NAMAKO ANY HO ANY...

1. ryana ( 22/09/2003 16:54)
NAMAKO ANY HO ANY…

Tsy fantatro ianao hoe iza, na ny misy anao hoe aiza;
Tsy fantatrao ny amiko : avy taiza aho ka ho aiza;
Fa dia finaritra isika miserasera eto,
Mifampizara tsiky, mifampizara sento!

Tsy takatro fantarina izay tadiavinao,
Tsy fantatrao marina ny tena anatiko ao,
F’isika dia miresaka, midinika, mitafa,
Manjary fahazarana… tsy misy mihafahafa!

Dia misy faniriana ny hifankahafantàrana,
Angamba mety ho tsara… angamba mety ho marina…
Manahy anefa aho fa raha izay no izorana,
Fahasamihafàna no ho hita… hivaha ity mba fatorana!

Ka lasana ny saiko… tsy aleo ve am’izao…
An-tserasera ihany no mihaona izaho sy ianao;
Raha latsaka anaty mantsy ny fifandraisana,
Rehefa mifarana, mandratra... mampitondra faisana!

Izao anie, na dia hoe tsy mbola nifankahita,
“Any ho any misy namana…” Efa samy mino isika;
Izay aloha, raha amiko, dia efa zava-dehibe:
Fahatsapàna fa ts’irery anivon-dranomasim-be…

Ka aleo ihany am’izao,
Namako any ho any ianao…

Ryana
(27/02/03)


novalian'i rinakely1 ny 22/11/2003 15:56
2. mampikanto ( 22/09/2003 17:58)
Ryana,
Mankasitraka e! nefa v moa raha tena ilaina ilay fihaonana dia tsy ho eken'ny sainao mihitsy, amiko ny toe-tsaina ihany angamba no entina mamaritra izay ianana aorian'ilay fihaonana fa tsy voatery ho ratsy foana kosa e!

Izay e!
Mampikanto
3. ryana ( 22/09/2003 19:55)
:-)
Ryana
4. mxr ( 22/09/2003 09:18)
Saika lasa toy ny "Fofombadiko (E.D Andriamalala)" marina, izay nahasadaikatra ahy hatrizay ! Izao kosa angamba ilay hoe mijery fiainana @ solomaso mainty e. Tsy aleo ve aloha hiainana fa tsy hoe sao aho ho sendra ny "faharatràna !".
Ny fanontaniako @ ryana (itarina kely) dia hoe aleo ve izany mihafy @ fahasambarana kely toy izay maka "risque" mijery fahasambarana lehibe ?
Mazotoa e !

5. deba ( 22/09/2003 11:08)
voaraiko ny hafatra nalefa nao ri ryana ka misaotra betsaka fa niany mba tiako ho abara dia inona ny ataoko mba hiaonako amianao ri ryana ny adiresiko (VL32AA Androndra be) tel 0331256884 manatena ny hiaona minareo ny tenako deba izay ihany fa @manaraka indray ok! ry akama
wa zaaaaaaa
6. ely ( 22/09/2003 11:23)
Salama?

Tsara be mitsy le zavtra nosoratanao! Tokony mamoaka boky enao d manoratra fa mahafinaritra! Tsy iadin-kevitra le voalazanao fa de azoko an-tsaina ny nahatonga anao nilaza sy nihevitra azy!
7. xxx ( 22/09/2003 11:36)
Salut daholo e!!!
Tena tsara ka! saingy aingampanahy no naharatsy azy fa tsy torampo
hahahahah

8. xxx ( 22/09/2003 17:22)
Tena mahay manoratra tononkalo be mihintsy i Ryana.
Tsara le aingam-panahy, fa tena ao am-pon'ny mpanoratra ve io voalaza io sa entina hanaingo an'le tononkalo fotsiny?
9. mxr ( 23/09/2003 15:21)
Tsy maintsy hanao amboaran-tononkalo ianao ry Ryana a ! Efa nahita valiny 2 ho an'io aho.
Miandry ny manaraka e !
10. ryana ( 23/09/2003 17:41)
Mxr,
Tsy mbola nieritreritra ny hanao boky izany aloha aho ê! Tena marina.

Deba,
"Aleo ihany am'izao: namako any ho any ianao"
:-)

xxxxxx,
TSy azoko : tsy tokony hosoratara izany raha tsy zvtr iainana mivantana?

Mankasitraka anareo rehetra ê!
Tsarà daholo!
Ryana
11. ryana ( 23/09/2003 17:50)
Ely,
Misaotra mahazo ny tiako ê!
Mankasitraka.
Ryana
12. bendrina ( 23/09/2003 18:09)
tena milay ny aingampanahinao ,nefa hoy aho hoe tsy tsara kokoa ve ny mifankafantatra ,mifankahita , dia ho tanteraka tokoa ny teninao hoe \"ho namako ianao\" namako fotsiny à! a!a!a!a!a!a!a!aa kony mokany ô! tohizo fa tsara e
13. mitia ( 23/09/2003 08:13)
tsy aleo ve tonga dia mihaona e! dia efa vonona ny saina @ zay na ho any na tsy ho any! satria ny "faharatràna" efa fantatra mialoha ny mety ho fisiany d efa hainao aloha ny tsy ho voany!
14. xxx ( 23/09/2003 08:41)
Bonjour Ryana
Tsy hoe tsy tokony hotantaraina raha tsy avy ao am-po.
Ny tena mpanoratra aza anie fiainan'olona hitany no tantarainy e.
Fantatro fa mpanoratra tononkalo ianao ary tena mahay, tohizo fa tsara, za koa nge mba manoratra fa kely e, ao fa valiako iny tononkalonao iny.

A bientot
15. mxr ( 23/09/2003 09:24)
>xxxxxx
Mba alefaso malaky ho vakiana ny tononkalonao valin-kafatra e ! @ izay tantara mitohy ny eto. @ izay koa ryana mazoto manoratra foana.

16. fitia ( 23/09/2003 09:35)
Tena tsara fa tohizo ary mahereza hatrany aza kivy
FITIA
17. ryana ( 23/09/2003 11:33)
Misaotra anareo rehetra nandalo teto.
mankasitraka hatrany!
Ryana
18. misa7 ( 23/09/2003 13:49)
Mino aho fa tena ny sainao sy ny aingam-panahinao madiodio no namoahanao io tnkl io.Raha izay mantsy dia tena faly aho miarahaba anao fa efa anisan'ireo afaka mitonona ho mpanakanto ianao.Tsa ra fa tohizo ary tiako raha mba ny tantaram-piainako noamoronanao rindran-teny voalamina toy izao. Misaotra mialoha ary manantena valiny raha sitrao
19. rokajomi ( 23/09/2003 17:22)
tena mahay manoratra ianao!
Miombon-kevitra aminao tanteraka aho! Manana namana vitsivitsy aho ato @ serasera ary fidiko izay lavitra mba mampametsovetso maka sary an-tsaina. Ny iray any Paris fa nony nankany aho dia ohatran'ny tsy te-hahita azy fa aleo ihany fifandraisana" virtuel". Izay te-hifandray amiko ka eto @ manodidina dia tsy valiako. Manana namana betsaka aho fa ny namako @ serasera "jardin secret" ahy samirery.
20. xxx ( 23/09/2003 18:01)
Io ary ny valin-kafatre!

Raha toa ka ho mpinamana,
Ka tsy mifankafantatra,
Na endrika na bika
Moa mpinamana tokoa?

Raha toa ka ho mpinamana
Hifandray an-tserasera
Tsy latsaka ao am-po,
Moa mendrika tokoa?

Raha to ka ho mpinamana
Hijanona ho nofy,
Ny fahitana ny endrika,
Dia sarotra tokoa

Ny hoe aleo ihany
Ho namana any ho any,
Toa tsy azo ekena ihany
Ho fanirian’ny fo.

Satria ny mpinamana,
Mahay mifankatoa,
Dia sahy mifanatona,
Mifamboraka ao am-po.

.Al / 23/09/03
Raha toa ka ho mpinamana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1602