( 25/09/2003 09:19)
Mampikanto,
TSy hoe valiny akory ity atolotro ity fa \"tohiny\" angamba.
Dia mahereza ê!
Ryana
-------
RAHA IZAY…

Na inona ho sanda,
Na inona ho fatra,
Na inona ho lanja,
Na inona ho ratra…

Na inona ho takaitra,
Na inona ho fery,
Na inon-tsy ho laitra,
Na inona ho very…

Na inona ho ngidy,
Na inon-tsy ho telina,
Na inon- tsy finidy,
Na mety hanenenana…

Na inona haterany,
Na inona ho voafafa,
Na inona hazerany,
Na inona ho lasa…

Raha izay no hany làlana
Fa ts’isy ny safidy,
Dia izorana, andehanana,
Tsy zoto fa… adidy!

Ryana
(28/11/02)
5. mampikanto ( 26/09/2003 15:57)
Ryana,

Misaotra e! Mafinaritra ny fifandraisana an-stseratsera eto a!

Kanto
6. mxr ( 30/09/2003 19:30)
Saika nitovitovy t@ Ryana mihitsy no ho lazaiko :

ANKASITRAO NY MISY…

Raha nisy zotra niarahana
Nahitana fahasambarana
Irio ho lava sy ho ary
Dia isaory Zanahary.

Satria tsy anao ny ho avy

Ka raha ho tojo ankodimirana
Voatery ianao hihorirana
Ho faly hatrany fa tsy sisa..
Fa efa niaina paradisa.

Ka hiderao izay ho avy

MXR
28/09/03
7. mampikanto ( 30/09/2003 08:16)
Mxr,

Mankasitraka t@ ilay valin-teny e! Dia misaotra anao koa nitsidika e!

Kanto
8. koty ( 03/10/2003 08:29)
tena mrediredy mhytsy ianao zany an,tandremo ary sao voajono amty fo be santimaka be ity
9. mampikanto ( 03/10/2003 09:49)
koty,
mankasitraka ano nitsidika e! Fa mirediredy ahona koa moa e! Tadidio fa toy ny asa soratra rehetra ihany ireny fa tsy voatery hoe izaho mpanoratra no iharany, na miaina @ilay izy.
Misaotra e!

Kanto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2744