AMD sy plantage

1. jahary ( 24/09/2003 16:42)
Salama daolo e!
Misy mampiasa Athlon ve aminareo ary mba tratran'ny plantage matetika?Manana ordi roa aho ka ny iray Athlon 4 1,4Ghz ary ny iray Athlon XP 2000.Mahagaga fa refa ampiasana maharitra dia mi-plante foana, indrindra raha ireny jeux 3d ireny !
Ina no mahatonga izany?
novalian'i jahary ny 05/12/2003 13:54
2. nickyjenny ( 01/10/2003 17:43)
sao dia mikasika ny RAM izany?
ny ahy mantsy dia olana teo amin'ny RAM no nahatonga ilay izy.
Mety tsy mifanaraka ny carte mère sy ny RAM dia manao erreur kernel foana ilay izy.
Mety koa compatibilité eo amin'ny logiciel de gravage sy ny antivirus ary ny logiciel de traitement d'image.
ohatra hoe nero sy ny antivirus toy ny an'i symantec tsy dia tsara miaraka amin'ny logiciel de traitement d'image (ne 2D io na 3D).
3. jahary ( 07/10/2003 12:08)
Asa fa ho jerena indray izany! Marihiko fotsiny fa PC-Cillin 2000 ny anti-virus ampiasaiko ary nero5.5 sy adaptec4.0no logiciel de gravue.
Ny ram sy carte mère dia mbola ho jereko.
4. ds ( 15/10/2003 08:36)
Sao dia mba miakatra avo loatra ny mari-pana.
Ny ahy XP 2600 ka rehefa manao fikajiana (rendu) ny montage vidéo, dia maty ho azy ny solosaina noho ny haavon'ny mari-pana. Tsy bug akory izany fa fiarovana ny proc tsy hitsonika.
5. jahary ( 27/10/2003 19:22)
possible koa io. Ny ordi iray izao nampiako ventilo lay atao hoe chipset iny! Zany hoe ra vao asa mafimafy no atao dia manao an'io plantage io foana izany ny AMD.
6. jahary ( 30/10/2003 13:52)
raha io explication-'i ds io indray, dia tsy misy fiantraikany @ disque dure ve izany? mety hanimba azy na mampisy erreur azy?
7. jahary ( 30/10/2003 13:55)
ahitsiko! Explication-n'i ds. Raha hoe tsy bug io zany, dia voatery mi-redemarrer machine foana ka izany no nitenenako an'ilay disque dure.
8. jeanbob ( 09/11/2003 16:41)
zao ry zareo no tena fandehan'io anh ! Ny microprocesseur dia samy manana ny spécialisation-ny amin'ny fampiasana azy. Tsy hoe rehefa AMD dia milay na hoe Pentiumn dia oki na hoe inn ko angamba..

Arakaraka ny hampaisanao ny ordi tokony hividianana ny processeur. Ary amin'ny ankapobeny ny producteur ny processeur dia tsy mihevitra ny hampiasanao azy io am resaka jeu vidéo. Ny producteur jeux vidéo no miezaka manao adaptaption ny jeux-ny ho compatible amin'ny processeur izay mivoaka.

mila mampitombo fahalala kely mikasika ny hard ware rangahy aloha. Fa io zavatra ataon'ise io dia toy zao : mividy fianara milay be ise nefa tsy destinée hanaovana rally ilay izy nefa entin'ise hanaovana rally 1..

LOLEVAKO KELY ETO ALOHA.
9. jahary ( 05/12/2003 13:54)
tena azoko tsara le izy ry jzanbob a!
Fa zao koa no hitako !Nandramako le hoe jereo ny Ram de nataoko fa nety...saingy 'zao: raha 128Mo ny rama ampiasaiko de ok tsara lay izy fa raha mihoatra ny 128 dia mi-plante !de gaga aho e! Nefa anie ny carte-mère aza milaza fa mazaka hatramin'ny 1Go de Ram izy! Zah aloha tsy hanao an'izany fa mahagaga ahy fotsiny ny hoe Ram 128 (SDRAM) ihany no zakany!


Ni-sacrifice nividy Ram 256 roa sy 128Mo en plus ny efa hananako ahoi de nandramako daholo fa mi-plante nedala ra vao plus de 128Mo ny Ram!Tena gaga aho @ izany fa mba omeo explication sy remède e!
misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2359