La Gazette de la Grande Ile

1. sorohitra ( 17/09/2003 18:45)
Raha vao nambara fa hisy gazety lehibe bilingue hivoaka any Dago, enim-bolana lasa izay, dia anisan'ny faly tokoa ny tenako satria, araka ny hevitro, ilaina koa ny fifaninanana na dia eo @ sehatry ny fampahafantaram-baovao hahafahan'ny mpamaky manao fampitaha sy fandalinana.
Rehefa namaky ireo lahatsoratra samihafa ao anatiny aho t@ voalohany dia nihevitra fa angamba hanao karazana "Canard Enchaîné" ry zareo.
Rehefa zohiana tsara anefa ireo lahatsoratra dia hita fa tena tsikera mandrava ranofotsiny ho an'ny mpitondra ankehitriny, fanasoasoana (+/- indirect) ireo mpitondra teo aloha, indrindra ireo mpanohitra @ izao fotoana izao (Pierrot Rajaonarivelo, Serge Zafimahova, Pierre Andrianantenaina, sns).
Raha izany dia tsy journal satirique io fa tena gazetin'ny mpitondra teo aloha. Mety ho diso fijery aho angamba ?
Asa raha marina izany hoe vola be tsy toko tsy forohana (karama be + trano) no nentina niantsoana ireo mpanoratra an-gazety malaza hiditra ao @ io La Gazette de la grande Ile io. Raha marina izany dia tena zavatra mivaona @ asa fanaovan-gazety satria olona karamaina "hitifitra" sy "hiaro" - araka izay tiany - fotsiny.
Ankoatra izany, ny mpiandraikitra voalohan'io gazety io (Lola Rasoamaharo) dia fantatro tsara satria niara-nianatra tamiko tao @ Lycée Technique du Génie Civil tao Ampefiloha t@ taona 1983-1984 tany ho any. Mpanao arts martiaux malaza be niaraka tamin-dry Carl izy io. Fa ny tena nampisongadina azy 2 lahy ireo t@ izany dia ny fampihorohoroana ireny bal na soirées dansantes ireny. Ny re t@ izany fotoana izany dia hoe : miditra ry zalahy ireo (tsy manana invitation) dia asainy mandohalika daholo ny lehilahy, izay tsy mety tonga dia avy hatrany dia riatany, dia ry zalahy no mifandimby mandihy @ tovovavy. Mahazo sazy koa izay tsy mety mandihy aminy.
Misy afaka manome fanamafisana ireo resaka ireo ve ?
Farany, mahavariana ihany raha @ sehatry ny gazety no misy olona sahy manatontona vola be hananganana zavtra goavana toy io. Ankoatra ny "fanazavana" hoe "fampindramana" avy t@ banky tetsy na teroa no nananganana azy, iza no mba manana vaovao momba io satria maivana loatra izany fanazavana izany ?
PS : Tsy mpanao pôlitika ny tenako fa kosa liana @ izay rehetra miseho any an-tanidrazana.
novalian'i rasese ny 08/01/2004 10:52
2. xxx ( 19/11/2003 17:54)
iza no anontanianialahy anizany e!!!
3. miora8 ( 19/11/2003 19:18)
Tena mahagaga mihitsy ilay resaka fanalana baraka olona ( Lola sy ny namany ) ny anran'io namany io aza tsy hain'i sorohitra akory ny manoratra azy dia avy dia manmafy ery hoe mpampiorohor izy ireo rehefa misy Bal etc... efa ela no nahafantarako ireo olona ireo, tsy niara nianatra taminy aho fa mahafantatra tsara an-dry zareo.. ny mpanaratsy no betsaka fa mahay mandihy ry zareo no sady mahay miresaka amin'ny olona ka mora ho azy no mahazo ny ankizy vavy hiara mandihy aminy fa tsy mbola nahita izany lehilahy asainy mandohalika izany aho...tsy tena fialonana sy fikasana hanala baraka fotsiny ve izany satria resaka tamin'ny fahatanoran'ireo olona ireo no afangaronao amin'ny fandehanan'ny Gazette de la Grande Ile ? Raha manam-bola ve sy tafita ny olona dia tsy maintsy tadiavina ny lesoka ... Tsara ny misy manampy ny vahoaka ho mailo fa tsy izay mihezaka ny hanokatra ny maso dia datiavina potehina sy omena
4. rasese ( 08/01/2004 10:52)
sao dia malahelo inao fa tsy mba nahatsangana zavatra fa aza dia faly hanenjika fotsinyfa raha lehilahy dia mba manaova toa azy na mi-defie azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5601